Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray ary no entina ampahafantarina antsika manomboka amin’ity herinandro ity dia ny mikasika ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».

➡ Rehefa mikarakara taratasy isika matetika dia anisan’ny taratasy takiana mandrakariva io « certificat de nationalite malagasy » io ka hojerentsika ary hoe inona no tena ilàna azy io.

🔷INONA ARY NO LALANA MIFEHY IZANY ?
Didy hitsivolana laharana faha 60-064 tamin’ny 22 Jolay 1960 novaina sy nofenoin’ny lalàna laharana faha 61-052 tamin’ny 13 desambra 1961, sy ny lalàna laharana faha 62-005 tamin’ny 6 jona 1962, sy ny didy hitsivolana laharana faha 73-049 tamin’ny 27 Aogositra 1973, sy ny lalàna laharana faha 95-021 tamin’ny 18 septambra 1995 ary ny lalàna laharana faha 2016-038 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.

🔷IZA NO ATAO HOE MALAGASY ARAKA NY VOALAZAN’NY LALANA ?
-Ny zaza nateraky ny ray sy/ na reny Malagasy.
-Ny zaza izay teraka teto Madagasikara, tsy fantatra ny ray aman-dreniny kanefa azo heverina fa ny iray amin’izy ireo dia Malagasy mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.
-Ny zaza hita teto Madagasikara izay heverina fa teraka teto mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.

🔷INONA KOSA NO ILANA NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Mba hanamarinana fa mizaka ny zom-pirenena malagasy ny olona iray.
Ohatra raisintsika akaiky indrindra dia ny mikasika ny fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, satria dia tsy maintsy Malagasy ihany no afaka mifaninana amin’izany fa tsy azo ataon’ny teratany vahiny. Dia ilaina noho izany ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenenana malagasy ho an’ilay mpifaninana.

🔷IZA NO AFAKA MANOME NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany irery ihany no afaka manome azy.

⭐ Ho hitantsika amin’ny heriny indray ny mikasika ny paik’ady sy ny taratasy ilaina amin’ny fangatahana ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».

Posted in Actualités

Fidinana ifotony taty amin’ny faritra SAVA sy DIANA.

📌Fidinana ifotony taty amin’ny faritra SAVA sy DIANA izay nitokanana fotodrafitrasa sy fanolorana « kit solaire » ho an’ny vahoaka avy amin’ny fitondram-panjakana izay notarihan’ny Filoham-pirenena Malagasy, A/toa Andry RAJOELINA.

⭐ Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Mpitahiry ny Tombonkasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François niaraka tamin’ireo mambran’ny Governementa.

⭕Tao anatin’izany ny fampisehoana ny hetsika fanaovana kopia sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana, izay natao tao amin’ny kaominin’ambanivohitra Daraina sy Betsiaka. Tsiahivina fa tamin’ny herinandro lasa teo no nosakafana tamin’ny fomba ofisialy ity hetsika ity izay tontosaina maneranany lafivalon’ny Nosy.

📷 Pejy an-tsary 09 Septambra 2022.

Posted in Actualités

FAMPAHAFANTARANA NY FIVOARAN’NY TETIKASA SY FANAOVANA TOMBAN’EZAKA.

📌Tonga nanatanteraka fitsidiana teto amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra anio 06 Septambra 2022 ireo solontena avy amin’ny AFD.

PEJY AN-TSARY 06 SEPTAMBRA 2022

✅Fanaovana tomban’ezaka mahakasika ny tetikasa fanatsarana sy fanorenana fonja sy tribonaly, ary koa ny famatsiam-bola ho fanampiana amin’ny fanadinana eny anivon’ny sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpikaridraharaha ary ny fandraharahana ny fonja no tena Anton-dia.

🎥 🎤 Atolotra anao ny fanazavàna entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Tale Mpanampy ao amin’ny AFD Ramatoa Valérie ALEXIS.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina notontosaina teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, notarihan’A/toaRAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana.

🔷 Nitondra fanazavana bebe kokoa ny Minisitra mahakasika ny zava-nisy sy nitranga tany Ikongo:

➡ Notsipahany marindrano fa tsy hoe tsy fahatokisan’ny vahoaka ny Fitsarana no nahatonga ny tranga satria tsy mbola tonga teny anivon’ny Fitsarana ny antonta-taratasy mahakasika ireo voarohirohy.
➡ Ary koa mbola ao anaty fanadihadiana tanteraka ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.
➡ Nitondra teny fankaherezana ho an’ireo namana sy mpiara-miasa misehatra any an-toerana ihany koa izy, ary indrindra fampiononana ho an’ireo fianakaviana niharam-boina.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Mifarana amin’ity herinandro ity ny fizarana amintsika mikasika ny lohahevitra Fandraisana anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano na « Contribution aux charges du ménage » ka ny mikasika ny paik’ady arahina amin’izany indray no entina amintsika.

🔷NY PAIK’ADY ARAHINA AMIN’IZANY :
Mahazo fiaantsoana hiatrika fitsarana ny mpivady ary izy ireo irery ihany no manatrika izany fa tsy soloina tena,
Didim-pitsarana mivoaka ampahibemaso no mametra ny fandraisana anjara amin’ny
fandaniana ao an-tokantrano aloan’ilay toriana amin’ny ankilany ary izany didy izany dia tanterahina avy hatrany na dia nanao fampakàrana Fitsarana Ambony aza izy.

🔷MBOLA AZO ANGATAHANA FAMPIAKARANA NA FAMPIDINANA VE NY MARI-BOLA VOAFARITRA AO ANATY DIDY ?
Eny, raha toa ka misy fiovana eo amin’ny fidiram-bolan’ ny mpivady na ny filàn’ireo zanany (ohatra : fiakaran’ny fandaniana, fiovana asa ka niteraka fihenan’ny karama…).
Ilaina porofo mazava tsara anefa izany rehetra izany.

🔷ARY AZON’ILAY NOTORIANA ATAO IHANY KOA VE NY MANGATAKA NY HAMPITSAHARANA MIHITSY NY FANDOAVANA IZANY ?
Eny, raha toa ka misy ny fampidirana fangatahana fisaraham-panambadiana.