Jour : 27 février 2023
Fananganan-tsaina sy atrik’asa.
➡ Fotoana voalohany niarahan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana nanangan-tsaina🇲🇬 tamin’ny mpiara-miasa tety amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra.
📌 Toromarika mahakasika ny asa izay miompana indrindra ny amin’ny velirano faha-3 ny fitondram-panjakana: ady amin’ny kolikoly sy ny Fitsarana manakaiky vahoaka no nohantitrateriny tamin’izany .
🔷ENMG
⭕Atrikasa roa sosona no nosokafan-dRamatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana tamin’ny fomba ofisialy anio :
➡ Atrik’asa hanatsarana ny serasera eo anivon’ny fampanoavana amin’ny fampitàna ireo vaovao avy eny amin’ny Fitsarana izay natao tao amin’ny ENMG Tsaralalàna.
📌Manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ny Fitsarana ka tokony hanao fanambarana mazava sy mangaraharaha mahakasika ireo raharaham-pitsarana sy ireo didy mivoaka. Ao anatin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona Fitsarana manakaiky vahoaka sy azo hitokisana izany. Haharitra 4 andro ny atrik’asa ary fiaraha-miasa amin’ny AFD amin’ny alalan’ny PAJMA.
➡ Atrik’asa handinihana ny fampiharana ny lalàna hiarovana ireo zava-boary eto Madagasikara, izay karakarain’ny ENMG tao amin’ny “le Pavé” Antaninarenina ho an’ireo mpitsara ao amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny olon-tsotra (Magistrats judiciaire) niaraka tamin’ny firaha-miasa amin’ny ONG TRAFFIC, ONG Durrell Wildlife Conservation ary ny « cabinet DLA Piper » izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fitsarana ary ao anatin’ny tetikasa « LEMUR CWC » izay tohanan’ny « Bureau International des Stupéfiants et de l’Application de la Loi du Département d’Etat des Etats-Unis.
Haharitra 3 andro ny atrik’asa.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333132457_215932504334523_6671102695521758995_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332929343_1337120323513250_6511311495209815349_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332894697_1263673601232601_4872119995845699657_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333040327_3097442253889244_5055852532813379930_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332870050_653777199851004_7323464030466003236_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333272340_154005097463477_6388484264587884157_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333097373_1153686955341835_6557371586928360343_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332916512_211450768129063_2435615976919441501_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332887862_1005703667072253_7628211019207232384_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332899059_593260085675809_6585539584335447753_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332908959_1383188965556162_8238486857777566748_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332923581_756791335881966_1383124652471890985_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332938201_529154039341037_4844112308842917484_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333012394_1408280739711261_3806007567182547698_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333022117_2688892691251864_2264206994455210518_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333023909_727942358973305_4235977046282085391_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333037265_214148684474861_5544978554097637220_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333039067_523095449945864_7701201081584473596_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333073531_871802770573714_5210935895830570852_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/333130203_1025612168827436_8710240126971733261_n.jpg)
Asa sy Vina ary Paikady.
📌 Ireo Asa sy Vina ary Paikady entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana:
1- Fanamafisana sy fanaovana vaindohan-draharaha ny ezaka amin’ny ady atao amin’ny kolikoly
– Fanaraha-maso ny fivezivezena eo anivon’ny rafi-pitsarana rehetra sy ny fonja.
– Fametrahana ny tondrozotran’ny asam-pitsarana, izay ho hampahafantarana ny vahoaka hialana amin’ny kolikoly.
– Fanamafisana ny fampiasana ny toerana fametrahana ny fitarainana.
– Fanamafisana ny traikefan’ny mpitsara.
2- Hapetraka ny paikady fanafainganana ny fitsarana ireo raharaha mahakasika ny ady tany. Eto Antananarivo no atao fitaratra hanombohana izany.
3- Fanomezana didim-pitsarana solo sora-pahaterahana ho an’ireo zaza Malagasy.
4-Fanavaozana didy aman-dalàna: fanavaozana ireo lalàna eto Madagasikara izay tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/03/332938714_187596227238677_6755057029057105986_n-1.jpg)