Posted in Actualités

FANANGANAN-TSAINA MIAVAKA NO NOTANTERAHANA TEO ANIVON’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.SADY FOTOANA NAMINTINAN’NY MINISTRA NY ZAVA-BITA, NO FIARAHABANA NOHON’NY FETIN’NY RENY.

📌 Ny ampahany amin’ny asa tena nisongadina no nofintinin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, teo anatrehan’ny Mpiasa nanatrika ny fananganan-tsaina anio teto Faravohitra. Tao anatin’izany ny lamin’asa vaovao nampiharina amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, ny fanatanterahana ny Fitsarana manakaiky Vahoaka amin’ny alalan’ny Fiara Zo, ary ny Fitsarana tsy mitanila lavitry ny kolikoly, ary ny famelomana indray ny « Camp Pénal ».
Nambarany ihany koa ny asa miandry sy ny fomba fiasa entina amin’izany, manomboka amin’izao herinandro vaovao izao.

➡ Ankoatr’izay dia niarahaba ny Reny miasa eo anivon’ny Minisitera ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nohon’ny fahatratraran’izy ireo ny Fetin’ny Reny, izay nomarihana ny Alahady 4 Jona 2023. Izany rehetra izany dia narahin’ny fifanomezana mari-pahatsiarovana, ka ny Mpiara-miasa dia nanolotra ho an’ny Minisitra, ny Minisitra kosa dia nizara zava-mamy ho an’ny Mpiara-miasa.

⭐ Niatrika ity fananganan-tsaina miavaka ity ny fianakavialnen’ny Minisiteran’ny Fitsarana, na ny teto anivon’ny Foiben’ny Minisitera na ny eny anivon’ny Fitsarana Anosy sy ny PAC 67Ha.

📌 « Tsy vitako izaho samy irery, fa mba hiarahantsika mientana » hoy ny lahatenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

FONJAN’ANTANIMORA.

📌 Ny Sabotsy 03 Jona 2023, tamin’ny folo ora sy sasany alina no tonga tao amin’ny Fonjaben’Antanimora ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsaràna, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ny delegasiona avy amin’ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo sy ny PAC ary ny Kabinetrany.

⭕ Fitsidihana tampoka nentina nanamarina raha ao am-ponja havokoa ireo voasoratra ao anaty lisitra, rehefa alina ny andro. Nandritra izany no nahitana fa misy olona voafonja, kanefa tsy voasoratra ao anatin’ny « cahier » firaketana ny anaran’ny olona niditra am-ponja. Io anton-javatra io dia nahatonga ny Minisitry ny Fitsaràna nampahatsiahy ny lamina efa napetrany, ary nanome Baiko entitra ho an’ny mpitantana ny Fonja, mba hanaraka ny fomba vaovao efa napetraka amin’ny firaketana ny anaran’ny voafonja, hahazoana manavaka tsara ny voafonja mbola tsy voatsara sy ny voafonja efa voatsara.

➡ Ankoatr’izay olana eo amin’ny lisitry ny Voafonja izay, dia nasian’ny Minisitra tsindrim-peo manokana ny fampitoviana ny zon’ny voafonja rehetra, na amin’ny lafiny toerana famonjana, na amin’ny fanaovana asa ivelan’ny fonja, ka izay mahafeno ny fe-petra voalazan’ny lalàna ihany no afaka homena alalana amin’izany. Manaraka ny lalàna ihany koa ny fanomezana alalana manokana, raha misy antony lehibe tsy maintsy hivoahana ny Fonja, ka roa no fantatra fa nahazo izany nandritra ity fitsidihana ity.

➡ Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fanadiovana ny Tontolon’ny Fitsaràna sy ny Fitantanana ny Fonja, ho fampidinana ny tahan’ny voafonja tsy mbola voatsara sy fampakarana ny tahan’ny Voafonja efa voatsara.

Posted in Actualités

NIHAONA TAMIN’NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA, NY MPIANDRAIKITRA AVY AO AMIN’NY EDBM ARY NY HCDH.

📌 Anio folakandro dia tonga nanao fitsidiana ara-pomba fanajana teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny avy ao amin’ny EDBM.

📌 Tao arianan’izay, ankoatry ny fitsidihana ara-pomba fanajana dia nanolotra fitaovana informatika, ho an’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny HCDH. Izany dia entina hanamafisana ny fiarovana ny zon’ olombelona. Nandray izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanamafy fa anatin’ny laharam-pahamehana napetrany izany, ary isan’ny antony nahatonga ny fampiharana ny lamin’asa vaovao, hanenana ny tahan’ny voafonja tsy voatsara sy hampakarana ny tahan’ny voafonja voatsara, ankoatry ny fanomezana aina ny Camp Pénal, paikady hametrahana ny fahaleovantena ara-tsakafo eny anivon’ny Fonja.

⭕ Tao anatin’izao fihaonana izao dia fantatra fa hanamafy ny fiaraha-miasa ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny HCDH.

Posted in Actualités

NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FANANGANAN-TSAINA.

📌 Mariky ny fiandrianam-pirenena ny saina. Ny rehetra dia tokony samy hanaja ny sainam-pirenena havokoa. Ankoatry ny fiainana izany amin’ny andavanandro, dia vaninandro lehibe , hanehoana ny maha-olom-pirenena ny fananganana saina isa-tokantrano, rehefa tonga ny fetim-pirenena. Tamin’ity Zoma 2 Jona 2023 ity, dia notontosaina teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fampiakarana ny sainam-pirenena sy firedonana ny hiram-pirenena iombonan’ny Malagasy.

⭐ Nitarika izany ny Filoham-Pirenena Andry RAJOELINA, ary isan’ireo Mpikambana eo anivon’ny Governemanta nanatrika ny lanonana ny Mpitahiry ny Tombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Autres Evenements

MPANDRINDRA NASIONALIN’NY TENDRO HIADIANA AMIN’NY KOLIKOLY PAC : Nivoaka ny tatitra ho an’ny asa vita taona 2022.

🎤 Resadresaka nataon’ny Mpanao gazety tamin-dRamatoa RABARIJOHN Rivonandrianina, Mpandrindra Nasionalin’ny Tendro hiadiana amin’ny Kolikoly na PAC.

🎥 Manasa anao.