Posted in Autres Evenements

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY FENOARIVO ATSINANANA MIDINA IFOTONY.

⚖️ FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY FENOARIVO ATSINANANA MIDINA IFOTONY.

📌 Nidina ifotony tany amin’ny kaominina Ambanivohitra Ampasimbe Manantsatrana, distrika Fenoarivo Antsinanana ny Lehiben’ny Fampanoavana ny 04 May 2022 niaraka tamin’ny Lehiben’ny Fileovana Fenoarivo Antsinanana manoloana ny raharaha halatra lavanio sy fividianana lavanio mbola tsy matoy.

✅ Nampahafantarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny lavanio sy ny sazy miandry ireo olona nanao fandikan-dalàna. Nasaina tamin’io fotoana io ny Ben’ny Tanàna sy ny sefom-pokontany.

⭐ Mbola hitohy any amin’ny faritra maro amin’ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Fenerive Antsinanana ity hetsika ity.

Posted in Autres Evenements

FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOLOANA NY HERISETRA MIANJADY AN’IREO OLONA VARIRA.

⚖️ FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOLOANA NY HERISETRA MIANJADY AN’IREO OLONA VARIRA.

✅ Notanterahina tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana androany 04 Mey 2022 ny fivoriana fikaonan-doha voalohany nandinihana ny herisetra mianjady amin’ireo olona varira eto Madagasikara izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo mpisehatra momba ny zon’olombelona eo anivon’ny firenena mikambana.

➡️ Nandray anjara tamin’izany ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Ministeran’ny Mponina ary ny Zandarimariam-pirene­na. Nampitaina tamin’ireo mpisehatra ny fomba fiseho sy ny mety ho anton’ny herisetra mahazo ity vondron’olona ity. Nodinihina ihany koa ny hiarovana ny zon’izy ireo. Nanatrika ny fikaonan-doha ary nampita hafatra tamin’ny alalan’ny visioconférence ny mpanao tatitra manokana mikasika ny zon’ny olona varira.

💡 Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.

Posted in Actualités

Lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2022 ity.

📸 Pejy an-tsary 03 Mey 2022

⭐ Antenimierandoholona
➡️ Lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2022 ity.
⚖️ Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany fotoana izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François.

Posted in Autres Evenements

FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

⚖️ FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

✅ Tontosa tao an-drenivohitr’i Toamasina sy tao Fenoarivo Atsinanana tamin’ny herinandro lasa teo ny fanapariahana lalàna sy paik’ady ara-pitsarana notanterahin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives) ho fanatanterahana ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana hoe « Fitsarana manakaiky vahoaka ». Tetik’asa izay notohanan’ny PAJMA.

➡️ Anisan’ny nisitraka izany ireo Ben’ny tanàna sy ny lefiny, ireo lehiben’ny boriborintany sy ireo mpitantsoratry ny sora-piankohonana tao anatin’ny Distrikan’i Toamasina I sy II, ary ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, fa indrindraindrindra ireo mponin’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana.

⭐ Ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mikasika ny fiankohonana, ny lalàna laharana vaovao laharana 2019-008 tamin’ny 16 janoary 2020 momba ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy, ny manodidina ny fandovana sy ny fananan-tany, ny fampidiran-draharaha eny anivon’ny Fitsarana sy ny andraikitry ny mpirakidraharaha ary ny paik’ady arahina eo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana no anisan’ny lohahevitra novelabelarina tamin’izany.

📌 Tanjona amin’izany rehetra izany moa dia ny hahalalan’ny vahoaka ireo lalàna vaovao eto amin’ny tany sy ny Firenena fa indrindra ihany koa ny hahafantaran’izy ireo ny mikasika ny paik’ady eny anivon’ny Fitsarana mba tsy hahatompotrano mihono an’ireo izay manandraharaha.
Mitohy ny ezaka izay ataon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ka toerana maro samihafa no mbola hisitraka izany fidinana ifotony izany amin’ity taona ity.