Posted in Actualités

Ministeran’ny Fitsarana sy SMM: Hifanampy hanasoa ny asam-pitsarana

➡️ Mitovy ny tadin-dokanga, iray ny feo. Tokana ny tanjona dia ny hanasoa ny asam-pitsarana sy hitsinjo ireo Mpitsara ary hanatsara hatrany ny fifandraisana. Nivoitra ireo androany Alakamisy 03 Febroary 2022, nandritra ny fihaonana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, sy ny delegasiona avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), notarihin’ny Filoha vaovao, Atoa ANDRIANTSIHORISOA Mbitanarivo.

📌 Vonona ny Ministeran’ny Fitsarana ny hifanome tanana, ary tsy manakatom-baravarana­ ihany koa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana, hiara-misalahy amin’ny SMM.

🗒 Tsiahivina fa 3 taona no fe-potoana hitarihan’ny Filoha vaovao ny SMM. Ny Alakamisy 11 Novambra 2021 no tontosa ny fifidianana, teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, sy ireo Fitsarana manerana an’i Madagasikara, ary 3 no kandida nirotsaka.

Posted in Autres Evenements

Ankizy manao fandikan-dalàna: Dinika momba ireo sazy ankoatra ny famonjana

✔️ Tontosa androany Alarobia 02 Febroary 2022 teto amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra ny seminera mahakasika ireo fepetra sy sazy hafa ankoatra ny fampidirana am-ponja ny ankizy eto Madagasikara. Izao dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana, amin’ny UNICEF sy ny fikambanana “Grandir Dignement”. Ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana, dia lohalaharana tamin’ny fikarakarana ny Foibem-pitantanana misahana ny Fandinihana sy ny Fanavaozana Lalàna (DERL).

⭐ Nanome voninahitra ny fihaonana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle. Nohamafisiny nandritra ny lahateny fanokafana nataony ny maha zava-dehibe ny fampiroboroboana ireo fepetra hafa ankoatra ny fampidirana am-ponja satria anisan’ny laharam-pahamehan’ny­ Ministera ny ampihenana ny isan’ny ankizy miditra am-ponja.

➡️ Dinika nahafahan’ireo mpisehatra isan-karazany nifanakalo hevitra mba ahafantarana tsaratsara kokoa ny tontolo manodidina ireo fepetra voalaza ireo, nifampizara ny fomba fanao tsara alain-tahaka, nanana fomba fijery maha-olombelona amin’ny ankizy nanao heloka, ary naminavina ny fiaraha-mientana ahafahana mampitombo bebe kokoa ny fampiharana ny fepetra na ny sazy ankoatra ny famonjana tononina amin’ny ankizy.

📌Ity seminera ity dia nahitana ny fandraisana anjaran’ny solontenan’ny Ministeran’ny Fitsarana, ireo mpitsara misahana ny raharahan’ny ankizy any amin’ny faritra izay efa mampihatra ny fepetra fanaraha-maso (Mesures de Liberté Surveillée) ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana « Grandir Dignement » (Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana ary Antalaha), ny solontenan’ny Fitaleavam-paritra ao amin’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy (MPPSPF), ny ekipan’ny « Grandir Dignement » ary ny solontenan’ny UNICEF.

🔷 Nototonsaina tao amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fivoriana ary afaka narahana tamin’ny alalan’ny teknolojia fampitan-davitra ihany koa.

——————–­——————-
✔️ Un séminaire sur les mesures et peines alternatives à la détention des enfants en conflit avec la loi à Madagascar a été organisé ce mercredi 02 février 2022 à la Bibliothèque du Ministère de la Justice à Faravohitra.
La réalisation de ce séminaire entre dans le cadre de la collaboration entre le Ministère de la Justice, l’UNICEF et l’Association Grandir Dignement.
⭐ La Secrétaire Générale du Ministère de la Justice, Mme RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, a honoré le séminaire de sa présence et a réitéré dans son discours d’ouverture, l’intérêt de promouvoir ces alternatives à la détention, afin de réduire le nombre d’enfants en conflit avec la loi en détention à Madagascar.
📌 Ce séminaire a permis aux différents acteurs d’échanger pour une meilleure connaissance de l’environnement qui entoure ces mesures, de se partager les bonnes pratiques, d’avoir une vision plus humaniste de l’enfant en conflit avec la loi, et à terme, d’envisager une synergie des actions pour l’augmentation des mesures et peines alternatives à la détention prononcée.
➡️ Cette rencontre a réuni les représentants du Ministère de la Justice, les magistrats en charge des affaires des enfants dans les localités où la mesure de liberté surveillée est déjà mise en œuvre en collaboration avec Grandir Dignement (Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana et Antalaha), les représentants des Directions Régionales du Ministère de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme (MPPSPF), l’équipe de l’association Grandir Dignement et les représentant de l’UNICEF.
🔷 Les échanges se sont tenus simultanément en ligne et en présentiel à la Bibliothèque du Ministère de la Justice Faravohitra.

Posted in Actualités

Fitsirihana ny Fitsarana: Nandray ny toerany ny Tale vaovao

✅ Tontosa tamim-pirahalahiana androany 01 Febroary 2022 teto amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Tale misahana ny Fitsirihana ny Fitsarana (Directeur de l’Inspection des Juridictions) na DIJ teo aloha izay andeha hisotro ronono, Atoa RAKOTONIRINA Martin, sy ny DIJ vaovao, Atoa RABETAFIKA Harison Tsilavina. Nanome voninahitra ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

➡️Nandritra ny lahateny nataony, dia nanentana ny DIJ vaovao, sy ireo mpiara-miasa tsy an-kanavaka, Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ny hananan’izy ireo fahasahiana mijoro sy mahitsy anaty fanatontosana ny asa.

⭐️« Tsy mora ny asam-pitsarana. Sahia mijoro amin’ny fanatontosana ny asa ho an’ny Tanindrazana sy ny fanasoavana ny vahoaka Malagasy. Mila manana ny fahasahiana sy mahitsy lalandava…» hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

📌Tsiahivina fa ny DIJ moa dia eo ambany fifehezan’ny Birao misahana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny Fitsarana sy ireo Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP).