Posted in Autres Evenements

Famaranana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fitsarana Tampony, Anosy.

📸 Pejy an-tsary Alakamisy 10 Martsa 2022
⚖️ Famaranana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fitsarana Tampony, Anosy.

⚖️Fitsarana Tampony:
Famaranana ny faha-60 taona

📌Lohahevitra 4 no nodinihana tamin’ny loabary an-dasy narahana adihevitra izay natao tetsy amin’ny Fitsarana Tampony, Anosy, androany 10 Martsa 2022 ka hitohy rahampitso: Zoma.
👉 Fahafahan’ny vahoaka manatona ny Fitsarana (Accès à la justice)
👉 Fijerevana ny tontolon’ny Fitsarana sy ny tsara hatao amin’ny ho avy (Etat de la justice)
👉 Ireo karazana rafitra afaka mamaha olana amin’ny resaka Fitsarana (Les solutions alternatives à la solution judiciaire)
👉 Fanatsarana ny lalàna izay mifehy ny Fitsarana Tampony .

*️⃣ Tanjona ny fandinihana ny fiainan’ny fitsarana mba hivoarana, hanatsarana sy hampandrosoana hatrany ny asam-pitsarana.

💡Mitondra fanazavana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony (PPCS) Atoa RAJAONA Andriamanakiandriana­na, nandritra ny fifanakalozana tamin’ireo mpanao gazety.

Posted in Autres Evenements

Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

📸Pejy an-tsary Alatsinainy 07 Martsa 2022

🇲🇬 Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy
⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy, andiany 2021 ao amin’ny ENMG, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

⚖️Tontolon’ny Fitsarana Malagasy :
Hatao lahadinika ny fiainan’ny Fitsarana

📌Zava-dehibe loatra amin’ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny tontolon’ny Fitsarana. Noho izany, dia hisy ny loabary an-dasy tarihin’ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony arahana adihevitra, ho tontosaina ny Alakamisy 10 Martsa ho avy izao. Maromaro ireo lahadinika mandrafitra ny fandaharam-potoana :
👉Ohatra ny momba ny fiainan’ny Fitsarana Malagasy amin’ny ankapobeny,
👉Manaraka izany ny toerana misy ny Fitsarana amin’izao fotoana izao,
👉Eo koa ny fahafantaran’ny olona ny Fitsarana,
👉Tsy ambanin-javatra ireo mbola fanatsarana tokony hatao,
👉Ary farany nefa tsy kely indrindra, ny lalàna momba ny Fitsarana Tampony.

✳️Nivoitra ireo, nandritra ny fananganan-tsaina, natao androany Alatsinainy 07 Martsa 2022 teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Ho tontosaina ny Alakamisy ho avy izao tokoa mantsy ny famaranana ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Fitsarana Tampony, ka izay indrindra no hanaovana io loabary an-dasy io.

💡Mitondra fanazavana tahaka izao ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony (PPCS), Atoa RAJAONA Andriamanakiandrianana.

Posted in Autres Evenements

Fambolen-kazo teny Tsiafahy

📸 Pejy an-tsary Zoma 04 Martsa 2022
👉 Fambolen-kazo an’ny Ministeran’ny Fitsarana, teto Tsiafahy

⚖️ Asam-pitsarana :
Ainga vao no atsangana izao

📌 Araka ny Velirano nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia ny asa no imasoana amin’ity taona ity. Ho an’ny tontolon’ny Fitsarana, dia ny fananganana no hilofosana. Porofon’izany, ny fandraisan’anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo notontosaina ny Zoma 04 Martsa teny Tsiafahy. Adidy amin’ny Firenena sy ny taranaka.

➡️ Mpiasa 400 no namboly zanakazo miisa 1510 (Kininina 800, Acacia 600, 50 poara, 50 Paoma, 10 hazo fandravahana tanàna). Ankoatra izay, fotoana kely foana sisa no andrasana, dia ho vita ireo fotodrafitrasa vaovao naorina. Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) sy Fonja manara-penitra, amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy.

*️⃣ Asa fananganana tsy azo adinoina ihany koa ny fidiran’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy andiany 2021 tontosa tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny Sekoly manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna. 4 taona izay no tsy nisian’ny fifananana hidirana ao.

🔶 Ny fanarenana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa simba tamin’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto Madagasikara, dia tafiditra ihany koa anatin’ny ezaka fananganana.

💡 Mitondra fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle.

Posted in Autres Evenements

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara

📸 Pejy an-tsary Alarobia 02 Martsa 2022
⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy, andiany 2021 ao amin’ny ENMG, teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra.
⭐ Nandray azy ireo voalohany, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, nanaraka azy kosa ny Talen’ny Kabinetra, Atoa BARAKA Jean Arnaud.
Posted in Autres Evenements

ENMG : Fidiran’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy andiany 2021

📸Pejy an-tsary Alarobia 02 Martsa 2022
⚖️Fidiran’ireo mpianatra 81 mianadahy andiany 2021, ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna

⚖️ENMG :
Mpianatra mendrika sy mahay no tanjona

📌Izy ireo no anisan’ny hoavin’ny tontolon’ny Fitsarana. Hamafisina ny fahaizana efa ananany, ary beazina ho mendrika ka hanandratra avo ny hasin’ny Fitsarana Malagasy. Nivoitra ireo androany 02 Martsa 2022, nandritra ny lanonana fanamarihana ny fidiran’ireo mpianatra 81 mianadahy, andiany 2021, ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna.

➡️Amin’ireo mpianatra 81, dia 41 no manao ny « filière judiciaire », 20 manaraka ny « filière financière » ary 20 no ao amin’ny « filière administrative ». 2 taona no faharetan’ny fianarana, ka ny taona voalohany dia ao amin’ny Sekoly, ary ny herintaona farany dia miompana amin’ny fiofanana eny amin’ny sehatra arak’asa (stage). 4 taona izao no tsy nisian’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG. Ankoatra izay dia misy ny fanavaozana sy fanatsarana entina eo amin’ny amin’ny fampianarana ho an’ireto andiany 2021 ireto.
✳️Lavitry ny kolikoly
✅Nampiavaka indrindra iny fifaninanana natao tamin’ny 2021 iny, ny fahadiovana tanteraka teo amin’ny fanadinana. Tsy nisy ny kolikoly, ary izay indrindra no hafatra mafonja nomena ireto mpianatra vaovao, izay nentin’Atoa Tale Jeneralin’ny ENMG. Nanokatra ny lanonana fanamarihana ny fidirana, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, izay nisolo tena, an-dRtoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana Mpisolo toerana.
💡Mitondra fanampim-panazavana misesy, ny Talen’ny Fampianarana mpianatra ho Mpitsara ao amin’ny ENMG, Rtoa RAMINOHARIMALALA Lisy Miadanirina, ary ny Tale Jeneralin’ny ENMG, Atoa RAMAROLAHIHAINGONIRA­INY Anthony.