Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

📌 Taorian’ny fifampizarana ireo tsara ho fantatra mikasika ny Didim-pitsarana misolo fahaterahana dia indro entina amintsika mandritry ny roa herinandro dia ny mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahafatesana na ny « Jugement supplétif de décès ».

🔴 Ny lalàna mifehy ny sora-piankohonana laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 ihany no mifehy izany.

🔷 FANTARO fa : NY FE-POTOANA HANAMBARANA
Toy ny tamin’ny fanambarana fahaterahana dia telopolo (30) andro aorian’ny fahafatesana farafahatarany no tsy maintsy anaovana ny fanambarana izany fahafatesana izany.

🔷 AHOANA NO ATAO RAHA DILA IO FE-POTOANA IO KANEFA TSY VITA ILAY FANAMBARANA FAHAFATESANA ?
Mangataka didy misolo sora-pahafatesana any amin’ny Fitsarana mba hanoratana izany fahafatesana izany ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana.
Entanina araka izany izay rehetra voakasika mba hanao ara-potoana ny fanambarana fahafatesana mba hisorohana ilay paik’ady ara-pitsarana satria efa lava ny fotoana nomen’ny lalàna fotoana anaovana izany.

🔷 IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA –PAHAFATESANA :
👉 Ny fianakavian’ny maty (vady, zanaka, ray, reny, iray tampo, raibe, renibe) ka afaka manamarina ny rohim-pihavanany amin’ny maty,
👉 Izay olona nanatrika ny nahafatesany
Raha toa ka marobe ny mpangataka dia afaka manome fahefana olona iray izay hisolotena azy ireo.

🔷 AIZA NO FITSARANA ATONINA ?
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (ady madio) ao amin’ny toerana farany nonenan’ilay maty.

Posted in Actualités

FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA.

Fitsarana manetriketrika fandraisana ny fianianana sy fametrahana ny Filoha voalohany ny Fitsarana Tampony, andriamatoa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson eto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

PEJY AN-TSARY:
⚖ Anio maraina no Fitaom-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianana sy fametrahana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony (Premier Président de la Cour Suprême ), Andriamatoa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson.
Ny tolakandro indray kosa no nandraisana ny fianianany amin’ny maha-Filoha Voalohan’ny Fitsarana Avo azy (Haute Cour de Justice).

📌Taorian’ny nandraisana ny fianianana sy nametranana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony teny Anosy anio 06 Oktobra 2022 dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOZAFY François.
➡ Mahakasika teboka maromaro:
● ny fitsaram-bahoaka,
● ny fitokonan’ny Mpiraki-draharaha,
● ny hetsika fanomezana kopia faobe…
🎥🎤Arahantsika manontolo ary ny tafatafa.

Posted in Autres Evenements

HETSIKA FANOMEZANA KOPIA SY KARA-PANONDROM-PIRENENA MAIMAIM-PAONA.

⚖ Mitohy hatrany ny « Hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe » ka avy ao amin’ny kaominina ambonivohitry Bemanonga Distrikan’i Morondava, Manakara, Maroantsetra, Fenoarivo Atsinanana ary Toamasina no nanatanterahana izany.
Tonga marobe ireo olona nisitraka izany.

Posted in Actualités

Fanangana-tsaina natao teo amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina natao teo amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Rtoa RABY Savatsarah sady nampitàny ihany koa ireo vaovao vitsy ho an’ny mpiara-miasa rehetra.

Nandritra ny fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy no nitateran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana Ramatoa RABY Savatsarah ireo vaovao sy hetsika eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, ka nilazany fa ny – Alakamisy 06 oktobra 2022 dia hisy ny Fotoam-pitsarana manetriketrika hametrahana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony (PPCS). Ary ny Talata 11 oktobra 2022 no hanatanterahana ny Fotoam-pitsarana manetriketrika hametrahana an-dRamatoa Tonia Mpampanoa Ambony eo amin’ny Fitsarana Fandravana (Cour de Cassation). ➡Mahakasika ny fitokonana izay kasain’ny « Syndicat des Greffes de Madagascar » indray dia nomarihiny fa misokatra ho an’ny fifampiresahana hatrany ny Ministera foibe ; ary tokony hitsinjo hatrany ny zana-bahoaka sy ny mpisitraka ny Fitsarana izay hanaovantsika ny asa rehetra isika.

🎥 Indro arahintsika manontolo ny fanazavana mahakasika izany rehetra izany.

Posted in Autres Evenements

ENAP Antetezambaro Toamasina II.

➡ Jiro “lampadaires” mandeha amin’ ny herin’ ny masoandro miisa 15 no natolotry ny Ministeran’ ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) ho an’ ny Sekolim-pirenen’ ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP ) Antetezambaro Toamasina II.

➡ Fanolorana tranom-boky ho an’ny Fonjaben’ny Tsiafahy avy amin’ny “Association MADAGASIKARA NAMAKO” sy fitsidihana tsotra notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana Rtoa RABY Savatsarah niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja sy ireo mpiara-miasa aminy.