Jour : 25 août 2022
Fanambarana, ENMG.
📌Manoloana ny vaovao izay miely mahakasika ny fifaninana hidirana ho Mpitsara ao amin’ny Sekolim-pirenena Mpanofana ho mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) etsy Tsaralalana, dia nanao fanambarana ny Tale Jeneralin’ny Sekoly, A/toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony androany 25 Aogositra 2022 fa tsy marina velively izany.
⭕ Manentana ireo mpanao GAZETY hatrany izy mba hanao ny asany tsara sy ampahamendrehana ary araka ny tokony ho izy.
Mpiadina tratra nanao hosoka « fraude » nandritra ny fanadinana fifaninana natao, efa nanjanona tsy afaka manohy ny fanadinana intsony, ary mbola hisy ny fandraisana andraikitra hafa ho amin’izany.
🎥🎤 Atolotra anao ny fanambarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny ENMG, A/toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony.
FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.
📌Tonga nanatanteraka fitsidiana ara-pomba fanajana teto amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra anio 25 Aogositra 2022 ny Masoivohon’ ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara, SEM GUO Xiaomei.
✅Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana ho an’ireo sinoa miaina eto Madagasikara ary koa ho an’ireo gasy miaina any Sina no tena Anton-dia, ary izany dia ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona amin’ny firenena roa tonta. Hisy ny fivoriana izay ho tontosaina miaraka amin’ny Minisitra hafa momba ity resaka ity.
🎥 🎤 Atolotra anao ny fanazavàna entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masoivohon’ ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara, SEM GUO Xiaomei.