Posted in Actualités

Mpahay kaonty (Expert comptable):

📌 Ny Zoma 12 Mai 2023, no nanao fihanianana ireo Mpahay Kaonty miisa 10 mianadahy. Ny lalàna no manery ny fanaovana izany fihanianana izany, nohon’ny asan’izy ireo mifandraika amin’ny resaka fitantanam-bola, ary misy hifampiankinana amin’ny raharaha ara-pitsarana. Ny Mpahay Kaonty mantsy no afaka manamarina na mandiso ny fitantanana ara-bolan’ny orinasa na fikambanana. Nanamafy izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENA Landy Mbolatiana, izay nanotrona izany fihanianana izany, teny amin’ny Fitsarana Ambony Anosy.

⭕ Marihina fa miana-draharaha mandritry ny telo taona ny Mpahay Kaonty, ary manala fanadinana, ka izay afaka no miroso amin’ny fihanianana, ahazoan’izy ireo misoratra amin’ny tabilaon’ny « Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar ». 157 no isan’ny amperin’asa ary miampy azy 10 mianadahy, vao nahavita izany fihanianana izany.

Posted in Actualités

MASOIVOHON’I GRANDE BRETAGNE.

📌 Ny Alarobia faha 10 May 2023, no nanaovan’ ny Masoivohon’i Grande- Bretagne eto Madagasikara ny lanonana fanamarihana ny Fanosorana ny Mpanjaka Charles III sy ny Mpanjakavavy Consort Camilla.

⭐ Olo-manankaja maro eto Madagasikara no nanotrona izany ka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana no nitondra ny teny fiarahabana avy amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Nambarany tamin’izany fa efa tamin’ny tamin’ny 14 Janoary 1917, no nomarihana tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’i Grande-Bretagne sy Madagascar. Vao maika miha-mafy izany fiaraha-miasa izany, ka rariny loatra raha mifanotrona sy mifampiarahaba ny Firenena roa tonta rehefa amin’ny vanim-potoana lehibe, manan-tantara toy izao.

⭕ Nampita izany hafatra fiarahabana izany ho an’ny Mpanjaka Charles III sy ny Mpanjakavavy Consort Camilla arak’izany ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Fiarahabana avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, izay nanendry azy ho solotena tamin’izao lanonana izao.

Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌 Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin-dRamatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatianan, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, teto Faravohitra ny solotena maharitry ny UNICEF, Andriamatoa Jean Francois Basse.

⭕ Izany dia sady fiarahabana nohon’ny fanendrena an-dRamatoa RANDRIAMANATENASOA Landy Mbolatiana amin’ny fitantanana ny Minisiteran’ny Fitsarana, no fanamafisana indray ny fiaraha-miasa, amin’ny fanatanterahana ny laharam-pahamehana napetrany, dia ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila sy manakaiky vahoaka.

Mbola hisy moa ny fihaonana ara-teknika hanatsarana ny asa.

Posted in Autres Evenements

Fandaharan’asa « FANARENANA »

🛑 FAMPIOFANANA IREO INFIRMIERA EO ANIVON’IREO TOERAM-PAMONJANA ETO MADAGASIKARA.

📌 Anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha 5-n’ny Filoham-pirenena « Fahasalamana ho an’ny rehetra, sy ho amin’ny taona rehetra », dia nisy ny fampiofanana ireo infirmiera miasa eny anivon’ireo toeram-pamonjana eto Madagasikara. Izany dia anatin’ ny fanatanterahina ireo asan’ny Tetikasa MIKOLO AINA (Douleurs Sans Frontières), izay vatsian’ny Agence Française de Développement (AFD) vola, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa « FANARENANA » eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana .
☑ Izao fampiofanana izao dia ho fanatrarana ihany koa ny tanjon’ny Ministeran’ny FItsarana : « actions 174 et 175 » izay mikendry ny fanatsarana hatrany ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja, amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana mitohy na « formation continue » manaraka ny fiovan’ny teknika fandraisana marary sy ny filan’ny tolotra ara-pahasalamana, mba hisian’ny fandraisana an-tànana ara-pahasalamana manara-penitra ho an’ireo voafonja.
➡ Intelo miantoana ny fiofanana, ka amin’ity andiam-pampiofanana faharoa ity, dia ireo infirmiera miisa dimy amby roapolo (25) miasa ao amin’ny fonjan’ny Morondava, Miandrivazo, Farafangana, Vangaindrano, Manakara, Manajary, Ikongo, Ambovombe, Toliary, Ampanihy Andrefana, Morombe, Taolagnaro, Betroka, Fianarantsoa, Antsirabe, Ihosy, Ambositra, no misitraka izao fiofanana voalohany izao.

⭕ Eto Toliary no hanatanterahina ity fiofanana andiany faharoa ity. Maharitra valo andro hatrany ny fiofanana ka natomboka anio 08 Mey, ary mifarana ny 15 Mey 2023 ho avy izao. Ny enina andro voalohany dia hanamafisana ny fahaiza-manao ara-tsoratra na « théorie », ary ny roa andro kosa dia hifantohana amin’ny fampiharana na « pratique ». Iarahana miasa amin’ny Fitaleavan’ny ivon-toeram-pampiofanana ireo infirmiera sy mpampivelona eto Madagasikara/ Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izao fiofanana izao.

🔹 Hisy ny fiofanana andiany fahatelo, ary farany, any amin’ny faritra Boeny amin’ny volana Jiona ho avy izao.

⭐ Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao fiofanana anio izao ny Talé misahana ny maha-olona sy ny fanomanana ny fiverenan’ny voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina (DHDPRS) ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, izay nisolotena an-dRamatoa Ministry ny Fitsarana, notronin’ny Mpandrindra ny Fandaharan’asa FANARENANA, ny Talé-paritry ny fandraharahana ny Fonja eto Atsinanana, ary ny Talé-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.

Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY AO FIANARANTSOA: NAPETRAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FILOHA. NANOTRONA NY LANONANA ARA-PITSARANA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌 Teboka iray ao anatin’ny laharam-pahamehana napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny fanafainganana ny Fitsarana mikasika ny ady tany. Io aditany io no tena isan’ny raharaha manahirana ny Fitsarana eto Fianarantsoa.

✅Fampiharana ny paikady napetraky ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana no entin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Fianarantsoa, hanafainganana ny Fitsarana ny ady tany. Hampihariny ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Mpanao Gazety, ho fanamafisana ny fanapariahana ny lalàna, ho an’ny Fitsarana manakaiky vahoaka. Isan’ny nambarany ireo nandritra ny fandraisam-pitenenana, nandritra ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika, nametrahana azy tamin’ny toeran’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Fianarantsoa, Ramatoa RANDRIAMANANTENA Lalaina Harisoa.

⭕Nanome voninahitra izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary tamin’io fotoana io no nanontanian’ny Mpanao Gazety ny mikasika ny raharaha Raissa. Mazava ny valin-tenin’ny Minisitra: « malalaka ny fitsarana, ary ny zavatra toy ireny dia mila porofo, tsy ny raharaha Raissa ihany fa ho an’ny olona rehetra satria tsy mitanila ny Minisiteran’ny Fitsarana ».