Posted in Autres Evenements

Dinikasa sy fifampizarana entina hiadiana @ kolikoly sy fanondranana an-tsokosoko ny biby sy zavamanaina no ifotoran’ ny tetikasa

📸 Pejy an-tsary androany 31 Martsa 2022
⚖️ Dinikasa sy fifampizarana entina hiadiana @ kolikoly sy fanondranana an-tsokosoko ny biby sy zavamanaina no ifotoran’ ny tetikasa (FORUM DE PARTAGE DANS LE CADRE DU PROJET DE LUTTE CONTRE LA CORRUPTION ET LE TRAFIC D’ESPECES SAUVAGES) natao tao amin’ny CARLTON MADAGASCAR

Posted in Autres Evenements

Fanazaran-tena nataon’ny Mpandraharahan’ny Fonja

📸 Pejy an-tsary 25 Martsa 2022

📌 Toy ny zavatra rehetra, dia ilaina ny fanazaran-tena. Izay no nahatonga an’ireo Mpandraharahan’ny Fonja nanao fanazaran-tena amin’ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana (basy) teny amin’ny Toby Miaramila Langaina nanomboka omaly 24 sy androany 25 Martsa 2022.

➡️Tsiahivina fa efa ela izy ireo no tsy afaka nanao ity fanazaran-tena ity noho ny hamehana ara-pahasalamana nisy teto amin’ny Firenena.

🔷 Asa saro-pady ny asan’ny Fandraharahana ny Fonja indrindra fa ireo izay mpiandry akaiky ireo voafonja, ary fitaovana mahery vaika no ampiasaina ka mila fahaizana ny mifehy izany.

Posted in Autres Evenements

Atrikasa ho famahana ny olan’ireo Vadintany amin’ny asany

📸 Pejy an-tsary 17 Martsa 2022
➡️ Atrikasa ho famahana ny olan’ireo Vadintany amin’ny asany

⚖️ Notontosaina androany tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny atrikasa fitadiavana vahaolana amin’ny olana mianjady amin’ireo Vadintany amin’ny fanantontosan’izy ireo ny asany.
✔️ Novoriana avokoa ireo tompon’andraikitra rehetra hiarahan’ny Vadintany miasa.
⭐ Notarihin’i Rtoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, sy Rtoa Tale Jeneraly misahana ny Raharaham-pitsarana, ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER) ary Rtoa Tale misahana ny Fandraharahana ny Fitsarana (DAJ) ny fotoana.

Posted in Autres Evenements

Pejy an-tsary 15 Martsa 2022

🔷 Fanaovana vaksiny teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana
🔷Dinikasa niarahana tamin’ireo mpandraharahan’ny Fonja eny Antanimora izay notarihan’Atoa Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP) sy ireo Tale mpiara-miasa aminy

⚖️ Fandraharahana ny Fonja
Dinikasa ho fanatsarana ny fomba fiasa

📌 Miova Andriana miova sata hoy ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja (DGAP). Ilaina ny manavao ary manatsara ny fomba fiasa. Nanao dinikasa tamin’ireo mpandraharahan’ny fonja eny Antanimora ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahan’ny Fonja androany 15 Martsa 2022. Nanome toromarika sy fomba fiasa vaovao ho fanatsarana ny tontolon’ny Fandraharahan’ny fonja ny DGAP sy ireo Tale izay niaraka taminy teny mba hametrahana amin’ny toerany ny haja mendrika ny fandraharahana ny fonja.

👉 D.I.P na « Discipline, Intégrité et Professionnalisme » no tokony hitondrana ny asa hoy izy ka nametraka izy mba hanaja hatrany ny asa, hanaja ireo lehibe, handray andraikitra amin’ny asa, hiara hiady amin’ny kolikoly (fa mampahantra ny Firenena izany), hamita hatrany ny tatitra amin’ireo lehibe isan-tsokajiny, hampiseho ihany koa fa mahavoafehy tsara ny asa. Antanimora hoy izy no atao fitaratra izao.

💡 Mitondra fanazavana Atoa Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga,

Posted in Autres Evenements

Fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra

📸Pejy an-tsary 14 Martsa 2022
🇲🇬Fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra

Toy ny fanao isaky ny Alatsinainy ho fanomezam-boninahitr­a ny firenenena sy hanombohana ny herinandro dia nanatrika ny fananganan-tsaina ny mpiasan’ny Ministera. Nandritra ny fandraisam-pitenenan­a dia nampatsiahy ny Sekretera Jeneraly izay nisolo tena ny Minisitry ny Fitsarana mpiosolo toerana, fa tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny asa fa mitohy hatrany ary tokony hanaja hatrany ny lera fiasana. Ny dokotera eto amin’ny Ministera dia nampandre fa hisy indray ny fanaovana vaksiny eto amin’ny Ministera rahampitso Talata 15 Martsa 2022 ho an’izay vao hanao izany sy ireo hanao ny « 2e na 3e dose » ⚖️