Posted in Actualités

Fametrahana tamin’ny toerany ny Filoha Voaloahany eo amin’ny Fitsarana Ambony Toamasina

Omaly 10 desambra 2019 no napetraka tamin’ny toerany ho Filoha Voaloahany eto amin’ny Fitsarana Ambony (Premier Président de la Cour d’Appel) Toamasina, i Andriamatoa RAZAFIARISON Hery. Nandritra ny fotoana nandraisany fitenenana dia nanambara ity farany fa :
. hojerena manokana ny fandrindrana ny raharaha mahakasika ny ady tany izay tena miteraka resabe eto an-toerana ;
. ho afainganina ny raharaham-pitsarana mahakasika ny fisaram-panambadiana ihany koa mba ho hafainganina kokoa ;
. ho hentitra ny Fitsarana mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harem-pirenena ;
. hiditra amin’ny fampiasàna ny teknolojia mba hanampy amin’ny fitantanana ny raharam-pitsaràna.
Mitaky ezaka lehibe hoy izy ny fanovàna ny fijery saingy tsy azo hihodivirana izany, ka ho atao vain-doha-draharaha anivon’ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambony Toamasina.

Ankoatra ireo manam-pahefana miasa aty an-toerana dia tonga nanome voninahitra izao fotoam-pitsarana manetriketrika izao ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques, nitarika ny fianakaviamben’ny Fitsarana. Niara-dia taminy tamin’izany ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony mirahalahy, sy ireo mpikambana sasany anivon’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.