Mois : octobre 2020
Fanatsarana ny asam-pitsarana
VITAINA NY FANASOKAJIANA IREO ASA SY ANDRAIKITRA
Atrikasa tontosaina mandritra ny hateloana no nisokatra androany maraina eto amin’ny Ermitage Mantasoa. Taperina hatramin’ny zoma 30 oktobra izao ny fanasokajiana ireo asa sy ny famaritana tsirairay ireo andraikitra eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Mahatratra 569 ny isan’ireo antotan-taratasy manasokajy ireo asa tsirairay tsy maintsy vitaina. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara izao hetsika izao. Ho fandalàna ny mangarahara dia ho azon’ny daholobe jerena ireo, amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera Multimedia Builder, no sady fampahafantarana ho an’ireo izay mety liana te hiditra eo amin’ny sehatry ny asam-pitsarana. Manatrika ity atrikasa ity, ny tompon’andraikitra sy solontena avy amin’ny fitaleavana sy sampan-draharaha isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Mamatsy vola izao hetsika izao ny Vondrona Eoropeana (UE) amin’ny alalan’ny tetikasa NFD.
Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara
NASIANA FANATSARANA NY FANATANTERAHANA NY TETIK’ASA PAJMA
Drafitrasa sy tetikasa maro no tontosain’ny Ministeran’ny Fitsarana, nohon’ny fanampiana sy fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Anisan’ny mitana ny laharany voalohany amin’ireo ny Tetikasa Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara na PAJMA izay vatsian’ny Agence Française de developpement (AFD) ary voatondro haharitra mandritry ny efatra taona. Niteraka fahasarotana teo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa PAJMA ny fisian’ny valanaretina Covid-19 sy ny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny Firenena ary dia nisy friantraikany tokoa amin’ny fanatrarana ireo tanjona izay kendrena. Vokatr’izay dia maro ireo tetikasa tsy maintsy hahemotra amin’ny taona ho avy. Sahala amin’izay ihany koa ny sorabola nomanina tamin’ity taona 2020 ity. Eo anatrehan’izany dia nivoitra ny fanirian’ny maro ny hanalavana ny fotoam-piasan’ny PAJMA, izany dia ny mba hahatrarana ireo tanjona efa napetraka fa indrindra mba hitondra fahombiazana bebe kokoa eo anivon’ny tetikasa. Nivoitra ny alakamisy teo nandritra ny fivoriana faharoa natrehin’ireo mpikambana ao amin’ny Komity mpandrindra ny PAJMA teo amin’ny tranombokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ary notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Nanatrika io fivoriana io ny « Agence Française de Développement » na AFD, ny Sekretera Jeneraliny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara, ny avy ao amin’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara, ny avy ao amin’ny vondrona eoropeanina, ireo tale jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny fitsarana, ny talen’ny sekolim-pirenena mampiofana ny mpandraharahan’ny fonja ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny PAJMA tarihin-dRamatoa mpandrindra ny tetikasa. Notoavina nandritra io fivoriana io ny fanatsarana ny fanatanterahana ny tetikasa mba hanarenana ny fahatarana vokatry ny fandalovan’ny COVID-19, ary nolaniana ihany koa ny fandaharan’asa ho tontosaina amin’ity 3 volana farany amin’ny taona 2020 ity. Raha tsiahivina, ny tanjon’ny PAJMA dia ny fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana, ny fanomezana traikefa sy fanosehana ny lafiny maha-matihanina ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny Fitsarana sy ny Fandraharahana ny Fonja.
Formations
La Cour Suprême et la Cour de Cassation continuent la série de formations sur la Technique de rédaction de rapport/conclusion en matière civile, commerciale, pénale. Toamasina a eu sa part de formation du 16 au 19 septembre et pour Mahanjaga du 28 au 30 octobre et du 18 au 20 novembre à Fianarantsoa. Ces formations sont destinées à tous magistrats de 1° et 2°grade et éventuellement au 3°grade. D’autres informations suivront. PPCS- PGCS
Tontolon’ny fitsarana
‟Efa mandeha ny fanovana″ hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana
Tapitra ny amehana ara-pahasalamana. Noho izany dia misy ny lamina vaovao hanafainganana ireo raharaham-pitsarana rehetra. Mahakasika ny tontolon’ny fitsarana manontolo, dia efa mandeha koa ny fanovana. Ohatra amin’izany ny famindran-toerana Mpitsara. Nivoitra ireo tamin’ny fanontanian’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.
Aiza ho aiza ny raharaha mahakasika ny fitarainana sy fitsarana an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy eny anivon’ny PAC?
‟Ny PAC no miandraikitra ny raharaha fa tsy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana. Mandrindra fotsiny ny asam-panjakana ny Minisitra fa ny raharaham-pitsarana dia an’ireo sampana isan-karazany. Isika izao vao nivoaka ny fihibohana sy ny amehana ara-pahasalamana. Izao daholo vao mandamina ny CCO izay misahana ireny raharaha ady heloka bevava ireny. Ny baiko nomena dia ny hanafainganana ny raharaha rehetra eny amin’ny CCO, mba hampihena ireo olona any am-ponja raha mbola tsy voatsara”
Aiza ho aiza ny fitsarana ny raharaha Mbola Rajaonah sy ny raharaha Eddie Bois de rose?
“Ny raharaha Mbola Rajaonah dia mbola ny CCO ihany koa no miandraikitra an’izay. Tsy voatery ho fantatry ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana daholo hoe rahoviana no handalo ny raharaha iray. Tahaka izay ihany koa ny raharaha Eddie Bois de rose. Nahazo fahafahana vonjimaika izy teo. Nanao fampiakarana ny tompon’andraikitra ka nodinihina tamin’ny fivoriambe an’ny Fitsarana an-tampony ny fangatahana fandravana ilay didy. Nivoaka ny didy fandravana ilay didy navoakan’ny Mpitsara mpamoaka didy. Hatreo aloha izao. Rehefa izay no mitranga dia miverina any amin’ny Cour d’Appel indray izany ny raharaha averina ho tsaraina, satria izay no tapaky ny Cour de Cassation. Mpitsara hafa indray no hitsara ny raharaha. Hatreto dia miandry ny enrôlement na ilay fampiantsoana fitsarana ataon’ny Cour d’Appel isika”
Misy fitarainana foana mahakasika Mpitsara indrindra any Toamasina momba ny kolikoly. Ny hevitrao momba izay?
“Ny fitarainana avy amintsika vahoaka dia be dia be, tsy ny any Toamasina irery fa saika izahay Mpitsara iray manontolo dia mahazo fanakianana foana. Misy amin’izy ireny marina, ary misy amin’izy ireny koa no tsy marina. Matetika koa ny olona manakiana dia tsy mitondra porofo. Ka rehefa tsisy ny porofo, tsy afaka ny hanenjika olona tsy misy porofo. Ny azo lazaina amin’ny tontolon’ny fadraharahana ny Fitsarana efa manao famindran-toerana sy fanodinana ireo Mpitsara izao, mba hisian’ny endrika vaovao sy fitantanana vaovao mba hamerenana ny fahatokisan’ny olona”
Fanajariana lalàna eny amin’ny kaominina
NY FIZARAM-PANANANA SY NY ADY TANY NO NAHALIANA NY MARO