Posted in Actualités

Ampefy:Fitsarana mitety vohitra.

📃 AMPEFY: NOTOLORANA SORA-PIANKOHONANA IREO ANKIZY TSY NANANA IZANY HATRAMIN’NY FAHATERAHANY. FIARAHA-MIASA TEO AMIN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY OIF (ORGANISATION INTERNATIONALE DE LA FRANCOPHONIE) NO NANATANTERAHANA NY HETSIKA.

🗞️ Alakamisy faha 14 septambra 2023, tao amin’ny Kaominina Ampefy, nisy ny Fitsarana mitety vohitra izay nanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ho an’ny ankizy miisa 500, nahafahana nanolotra sora-piankohonana ho azy ireo ihany koa.

📌Nanamafy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa manan-danja lehibe amin’ny fiainana maha-olona ny fananana sora-piankohonana satria maro ny tombontsoa azo avy amin’izany, toy ny fahazoana miditra an-tsekoly, ny fahazoana mandova ny Ray aman-dReny, ny fahazoana manatanteraka fisoratam-panambadiana.

📎 Izany indrindra no nahatonga ny Minisiteran’ny Fitsarana hanamafy ny fiaraha-miasa tamin’ny OIF, nahazoana nanatanteraka izao hetsika izao. Ary voarakitra tamin’ny fifanarahana voasonia fa ho an’ny Faritra Itasy dia ankizy miisa 4.000 no ho kendrena ahazo sora-piankohonana, ka ny OIF no mamatsy ara-bola ny hetsika.

📢 Nandritra ity andro ity ihany koa no nanentanan’ny Minisitry ny Fitsarana ireo Ray aman-dReny mba hanoratra ny Zaza raha vao teraka, mba ahazoana avy hatrany ny sora-pahaterahana.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany manontolo.