Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pahefana

⚖️ Fifamindram-pahefana.

➡️ Tontosa androany 03 Jona 2022 teto Ankorahotra ny Fifamindram-pitantanana teo amin’ i Ramatoa RASOLONANAHARY Vololoniaina, Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahintsiana (Directeur de la Promotion de l’Intégrité) teo aloha izay voatendry ihany koa ho Mpandrindra ny Birao misahana ny Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination, de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires), sy Andriamatoa RAZAFINJATOVO Meloniaina Herizo Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahintsiana (Directeur de la Promotion de l’Intégrité) vaovao.

Posted in Autres Evenements

Fandinihana volavolan-dalàna tao amin’ny Antenimieram-pirenen­a Tsimbazaza.

📸 Pejy an-tsary 23 Mey 2022.

Fandinihana volavolan-dalàna tao amin’ny Antenimieram-pirenen­a Tsimbazaza.

Posted in Autres Evenements

FIOFANANA FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO

FIOFANANA FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO.

📌 Natomboka ny 17 may 2022 teto Fianarantsoa ny fiofanana mitohy ho an’ny « Inspecteurs de l’Administration Pénitentiaire » (IAP). Ny tanjona amin’izany fiofanana izany dia ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo eo amin’ny asany. Haharitra efatra (04) andro ny fiofanana dia ny 17, 18, 19 ary 20 mai 2022.

✅ Misy loha-hevitra roa lehibe ho dinihina dia ny :
➡ Fanaraha-maso ny fitanana am-ponja. (contrôle de la détention)
➡ Drafitra maty paika hiatrehana ny voina ho an’ny Fonja. (Plan Opérationnel d’Intervention d’un Etablissement Pénitentiaire)

🔱 Ny mpandray anjara amin’izany fiofanana izany dia ny « Inspecteurs de l’Administration Pénitentiaire » miasa eo anivon’ny Foiben’ny Fandraharahana ny Fonja Antananarivo sy ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra amin’ny tapany atsimon’ny Nosy dia Menabe, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Antsinanana, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anôsy.

⭐ Izao fiofanana izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Projet d’Appui à la Justice à Madagascar (PAJMA) izay vatsian’ny Agence Française de Développement (AFD) ara-bola. Izany fiaraha-miasa izany dia miompana indrindra amin’ny fanohanana ny Fandraharahana ny Fonja amin’ny andraikitra :
➡ Fanamafisana ny fandriam-pahaleman’ny fonja. (sécurisation des Etablissements pénitentiaires)
➡ Fanajana ny zo maha-olona eo anivon’ny fonja. (humanisation de la détention)

✅ Ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja sy ny ekipan’ ny PAJMA no nanomana sy nanatontosa izao fiofanana izao.

Posted in Autres Evenements

Famaranana ny fiofanana fanaovazana ny lafiny serasera sy ny fifandraisana .

📸 PEJY AN-TSARY 18 MEY 2022
⚖ Famaranana ny fiofanana fanaovazana ny lafiny serasera sy ny fifandraisana .
✅ Nifarana anio 18 Mey 2022 tao amin’ny tranom-pivorian’ny PAJMA eto Anjohy ny fampiofanana ireo olona izay hikirakira sy hisehatra ny lafiny serasera sy fifandraisana eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.
📌 Efatra andro anio no nanaovana ny fiofanana ary mpampiofana matihanina avy amin’ny « International Consulting Expertise« , R/toa Elise DAUBELCOUR no nanatanteraka izany, ary ny PAJMA no angady nananana sy vy nahitana ity fiofanana ity .
Posted in Autres Evenements

Fampiofanana ireo mpiandraikitra ny serasera eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

📸 Pejy an-tsary 11 Mey 2022.

Fampiofanana ireo mpiandraikitra ny serasera eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Fampiofanana izay maharitra 4 andro ary tohanan’ny PAJMA.