Posted in Autres Evenements

Fampiofanana ireo mpampiofana amin’ny resaka zon’olombelona niarahan’ireo Tafika Malagasy

📸Pejy an-tsary anio 05 Aprily 2022

👉 Fampiofanana ireo mpampiofana amin’ny resaka zon’olombelona niarahan’ireo Tafika Malagasy, Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena ary ny Mpandraharahan’ny Fonja izay notarihan’ny Firenena Mikambana

Posted in Actualités

Fivoriana fikaonan-doha mikasika ny fanantanterahana ny didim-pitsarana eto Madagasikara

⚖️ Fivoriana fikaonan-doha mikasika ny fanantanterahana ny didim-pitsarana eto Madagasikara

📌 Maro ny didim-pitsarana izay tsy tanteraka ka lasa tsy afa-manoatra ireo mpitory fa lasa taratasy tsy misy fiantraikany ny didim-pitsarana. Ka nivory, nikaon-doha ireo tompon’andraikitra isany eo amin’ny fitsarana tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy anio 05 Martsa 2022 mba hitadiavana hevitra sy hijerena akaiky ny fanatanterahana ny didim-pitsarana.
➡️ Ny tombontsoa tadiavina dia ny ahazoana didy marina sy rariny amin’ny alalan’ny fampiharana ny lalàna misy sy ny foto-kevitra fototra hiorenan’ny tany tan-dalàna.
⭐ Tsiahivina fa amin’ny ady heloka, ny didim-pitsarana dia valin’ny fangatahana nataon’olona nitory izay nihara-boina. Amin’ny Ady madio kosa dia valin’ny fitakiana nataon’olona izay manana tombontsoa voatohitohina.

🔺 Manana anjara lehibe eo @ filaminan’ny fiaraha-monina ny fitsarana ka rariny sy hitsiny raha natao izao fikaonan-doha izao.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara

📸Pejy an-tsary Alatsinainy 04 Aprily 2022
🇲🇬 Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara A/toa Christophe Bouchard tamin’A/toa RAKOTOZAFY François Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana teto Faravohitra.

Posted in Autres Evenements

Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

📸Pejy an-tsary Alatsinainy 04 Aprily 2022
🇲🇬 Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga

📸 Pejy an-tsary 01 Aprily 2022
⚖️ Fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga (Procureur Général près la Cour d’appel de Mahajanga) , Atoa RATSIMANDRATO Jean Jacques William.

📌 Manohy ny ezaka fanatsarana nataon’ny teo aloha ary ho hamafisina ny fanamby izay napetraky ny Ministeran’ny Fitsarana : “Fitsarana manakaiky vahoaka”. Vonona hanantanteraka ireo baiko sy toro-marika mba hampandeha ny raharaham-pitsarana sy hanatrarana ny politika napetraky ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Nanasongadina ireo vina tamin’ny teboka vitsy izy amin’ny tetikasa sy politika hitondrany ny Fampanoavana Ambony :
👉 Fitantanana sy fandrindrana ary fampiharana izany eny amin’ny Fittsarana Ambaratonga Voalohany rehetra.
Atao tanjona hiarahana ny fametrahana ny Fitsarana madio, lavitry ny kolikoly, tsy mitanila, miasa ao anatin’ny mangarahara ary manakaiky vahoaka. Fitsarana haingam-piasa manana kalitao mamaly ny filàn’ny vahoaka ary manaja ny zon’olombelona.
👉 Fametrahana ny fandriampahalemana
👉 Fampahalalàna ny besinimaro ny lalàna sy fombafomban’ady ary ireo paika harahina amin’ny Fitsarana
👉 Fanazavana ny anton’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana
👉 Fanaovana petan-drindrina ny raharaha izay ilain’ny vahoaka sy ireo taratasy ilaina, ny mpiandraikitra misahana izany sy ny sandan’ny raharaha ady madio.
👉 Ho atao matetika ny fidinana ifotony amin’ny fanakaikaizana ny vahoaka.

⭐ »Omby tsy ampianarin-domano » ny Tonia mpampanao Ambony vaovao ary hainy ny làlana hitondrana sy hitantanana ary hanatsarana ny raharaham-pitsarana.