Posted in Actualités

Fankalazana ny fahafolo taonan’ny Fitsarana Ambony Antsiranana

Nitodi-doha taty amin’ny tapany avaratry ny Nosy ny fianakaviamben’ny Fitsarana, satria dia ankalazaina ny 02 sy 03 desambra 2019 ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny Fitsarana Ambony Antsiranana. Nanome voninahitra izany fotoana izany ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques ; niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Minisitera, sy ireo tompon’andraikitra sasantsasany ao amin’ny Fitsarana Tampony, izay notarihin’ny Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony ao amin’ny Fitsarana Fandravana (Cour de Cassation).

Lanonana maro sosona no mandrafitra izao fankalazana izao, dia ny :
. fitokanana ny tsangam-bato fahatsiarovana ny jobily fahafolo taona ;
. fanomezana mari-pankasitrahana ireo niasa teto nanomboka tamin’ny taona 2009 nanorenana azy ;
. fampirantiana mahakasika ireo sampam-pitsarana misy ato amin’ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambony Antsiranana, sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny asam-pitsarana ;
. fitokanana ny tranon’ny mpisolovava ;
. fifampizarana traikefa sy haizatra amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fitsarana ;
. fitsidihana sy fanomezana fanampiana ho an’ireo zaza tsy ampy taona misazy ao amin’ny fonjaben’Antsiranana.

Nandritra ny fandraisany fitenenana dia notsindrian’Andriamatoa Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana ny fampanantenana nomen’ny Filoham-pirenena, hanampiana ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja ; satria iaraha-mahita ny ezaky ny Fanjakana, hitondra fanavaozana sy fanatsarana amin’izany sehatra izany. Nanambara koa ny Minisitra amin’ny tokony hijerevana, ka hanavaozana na hanovana mihitsy ny sasantsany amin’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara ; satria misy amin’izy ireny no tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy amin’izao vanim-potoana izao. Raha nitodika tamin’ireo mpiara-miasa rehetra ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, dia nanamafy fa asa masina ny asam-pitsarana ka tokony hatao anatin’ny fandalana ny rariny sy ny hitsiny ; ka tsy hikatsaka afa tsy ny marina ho tombotsoan’ny vahoaka malagasy.

Ny tolakandron’ny 02 desambra ihany koa no nanaovana ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nentina nametraka tamin’ny toerany ireo Tonia Mpampanoa Lalàna telo mirahalahy izay voatendry hiasa ao :
. Ambanja : TSITOKANA Edmond Michaël
. Antsiranana : IMBIKY Cleridès Jean Antonio Delayola
. Nosy Be : RABEHARISOA Andriniaina Malala Andy