Posted in Actualités

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA.

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA : NASIANA NY VARAVARANA MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA.

Zoma 29 Septambra 2023, nahitam-bokatra ny fikaonandoha notanterahin’ny Mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana, izay notanterahina teto Toamasina.

🎯 Nilaza ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa hatao fomba fiasa, ary hampiharina avy hatrany ireo hevitra nivoitra nandritra ny telo andro nanaovana ny fikaonandoha. Hita ny lesoka eo am-panatanterahina ny asa, betsaka ny olana voavaha, antony nanamafisan’ny Minisitra fa ho tohizana ny fanatanterahina atrikasa toy izao.

📌 Raha ho an’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana eto Toamasina, raharaha telo no tena misongadina dia ny fangatahana fanafoanana fanapahana, ny raharaha mikasika ny asam-panjakana ary ny mikasika ny fanajariana ny tanàn-dehibe.

➡️ Ho fanamafisana ny Fitsarana manakaiky vahoaka, dia nisy ny varavarana misokatra ho an’ny tompon’ andraikitra ara-panjakana sy ho an’ny Vahoaka, nentina nampahafantatra ny tontolo manodidina ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Hetsika namaranana ny telo andro ho an’ny fikaonandohan’ny Mpitsara misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana.

✅ Fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD ary ny ANJA.