Posted in Actualités

Fanokafana ny taom-piasana 2020

Lanonam-pitsarana manetriketrika notarihin’ny Lehiben’ny Fitsarana Tampony mirahalahy, ary natrehan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana sady Filoha lefitry ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara ; no nentina nanokatra ny taom-pitsarana 2020, ny Zoma 17 janoary.

Raha nandray ny fitenenana ny Tonian’ny Fampanoavana Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, dia nanao tatitra fohy ireo asa vita nandritra ny taona 2019. Niantso ny mpitsara rehetra manerana ny Nosy izy mba hanao ezaka ary hifanome tanana amin’ny famerenana sy fanamafisana ny fahatokisan’ny vahoaka malagasy ny rafi-pitsarana eto Madagasikara.

Nandritra ny lahateny nataony kosa, dia naneho ny fankasitrahany ny Filoha Voalohany ao amin’ny Fitsarana Tampony, ny tamin’ny nandanian’ny parlemanta ilay lalàna hahafahana manitatra ny fotoana ahazoan’ny mpitsara manao ny asany ; ka nampisinda ny tebiteby mahakasika ny mety tsy ho fahampiana mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony. Nambarany mantsy fa fe-potoana ahafahana manofana ireo tanora sy zandry afaka hiantsoroka ny asa anivon’ny Fitsarana Tampony izany fanitarana ny fotoam-piasana izany.

Rehefa tontosa ny fotoam-pitsarana manetriketrika nanokafana ny taom-piasana 2020 dia niampita teo amin’ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany teto Anosy ny rehetra. Notokanana tamin’io andro io ihany koa mantsy ireo fotodrafitr’asa hampiasain’ny Minisiteran’ny Fitsarana, hiadiana amin’ny kolikoly sy hanenjehana ireo izay mikasa hanao izany : « caméras de surveillance, badges électroniques, tripod access system ». Nampanantena moa Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques, Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, fa fanombohana fotsiny ny teto Antananarivo fa efa anaty fandaharanasan’ny Minisitera ny fanapariahana tsikelikely izany manerana ny Nosy.