Jour : 7 décembre 2020
Posted in Annonces et Informations
Lehiben’ny Fampanoavana manerana ny Nosy
Published Date: 7 décembre 2020
MIOFANA MOMBA NY SERASERA
Zava-dehibe tokoa ny lafiny serasera, indrindra amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Nisokatra androany maraina etsy amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna ny atrikasa fiofanana miompana amin’ny serasera. Hateloana no hanaovana ny hetsika, ary ireo Lehiben’ny Fampanoavana manerana an’i Madagasikara no mpiofana.