Posted in Actualités

Hafatra avy amin’i Ramatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana

Ramatoa HARIMISA Noro Vololona, Mpitahiry ny Fitombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana,
Dia misaotra sy mankahery, ary mirary soa ireo mpitsara hiandraikitra ny « Sections de Recensements de Matériels de Vote » (SRMV) manerana ny Nosy, mandritra ny fanatanterahana ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Manao antso avo amin’ny mpisehatra tsy ankanavaka amin’izany fifidianana izany (ny kandida roa tonta, ny mpanara-dia sy mpanohana azy ireo, sns) mba hamela ireo mpitsara hiasa an-kahalalahana sy am-pitoniana tanteraka, ho fitandroana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana sy ho fanajana ny safidin’ny vahoaka malagasy marina.

Posted in Actualités

Fametrahana ny Filoha, ny Tonian’ny Fampanoavana ara-bola ary ireo Mpitsara mpanolo-tsaina teo anivon’ny Fitsarana Ara-Bola Antananarivo

Tontosa androany 14 desambra 2018 ny fotoam-pitsarana manetriketrika teo anivon’ny Fitsarana Ara-Bola Antananarivo, ka nametrahana tamin’ny toerany an’Andriamatoa isany :
– RATSIMANDRAVA Solonirina, Filoha
– RANDRIANARIVELO Mamy Fetra, Tonian’ny Fampanoavana ara-bola
– RAHARISON Ando Harilalaina, Mpitsara mpanolo-tsaina
– RAMBOARISOA Mikaela Albert, Mpitsara mpanolo-tsaina
Tonga nanatrika izany fotoana izany, nisolo tena an-dRamatoa Minisitra, ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Nanotrona ny fotoana ihany koa ny tompon’andraikitra avy eto amin’ny Ministera sy ny avy ao amin’ny Fitsarana an-tampony ; ny mpikambana ao amin’ny CSM, ary ny fianakavian’ireto mpitsara vao nandray ny toerany.

Posted in Annonces et Informations

Concours d’aptitude à la profession d’Huissier de Justice et Commissaire-Priseur

Liste des candidats admis à passer les épreuves orales du concours d’aptitude à la profession d’huissier de Justice et commissaire-priseur, session des 28, 29 et 30 novembre 2018

Posted in Actualités

Fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly

Ny sabotsy 08 desambra 2018 no nankalazan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) izany andro iraisam-pirenena izany, tany amin’ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra. Lohahevitra noraisina tamin’izany ny « Fiaraha-mientan’ny herivelona rehetra hiady amin’ny kolikoly, mba hirosoana amin’ny fampandrosoana maharitra ». Tonga nanokatra ny lanonana i Ramatoa Harimisa Noro Vololona, Minisitry ny Fitsarana ; izay nisolo tena ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta. Nanatrika io fotoana io ihany koa ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, ny olom-boafidy tany an-toerana, ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD), sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Vakinankaratra ary ireo vahiny maro nasaina.

Lire la Suite « Fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly »

Posted in Actualités

Akon’ny dian’ny Minisitry ny Fitsarana tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo.

Nanomboka ny alakamisy 29 novambra lasa teo no nitodi-doha tany amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy ny fianakaviam-ben’ny Fitsarana, notarihan-dRamatoa Harimisa Noro Vololona, Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana.

Ny marainan’io andron’ny alakamisy io no nanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asam-paritra nentina nandinihana ny fomba hiadiana amin’ny « fitsaram-bahoaka ». Ity atrik’asa izay iarahana amin’ny PNUD ka natao tao Toamasina ity, dia tonga tamin’ny andiany fahefatra ; taorian’ny nandalovany tany Ambovombe, Sambava ary Antsohihy. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, mialoha ny fitsidihana ireo trano eva (Ministeran’ny Fiarovam-Pirenena, Ministeran’ny Filaminana anatiny, Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-Pirenena), dia nankasitrahan-dRamatoa Minisitra ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ; izay nanaiky hiara-hikaon-doha hitady fanefitra amin’ity « famonoana olona tamba-be », izay melohiny fatratra ity. NItohy ny hariva sy ny ampitso ny atrik’asa narahina adihevitra sy fifanakalozana amin’ny tompon’andraikitra isanisany sy ny vahoaka tonga nanatrika izany.

Lire la Suite « Akon’ny dian’ny Minisitry ny Fitsarana tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. »