Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray no entina amintsika manomboka amin’ity herinandro ity. Raha nijery ny mahakasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire » isika nandritry ny herinandro maromaro dia nisy ny nametra-panontaniana hoe manahoana indray raha toa ka mpivady ara-dalàna tsy misara-panambadiana kanefa tsy mety mamelona ny ankohonana ilay vady.
➡ Amin’izay fotoana izay dia mila mangataka eo anatrehan’ny Fitsarana ny atao hoe Fandraisana anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano na « Contribution aux charges du ménage » ny ankilany ka izany no lohahevitra vaovao entina amintsika mandritry ny herinandro vitsivitsy.

🔷IZA NO TOKONY HANDRAY ANJARA AMIN’NY FANDANIANA AO AN-TOKANTRANO ?
👉 Ny mpivady dia tsy maintsy miara-mandray anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano ;
👉 Koa raha tsy manao ny adidiny ny iray amin’izy ireo, dia azon’ny andaniny atao ny mangataka ny Fitsarana handidy ny handoavan’ny ankilany ny anjarany ara-bola hikarakarana ny tokantrano sy ny fianaran’ny zanak’izy ireo ;

🔷INONA NO FEPETRA TAKIAN’NY LALANA AHAFAHANA MANGATAKA IZANY ?
Tsy maintsy mpivady vita soratra ara-panjakana ary tsy mbola an-dàlam-pisaraham-panambadiana.

🔷IZA NO FITSARANA MAHEFA HANDRAY NY FANGATAHANA ?
Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Fitsarana mikasika ny ady madio) ao amin’ ny toeram-ponenan’ny mpivady.

Posted in Autres Evenements

Fidinana ifotony Nosy Boraha Sainte-Marie.

Hitsidika ny Nosy Boraha Sainte-Marie ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny 20 sy 21 Aogositra ho avy izao. Ho firosoana amin’ny fanatanterahana ireo velirano nataony dia hisy fotodrafitrasa maromaro hotokanana mandritra izany, toy ny Birao vaovaon’ny Kaomisarian’ny Polisy, ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny lalana vita rarivato ao Analamboanio ary ny Biraon’ny Ofisim-paritry ny Fizahantany.