Posted in Autres Evenements

Fanambarana am-pahibemaso nataon’ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa.

⚖️ FANAMBARANA AM-PAHIBEMASO NATAON’NY FITSARANA ARA-BOLA FIANARANTSOA
➡️ Ny Andininy faha-15 ao amin’ny Fanambarana ampahibemaso ny Zon’Olombelona t@ taona 1789 dia milaza fa: “Ny Fiaraha-monina dia manan-jo hahafantatra izay nampiasana ny volany eo anivon’ny fiainam-pirenena”.

📌 Ho fanatanterahana ny Politikan’ny Fanjakana foibe amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny “FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA” dia nidina ifotony tao Manakara, Faritra Fitovinagny, ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa (Tribunal Financier de Fianarantsoa) nanatontosa ny fampahafantarana ny tatitra am-pahabemaso 2021 mahakasika ny fanaraha-maso nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty (Cour des Comptes). Izany dia notanterahana ny 28 aprily 2022 tao amin’ny « Hotel Les Délices ».

✅ Nasongadina nandritra izany tatitra izany ireto teboka manaraka ireto :

⭐ Ny tatitra ampahibemaso 2021 an’ny Fitsarana momba ny kaonty :
🔷 Ny fanaraha-maso ny vola miditra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany mankany amin’ny vondrom-bahoakam-paritra ;

🔷 Ny andraikitra tan-tsoroka :
👉 Fanaraha-maso ny « Projet d’Appui à la Compétitivité Economique (PACE) » ;
👉 Fanaraha-maso ny fitsirihana ara-kaonty sy ara-bola ny « Projet d’Aménagement du Corridor et de facilitation du commerce (PACFC) » ;
👉 Fanaraha-maso ny asa fanamarinana ireo tondron’ny « Projet d’Appui de Performance du Secteur Public (PAPSP) » ;
👉 Fanomezana tolo-kevitra ny fahefam-panjakana ;
👉 Fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tolo-kevitra mahakasika ny AUGURE ;

⭐ Tatitry ny asa nataon’ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa ;
⭐ Fampahafatarana ny andraikitry ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ara-bola.

Ankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola nahafahana nanao ny tatitra tany ifotony, dia ny « INTOSAI Developpement Initiative » na IDI izay vatsian’ny Vahoaka Amerikana @ alalan’ny Fandaharan’Asa USAID.

Posted in Autres Evenements

Fivorian’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Fandraharahana ny Fonja.

📸 Pejy an-tsary 06 Mey 2022.

⚖️ Nontontosaina ny 05 sy 06 Mey 2022 ny Fivorian’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Fandraharahana ny Fonja (Conseil Supérieur de l’Administration Pénitentiaire na CSAP) tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Notarihan’ny filoha lefitra, ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja Andriamatoa RAFALY Omega Iramanjafinimalo ny fotoana.

📌 Fotoana hahafahan’ireo mpikambana ao anatiny mandinika ny fivoaran’ny asan’ny mpandraharaha ny fonja eraky ny Madagasikara; ao ihany koa no hijerevena akaiky ireo fanatsarana tokony hoentina amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja.

Posted in Autres Evenements

ATRIKASA FIJERENA IREO FANDANIANA NY VOLA NATOKANA HO AN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.

📸 Pejy an-tsary 05 Mey 2022.

⚖️ Atrikasa fijerena ny fandaniana ny vola natokana ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana. Notohanan’ny Mpiara-miombon’antok­a AFD (Agence Française de Developpement) amin’ny alàlan’ny PAJMA (Projet d’Appui à la Justice à Madagascar), izay natao tao amin’ny Carlton Anosy.

📌 Notontosaina androany 05 Mey 2022 tao amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa izay nijerevana ny fandaniana an’ireo vola natokana ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana ho fampandehanana ny raharaha, izay niarahana tamin’ireo mpanohana ara-bola AFD – Agence Française de Développement amin’ny alalàn’ny PAJMA na “Projet d’Appui à la Justice à Madagascar”.

➡️ Voatsonga tamin’izany fa dia tsy ampy ary azo atao hoe mihafy ihany ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny fampandehanan-drahar­aha, na eo anivon’ny Fandraharahana ny fonja izany na ny lafin’ny Fitsarana. Maro ny zavatra voaresaka na dia tao anatiny taona vitsy aza no nanaovana ny fandinihina.

💡 Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah miaraka amin’ny resaka mahakasika ilay raharaha volamena.

Posted in Autres Evenements

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY FENOARIVO ATSINANANA MIDINA IFOTONY.

⚖️ FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY FENOARIVO ATSINANANA MIDINA IFOTONY.

📌 Nidina ifotony tany amin’ny kaominina Ambanivohitra Ampasimbe Manantsatrana, distrika Fenoarivo Antsinanana ny Lehiben’ny Fampanoavana ny 04 May 2022 niaraka tamin’ny Lehiben’ny Fileovana Fenoarivo Antsinanana manoloana ny raharaha halatra lavanio sy fividianana lavanio mbola tsy matoy.

✅ Nampahafantarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny lavanio sy ny sazy miandry ireo olona nanao fandikan-dalàna. Nasaina tamin’io fotoana io ny Ben’ny Tanàna sy ny sefom-pokontany.

⭐ Mbola hitohy any amin’ny faritra maro amin’ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Fenerive Antsinanana ity hetsika ity.

Posted in Autres Evenements

FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOLOANA NY HERISETRA MIANJADY AN’IREO OLONA VARIRA.

⚖️ FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOLOANA NY HERISETRA MIANJADY AN’IREO OLONA VARIRA.

✅ Notanterahina tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana androany 04 Mey 2022 ny fivoriana fikaonan-doha voalohany nandinihana ny herisetra mianjady amin’ireo olona varira eto Madagasikara izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo mpisehatra momba ny zon’olombelona eo anivon’ny firenena mikambana.

➡️ Nandray anjara tamin’izany ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Ministeran’ny Mponina ary ny Zandarimariam-pirene­na. Nampitaina tamin’ireo mpisehatra ny fomba fiseho sy ny mety ho anton’ny herisetra mahazo ity vondron’olona ity. Nodinihina ihany koa ny hiarovana ny zon’izy ireo. Nanatrika ny fikaonan-doha ary nampita hafatra tamin’ny alalan’ny visioconférence ny mpanao tatitra manokana mikasika ny zon’ny olona varira.

💡 Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.