Posted in Actualités

Hetsika fizarana AntiCovid19

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 22 aprily 2020 ny hetsika fizarana AntiCovid19 (Aro-vava, Covid-organics ary ny dosette infusion)avy amin’ny fitondram-panjakana foibe, ka notanterahana teo amin’ny parvis Analakely izay notarihan Atoa Naina ANDRIATSITOHAINA , « Ben’ny Tanànan’ Antananarivo ». Nifarimbonan’ny Foloalindahy, ny Ministera’ny Fitsarana ary ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo izany, izay teo ambany fitantanan’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, ka aro-vava 20.000 isa no nozarain’ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’ny fokontany 10 (Avaratetezana Bekiraro, Soarano, Ambondrona, Tsiazotafo, Ampandrana, Ankadivato, Faravohitra Ambony, Faravohitra Mandrosoa, Ambohitsirohitra Analakely, Ambatomena Amboasarikely) hita ao anatin’ny Boriboritany voalohany. Mbola hitohy ny Alakamisy 23 aprily ny hetsika fizarana aro-vava ho fiarovana amin’ny valan’aretina Covid 19.
Malagasy miaro tena mandresy ny Covid19 no tanjona.