Posted in Actualités

Hetsika Kopia faobe.

« Tsy misy ambadika politika », hoy ny Minisitry ny Fitsarana.

📌An-tapitrisany ireo olona tsy manana kopia sy kara-panonondrom-pirenena eto Madagasikara. Tsy ny fifidianana ihany no ilana kopia fa vao iditra hianatra ny zaza iray dia efa takiana izany, toy izany koa raha hikarakara antontan-taratasy toy ny fitadiavana asa na fikarakarana passeport.

⭕ »Tsy misy resaka politika, araka izany ny fanaovana hetsika kopia faobe ho an’ny vahoaka », hoy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François. « Asa fanaon’ny mpitsara amin’ny andavanandro sy mandavan-taona ny fitsarana mitety vohitra izany fa tsy zava-baovao », hoy izy.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra.

📷 Pejy an-tsary 12 Septambra 2022.
🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra izay notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana Andriamatoa RAVELOSON Aimé Gilbert.
📌 Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanambarany ny mahakasika ny fahavitan’ny fitokanana ny Fitsarana Ambaratonga voalohany any Ambilobe sy ny fanentanana ny mpiara-miasa eto amin’ny Ministera izay mazoto hiasa eny anivon’ireny tribonaly vaovao voatokana ireny.

Posted in Autres Evenements

Vaovao ENMG:FANATSARANA NY FAMPIANARANA HOAN’NY MPIANATRA HO MPITSARA.

⭕ Nanomboka anio 12 septambra 2022 eto Morondava ny fanohizana ny lahadinika momba ny hampidirana ny taranja mahakasika ny “ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena” ao anatin’ny fandaharam-pianarana hoan’ireo mpianatra ho mpitsara. Izany dia tafiditra indrindra amin’ny tetikasa vatsian’ny vahoaka amerikana vola ary ahitana ny fandraisana anjaran’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaha, ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, ny BIANCO, ny WWF, ny Transparency International Initiative, ary ny Alliance Voahary Gasy.

➡ Haharitra dimy (05) andro izao atrikasa izao ary hamoahana volavolam-pandaharam-pampianarana
mahakasika ny lohahevitra voalaza etsy ambony sy torolalana ho an’ny mpampiofana.

Posted in Actualités

Fitokanana ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Ambilobe.

📌Efa ela no niandrasan’ny vahoaka teto Ambilobe izany lapam-pitsarana izany. Hatramin’ny niverenan’ny fahaleovan-tena dia izay vao nisy fotodrafitasa manarapenitra toy izao teto amin’ny tampo-tanan’Ambilobe. Afaka ny fahasahiranan’ny vahoaka ary manao ny ezaka hatrany ny fitondram-panjakana manakaiky vahoaka araka ny fanamby napetraka.

⭐Notarihan’ny Filoham-pirenena A/toa Andry RAJOELINA ny fotoana izay nanolorany fiara tsy matao-dalana ho an’ny Fitsarana. Niaraka nanome voninahitra izany ny Praiminisitra lehiben’ ny gouvernemanta A/toa NTSAY Christian sy ireo mpikambana ao amin’ny governementa izay misy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François.

📷 Pejy an-tsary 10 Septembra 2022.

Posted in Actualités

FANOHANANA ARA-TEKNIKA SY ARA-PITAOVANA AVY AMIN’NY U.N.O.D.C. MBA HO AN’NY “E-DIGITALISATION” ENY ANIVON’NY FITSARANA ADY HELOKA MALAGASY

Ny Alakamisy faha 08 Aogositra 2022 dia tonga nitsidika amim-pomba fanajana an’Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombo-Kasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana, tao amin’ny biraony teny Faravohitra, Antananarivo, ny delegasiona avy amin’ny « Office des Nations Unies contre la drogue et le crime » na « UNODC » nahitana an’Andriamatoa Jeneraly HAMA Dimby Noelson, point focaln’ny ONUDC eto Madagasikara sy ireo mpahay avy any amin’ny Biraom-paritry ny « UNODC » ao Afrika Atsinanana izay nahitana an’Andriamatoa isany Martin MBUI sy Collins OWINO.

Raha tsiahivina ny « Fandaharan’asa manerantany entina miady amin’ny heloka bevava an-dranomasina » na « Programme mondial de lutte contre la criminalité maritime » (GMCP) ao amin’ny « ONUDC » dia mikendry ny fanohanana ireo firenena mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana sy ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny heloka bevava an-dranomasina.

Taorian’i Tanzania, Comores, Maurice ary Kenya dia isan’ireo firenena izay hisitraka ny fandaharan’asa « E-digitalisation » avy amin’ny « ONUDC » ihany koa i Madagasikara mba hanatsarana ny fahombiazan’ny Fitsarana Malagasy izay misahana ny raharaha mifandray amin’ny heloka bevava an-dranomasina.

Andrandraina ho vokatry ny fanatanterahana izao fandaharan’asa izao ny fametrahana amin’ny fomba maharitra « système de gestion électronique des affaires judiciaires » (ECMS) eny anivon’ny Fitsarana Ady Heloka rehetra eto Madagasikara.

Lire la Suite « FANOHANANA ARA-TEKNIKA SY ARA-PITAOVANA AVY AMIN’NY U.N.O.D.C. MBA HO AN’NY “E-DIGITALISATION” ENY ANIVON’NY FITSARANA ADY HELOKA MALAGASY »