Posted in Actualités

Tafatafa fohy nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana.

⚖️ Tafatafa fohy nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny mpanao gazety taorian’ny Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivoho Soisa 🇨🇭 , A/toa SEM Rolf STADLER, ny folak’andro, teto amin’ny Ministera Faravohitra.

🎤 Teboka roa no niantefan’ny resaka dia ny mahakasika ny fahasimban’ny Fonjaben’ny Toliara vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza ary faharoa dia manodidina ny fiaraha-miasa sy fifanampian’ny 🇨🇭Firenena Soisa sy ny ⚖️Fitsarana Malagasy.

📺 Manasa anao ary.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📌Ny folak’andro harivan’ny 06 Martsa 2023 dia tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra ny Masoivohon’ny Soisa 🇨🇭, SEM Rolf STALDER, ary nitondra ny teny fiarahabana amin’izao fanendrena azy izao.

⭕Anisan’ny laha-dinika ny asa afaka hifanampian’ny Firenena Soisa amin’ny Fitsarana Malagasy, ka ao anatin’izany ny mety hisian’ny fampiofanana ireo mpitsara Malagasy any Soisa.

⭕Ity fitsidihana ity dia fanamafisana ihany koa ny fiaraha-miasan’ny firenena roa-tonta.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌Fotoana voalohany niarahan’i R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana nanangan-tsaina niaraka tamin’ireo mpiara-miasa rehetra teo anivon’ny Fitsarana Tampony, Fitsarana Ambony, Fitsarana Ambaratonga Voalohany, Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ary ny Fitsarana ara-bola teo Anosy.
➡️ Fanatsarana ny fomba fiasa hanatratrarana ny tanjona amin’ny famerenana ny hasin’ny Fitsarana no toro-marika nomeny nandritra ny fandraisam-pitenenany.
⭕️Teo ihany koa no nanolorana ireo “Badges” ho an’ny Mpiasan’ny Fitsarana Tampony rehetra, izay ao anatin’ny ezaka hiadiana amin’ny mpijirika sy ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana .

Posted in Actualités

Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga.

⚖️ Tafatafa fohy nentin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nandritra ny fanolorana ny voatsirambin’ny tanana izay nentina taorian’ny fidinana ifotony teny amin’ny Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga.

📌 Tsy niandry ela fa Tonga namaly avy hatrany ny hetahetan’ireo Mpandraharaha ny Fonja tao amin’ny Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga
ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ny solotenan’ny Delegasiona niaraka aminy.

📌Ka tonga nanolotra « Ventilateur » maromaro, sy siniben-drano 10m3 fampiakarana tosiky ny rano sy fitahirizana rano ho an’ny Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga Rtoa Minisitra.

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika tao amin’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.

📌 Fotoam-pitsarana manetriketrika famaranana ny taom-pitsarana 2022 sy fanokafana ny taom-pitsarana 2023 teto amin’ny  » Fitsarana Ambony  » teto Mahajanga.

📌 Natrehin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo delegasiona mafonja avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, sy ny Fitsarana Tampony ary ireo Fitsarana mandrafitra azy. Notronin’ireo mpiara-miasa , sy ireo vahiny manan-kaja teo an-toerana tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana.

♦️ Nanamarika ny fotoana ny fanaovana
ny tatitra ampahibemaso ireo asa vita nandritra ny taona 2022
ho an’ny Fitsarana Ambonin’ny Mahajanga, ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany anaty fari-piadidiany, ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana, ary ny Fitsarana Ara-bola.