Posted in Actualités

CAMP PENAL AMBATOBOENY.

📌 Ny Sabotsy faha-8 Jolay 2023, nitsidika ny « Camp Pénal » Ambatoboeny ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡ Miisa roa ny « Camp Pénal » ao Ambatoboeny: ny ao Marofilao dia misy velaran-tany mirefy 270 ha. Ny 34 ha dia voavoly vary, katsaka, vomanga ary voatsiroky ka ny Voafonja no namboly sy mikarakara. Ny 30 ha kosa dia iaraha-miasa amin’ny Mponina eo an-toerana. Misy ireo tany tsy azo kasihana mba hiarovana ny nofon-tany. Ankoatry ny fambolena dia manana omby miisa 21 sy osy miisa 58 ny « Camp Pénal » Marofilao.

➡ Ny ao Begara kosa dia misy velaran-tany mirefy 300 ha sy 50 ara. Ny 60 ha dia efa nahavokarana vary fa amin’izao fotoana izao dia voavoly katsaka ka ny voafonja no namboly sy mikarakara izany. Ny 75 ha kosa dia iaraha-miasa amin’ny Mponina eo an-toerana. Ankoatry ny fambolena dia manana omby miisa 6 ny « Camp Pénal » ao Begara.

🔹 Nandritry ny fitsidihana nataony , nanambara ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa ao anatin’ny fanambin’ny Fitondram-panjakàna ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary izany no isan’ny antony namelomana ny « Camp Pénal » satria ankoatry ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia manena ny vola mivoaka amin’ny Fanjakàna, mikasika ny famatsiana ara-tsakafo ny voafonja ihany koa ny vokatra avy amin’ny « Camp Pénal » ary efa fanomanana ny voafonja, hiatrika ny fiainany eny anivon’ny fiarahamonina rehefa tapitra ny sazy.

⭕ Nisy arak’izany ny toromarika nomen’ny Minisitra ho an’ny tompon’andraikitra: ao anatin’izany ny fanitarana ny velaran-tany volena amin’ny taom-pambolena manaraka sy ny fampitana ny fomba hitantanana ny « Camp Pénal ». Ao amin’ny Fonjan’Ambatoboeny no hanangonana ny vokatra, mialohan’ny handefasana azy any amin’ny Fonja.

🎤 Hampitomboina ny velaran-tany volena, nanome toromarika ho an’ny mpitantana teny an-toerana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
🎥 Manasa antsika hanaraka ny fanadihadiana.

Posted in Actualités

MAHAJANGA: TAFAPETRAKA AMIN’NY TOERANY NY FILOHAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA. NANATRIKA NY LANONANA ARA-PITSARANA MANETRIKETRIKA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌 Zoma faha-7 Jolay 2023, tao anatin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika no nametrahana an-dRamatoa RABEHAJA Mirindra ho Filohan’ny Fitsarana Misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana, ho an’ny Faritanin’i Mahajanga.

➡️ Nandritra izany no nanazavany ny asan’ny Fitsarana Misahana ny Ady amin’ny Fanjakana, izay tsy miteraka fanagadrana fa manitsy ny didim-panjakana noheverina fa tsy ara-dalana ka miteraka fahavoazana ho an’izay nampiharana azy.

🔷Novelabelariny ihany koa ny vinan’asa ho entina manasongadina ity rafi-pitsarana ity, anatin’izany ny fitetezana ny Distrika rehetra mandrafitra ny Faritanin’i Mahajanga ka hitondrana fanofanana ho an’ny tompon’ andraikitra any ifotony, hahafantaran’izy ireo ny tena andraikitry ny Fitsarana misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana.

⭕️Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika teto Mahajanga, dia nanamafy fa tsy misy ny ambonin’ny lalàna fa na ny Fanjakana aza dia azo toriana, ary ny Fitsarana dia tsy mitanila, malalaka amin’ny asany ary mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny.

⭐Nanatrika ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan’ Ambaratonga Sivily sy Miaramila ary ny fianakaviamben’ny Fitsarana eto Mahajanga sy ireo Delegasiona avy any Antananarivo.

🎥 Indro ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tonga teny an-toerana.

Posted in Actualités

MAHAJANGA : HANOTRONA NY FAMETRAHANA NY FILOHAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA NY MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alakamisy faha – 6 Jolay 2023, tonga eto Mahajanga ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nisy avy hatrany ny fifampitam-baovao sy ny fampahafantarana ny fandaharam-potoana, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana.

⭕️Ny hariva dia nihaona tamin’ny Mpitsara rehetra eto Mahajanga ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, dinika sy fifanakalozan- kevitra amin’ny fomba hanatsarana kokoa ny fomba fiasa.

⭕️Taorian’ny fihaonana tamin’ny Mpitsara, dia nihaona tamin’ny Mpirakidraharaha eto Mahajanga ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana, fotoana nahafahan’ny Minisitra nanazava tamin’ny antsipirihiny, ireo fotokevi-dehibe ho antina manatanteraka ny fanamby napetraka, dia ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila, ny Fitsarana manakaiky Vahoaka.

➡️Ny Zoma faha – 7 Jolay no hametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana eto Mahajanga. Hanatrika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

MINISITERAN’NY FITSARANA : NIHAONA TAMIN’NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA NY SOLOTENA MAHARITRY NY OIF HO AN’NY FARITRY NY RANOMASIMBE INDIANA, ANDRIAMATOA LEONARD EMILE OGNIMBA.

📌Ny Alarobia faha-5 Jolay 2023, no nanatanterahana ny fihaonana teto amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra. Voatoatin’izany ny firesahana ny fomba enti-manatanteraka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, mikasika ny tontolon’ny Fitsarana, ny fiarovana ny zon’olombelona izay tena noresahana nandritry ny fihaonana, amin’izany dia maro ny tetikasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, izay iarahana miasa amin’ny OIF amin’izao fotoana izao, toy ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana mitety vohitra ho fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana, ary ny fametrahana ny rafitra miaro ny fampiasana ny « données personnelles ».

➡️Nanamafy ny fahavononana amin’ny fanatsarana sy fanohizana izany fiaraha-miasa izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary mbola vonona amin’ny fanohanana hatrany ny Masoivohon’ny OIF Léonard Émile OGNIMBA.