Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pahefana.

📸 Pejy an-tsary 23 Jona 2022.

🔱 Fifamindram-pahefana.

⭕ Notanterahina androany maraina teto amin’ny foiben’ny BCCJEP Ankorahotra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Talen’ny Fitsirihina ny Fandraharahana ny Fonja na “Directeur de l’Inspection Pénitentiaire” (DIP) teo aloha , A/toa IRAMANJAFINIMALO RAFALY Omega sy ny Tale vaovao, A/toa ANDRIANASOLO Haja Lalaina Elià, “Inspetceur d’Administration Pénitentiaire”.

Posted in Autres Evenements

Sosialin’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Fitsarana Foibe.

📸 Pejy an-tsary 22 Jona 2022.

⭕ Ho fanamarihana ny fitsanganana ara-panjakana ny Sosialin’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Fitsarana Foibe (SMM2F) dia tonga nanatitra ankanjo ho an’ireo voafonja teny @Fonjaben’Antanimora­ ny solontenan’ny mpikambana mba ho fanampiana an’ireo voafonja amin’izao ankatokin’ny fetim-pirenena izao.

Posted in Autres Evenements

Fivoriana faharoan’ny Komitin’ny Fitantanana ny Fandaharanasa Fanohanana ny Sehatry ny Fonja Malagasy « FANARENANA »

📸 Pejy an-tsary 14 Jona 2022

  Fanohanan’ny firenena Frantsay, amin’ny alalan’ny AFD (Agence Française de Développement) ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny fiarahamonim-pirenena mahakasika ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo voafonja, ny famerenana azy eo anivon’ny fiaraha-monina ary ny zava-misy iainan’ny mpiasan’ny fonja eto Madagasikara amin’ny sehatry ny asa.

👉 Notanterahina androany 14 Jona 2022 tato amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fivoriana faharoan’ny Komitin’ny Fitantanana ny Fandaharanasa Fanohanana ny Sehatry ny Fonja Malagasy « FANARENANA », notarihin-dRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana RABY Savatsarah Gabrielle. Ity fihaonana ity dia nahitana ny fandraisa’anjaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny fonja foibe sy ny isam-paritra, ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena, ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka, ary koa ny fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena izay arafitr’ireo tompon’ny tetikasa. Ity fandraisan’anjara ity dia manatanteraka ny fifampidinihana napetraka ao amin’ny FANARENANA, miaraka amin’ireo ministera hafa voakasik’izany.

➡ Niompana indrindra tamin’ny fankasitrahana ny hetsika natao hatramin’izay sy ny famaritana ny paikady hironana ary ny fomba fijery ho an’ny tapany faharoa amin’ny taona ny fandaharam-potoana.

Tatitra COPIL FAMERENANA 2022

Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pahefana.

📸 Pejy an-tsary 09 Jona 2022.

⚖ Fifamindram-pahefana.

➡️ Taorian’ny fanendrena an’Andriamatoa BEGARA Etienne ho Talen’ny Fampivoarana ny Famokarana eny anivon’ny Toby (Directeur de la Promotion de la Productivité des Camps Pénaux), dia notontosaina androany 09 Jona 2022 tao amin’ny biraon’Andriamatoa RAKOTOMALALA Aina Tantely, Talen’ny maha olona sy ny famerenana ny voavonja eo anivon’ny fiaraha-monina (Directeur de l’Humanisation de la Détention et de la Préparation à la Réinsertion Sociale) eto Faravohitra ny famindram-pitantanana ny Sampandraharahan’ny Asa, Tombim-pamokarana ary ny Sakafo (Service des Métiers des Camps Pénaux et de l’Alimentation) izay tarihin’Andriamatoa ANDRIANOELIMANANA Ny Aina Mamy. Ka manomboka izao dia hotantanan’ny Fitaleavan’ny Fampivoarana ny Famokarana eny anivon’ny Toby ity Sampandraharaha ity.

Posted in Autres Evenements

Fankalazana ny faha-5 taonan’ny fikambanana mpanao Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja.

📸 Pejy an-tsary 04 Jona 2022.

🥋Fankalazana ny faha-5 taonan’ny fikambanana mpanao Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja.

🎉Tontosa anio 04 Jona 2022 ny fankalazana ny faha-dimy taonan’ny mpiangaly ny haiady Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny fonja. Tao amin’ny trano malalaky ny E-media Ampasanimalo izany.

⭐Nanasa ireo mpiangaly haiady hafa eo anivon’ny Fandraharana ny Fonja tahaka ny Kung-Fu sy ny Kick boxing ary koa ny mpiangaly haiady karate avy amin’ny Antenimierampirenena­.

🔱Tonga nanome voninahitra sy nisolotena ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja ny Tale mpiandraikitra ny fiarovana ny Fonja (DSEP) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.