Mois : novembre 2020
Photos illustrant la journée d’installation
JOURNEE D’INSTALLATION DU :
Ady amin’ny kolikoly eto anivon’ny Fitsarana
MIHATRA NY SAZY HO AN’IREO MANIA
Tatitra ampahibemaso nataon’ny Fitsarana misahana ny Kaonty
SOSO-KEVITRA MARO HO FANATSARANA NY FITANTANAM-BOLAM-PANJAKANA
Fitsarana manakaiky vahoaka
HIVOAKA NY BOKY TOROLALANA HO AN’NY REHETRA
Miroso ny asa fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana. Ny lafiny fitantanam-bola sy ny fikirakiram-bolam-panjakana indray ankehitriny no sehatra hiofanana mandritra ny 4 andro, nanomboka tamin’ny maraina. Mikarakara ny Fitaleavana misahana ny fampiofanana ireo Mpiraki-draharaha eo anivon’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna. Mpanohana ny « Agence Française de Développement » (AFD) amin’ny alalan’ny tetikasa PAJMA.
Manaraka ity fiofanana mitohy ity ireo mpitantam-bola eo anivon’ny tribonaly sy ny rafim-pitsarana manerana an’i Madagasikara. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manao sy ny traikefa ho an’ireo mpikirakira vola rehetra amin’ireo ambaratongam-pitsarana telo misy eto amin’ny Nosy.
Miisa 8 ireo lohahevitra mandrafitra ny fiofanana omena. Anisany ohatra ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny ankapobeny, ny fandrafetana tetibola sy ny fanatontosana azy, ireo lalàna mifehy, ny pitsopitsony amin’ny famoaham-bola ary ny fanaraha-maso sy ny andraikitra mifanila aminy.
Izao dia tafiditra indrindra anatin’ny fanatsarana imasoan’ny Mpitahiry ny Fitombokasam-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo, sy laharam-pahamehana amin’ny Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina.
Fitsarana manakaiky vahoaka
HIVOAKA NY BOKY TOROLALANA HO AN’NY REHETRA
Laharam-pahamehana anaty Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina ny fanatsarana ny asam-pitsarana. Milofo fatratra sy manao ny ainy tsy ho zavatra hanatratra ny tanjona ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Johnny Richard Andriamahefarivo. Atrikasa fiofanana miompana amin’ny fanatontosana ny vina Fitsarana manakaiky vahoaka sy Fitsarana misokatra ho an’ny rehetra no nisokatra aninkeo maraina ary haharitra hateloana etsy amin’ny « Le Hintsy » Ambohimanambola.
Araka ny nambaran’i Rtoa Raby Savatsarah, Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana, « Zo fototra an’ny vahoaka ny manatona ny Fitsarana. Antom-piofanana ny hahafahana mamoaka boky torolalana hanampy ny rehetra manan-draharaha amin’ny Fitsarana anaty mangarahara tanteraka sy lavitry ny kolikoly ary mandala ny lalàna fototra. Lahadinika ny fototry ny olana amin’ny sehatry ny Fitsarana. Ireo mpiofana no mila mandroso vahaolana. Harafitra ho boky ireo ary ho zaraina » hoy Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana.
« Ireo mpisehatra rehetra amin’ny asam-pitsarana, na Mpitsara, na Mpisolovava, na Mpiraki-draharaha, na Polisy sy Zandary sns. Tarigetran’ny Ministeran’ny Fitsarana ary fanamby apetraka ny hahatontonsa ireo rehetra ireo mba hivadika ho vokatra hita maso sy ho azo tsapain-tanana » hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera Atoa Imbiki Herilaza, izay nisolo tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.
Mpanohana akaiky izao hetsika izao ny « Organisation internationale de la francophonie » na OIF. Araka ny lahateny nataon’ny Mpisolotena maharitra monina sy miasa eto amintsika Rtoa Faouzia Abdoulhalik androany, dia mino sy manantena vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Vonona hatrany izy ireo ny hanohana ny Governemanta Malagasy hanatrarana ny tanjona.
Amin’ny fiafaran’ity atrikasa fiofanana ity no handrafetana ny boky ho zaraina amin’ny daholobe, ho fanajana ny Demokrasia, sy ny tany tan-dalàna araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo androany.