Posted in Actualités

Fifamindram-pahefana teo amin’ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana

Tontosa ny marainan’ny 30 janoary 2020 ny lanonana namindran’Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques ny fahefana, tamin’ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana vaovao ; izay voatendry ho Minisitry ny Fitsarana.

Tato amin’ny tranombokin’ny minisitera tety faravohitra no nanatanterahina izany, ary ny Minisitra hodimbiasana no nandray fitenenana voalohany. Nanao jery todika fohy ny asa vita nandritra izay herintaona nitantanany ny departemanta izay ny tenany, ary notsindriany manokana ny tanjona nimasoany : dia ny fampanajana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana. Navoitrany manokana ny fahavitana nanangana sy nanatsara fotodrafitr’asa, araka ny fahafahana nananan’ny fanjakana, sy ny fotoana nananana nanatanterahina izany.

Raha namarana ny fandraisana fitenenana kosa Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard, izay hitàna ny andraikitry ny Minisitry ny Fitsarana, dia niantso ny mpiara-miasa rehetra hanova fomba fiasa ; ka handà kolikoly sy hanakaiky kokoa ny vahoaka, satria io no antoka hiverenan’ny fahatokisany indray amin’ny rafi-pitsarana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. “Aoka !”, izany no teny naverimberin’Andriamatoa Mpitahiry ny Kasem-panjakana :”aoka izay ny kolikoly”, “aoka izay ny havonavona”, aoka izay ny tsy fanajana ny asa”… ireo no ambetin-teniny nentina hanentanana ny rehetra, iray fo sy hifanome tanana, hamerina ny hasin’ny Fitsarana, izay isan’ny antoky ny fiandrianam-pirenena.