Posted in Actualités

FIOFANANA ARAK’ASA.

FIOFANANA ARAK’ASA: FITANDROANA NY FILAMINANA ETO AMIN’NY ILANY ATSIMON’NY AFRIKA.

📌Alatsinainy 18 Septambra 2023, nosokafana anio ny fiofanana arak’asa izay mitondra ny lohahevitra  » Fitandroana ny filaminana eto Afrika Atsimo » (Maintien de la paix dans l’Afrique Australe). Miara misalahy amin’izany ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny alalan’ireo Mpandraharahan’ny Fonja ary ireo avy eo amin’ny Polisim-pirenena. Ary izany dia miaraka amin’ny fanohanan’ny SADC.

➡ Nosokafan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana , Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny fotoana ary nandritra lahateniny dia nanamafy izy fa tsara ny fifampizarana traik’efa sy fiaraha-mientana hanatsarana ny asa indrindra eo amin’ny lafiny fitandroana filaminam-bahoaka.

⭕Haharitra 5 andro ny fiofanana izay atao eto amin’ny ENAM Androhibe.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany lahatenim-panokafana izany.