Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALÀNA.

FANAPARIAHANA LALANA : NY DISTRIKAN’NY VATOMANDRY INDRAY NO NISITRAKA IZANY.

Talata 26 septambra 2023, ny Distrikan’ny Vatomandry indray no nitodihan’ny hetsika fanapariahana lalàna nataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Fidinana hifotony ataon’ny Minisitera amin’ny alalan’ireo solotena avy ao amin’ny fitaleavana misahana ny fanapariahana lalàna miaraka amin’ny solotena avy amin’ny fitaleavana misahana ny Zon’olombelona.

Tanjona amin’izao hetsika izao hatrany moa ny hanatratrarana ny « Fitsarana manakaiky vahoaka », ka ireo Ben’ny tanàna sy ireo lefiny avy ary ireo Mpitan-tsoratry ny fiankohonana amin’ny Distrikan’ny Vatomandry no nisitraka izany ny andro voalohany. Mazava ny lohahevitra fa dia nahakasika ny fiankohonana sy ny atao hoe  » Actes des Maires » ary teo ihany koa ny lalàna nasiam- panovana.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Lehiben’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sy ny Mpampanoa lalàna eto Vatomandry ary ny Lehiben’ny Distrikan’ny Vatomandry.

Ny andro faharoa, ny alarobia 27 septambra 2023, dia anjaran’ny vahoaka aoambanivohitry ILAKA EST amin’ny Distrikan’ny Vatomandry ny fanapariahana lalàna.

✅ Nanohana ny hetsika ny PAJMA.