Jour : 30 avril 2022
Fampiofanana ireo mpampiofana teo anivon’ny fandraharahana ny Fonja.
⚖️ Fandraharahanan’ny Fonja
✅ Ny 29 aprily 2022 no nifarana tao amin’ny ENAP (Ecole Nationale d’Administration Pénitentaire) France ny fiofanana ho mpampiofana izay nandraisan’ ireo mpampiofana miisa 5 avy aty amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.
➡️ Naharitra 10 andro izany fiofanana izany raha toa ka nanomboka ny 19 aprily 2022 lasa teo. Nifantoka tanteraka tamin’ ny lafiny fampiofanana izany fiofanana izany ( formation des formateurs ) ary namatsy ara-bola izany ny » Agence Française de Développement « tamin’ ny alalan’ ny tetikasa PAJMA (Projet d’Appui à la Justice à Madagascar ».
⭐ Antenaina fa hanamafy ny fahalalàna sy ny fahaiza-manaon’ izy ireo izany ka hanatsara sy hampivoatra hatrany ary hifanaraka amin’ny vanin’andro ankehitriny ny fampiofanana ao amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.
👉 Anio 30 aprily 2022 izy ireo no hitodi-doha hiverina eto an- tanindrazana. Tolorana fisaorana noho izany ny « Agence Française de Développement » na AFD, ny PAJMA ary ny ENAP France noho ny fanohanan’ izy ireo tsy tapaka ny ENAP Madagascar.
📌 Marihina fa efa eo am-pamolavolana ny fifanaraham-piaraha-miasa (convention de jumelage ) ankehitriny ny tompon’ andraikitra eo anivon’ny ENAP FRANCE sy ny ENAP MADAGASCAR. Tanjona dia ny fanatsarana hatrany ny fitantanana sy ny fampiofanana ao amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2022/05/AP01.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2022/05/279544805_342173434674402_4865573522129475702_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2022/05/Ap02.png)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2022/05/279558517_342173471341065_2731488874865928445_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2022/05/279580955_342173344674411_6888844574502762286_n.jpg)