Posted in Autres Evenements

Fihaonan’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, R/toa RAKOTOARIVONY Marie Annick tamin’ny mpanao gazety.

⚖ Misokatra ho an’ny rehetra ny fampanoavana ary tsy handoavam-bola ny raharaha rehetra atao eo anivony.

📌Raha toa ka misy ny mitaky vola dia aoka tsy hatahotra fa hitoroka ireo izay sahy minia manao izany.

✅Hiady amin’ny kolikoly sy ny tamban-jotra mpanao izany, ary hanatratra ireo mpijirika sy mpisoloky izay manaratsy endrika ny Fitsarana sy ny Fampanoavana.

➡Nitondra fanazavana momba ny vaovao tsy marina miely etsy sy eroa mahakasika ny fametrahana fitarainana ihany koa ny Tonia Mpampanoa lalàna (Procureur de la République ), R/toa RAKOTOARIVONY Marie Annick. Nanamafy izy fa mandray ny fitarainana « plaintes » rehetra ny Fampanoavana , ary efa napetraka ny rindran-damina hanamorana izany.

🎤Ireo no nivoitra tamin’ny valan-dresaka nifanaovana tamin’ny mpanao gazety.

Posted in Autres Evenements

ATRIK’ ASA FAMPIOFANANA.

🔱 MPANDRAHARAHA NY FONJA.

📌 Nanomboka anio 4 jolay 2022 eto amin’ ny renivohitry Vakinankatra ny atrik’ asa fampiofanana ireo mpampiofana (formation des formateurs ) ao amin’ ny Sekolim-pirenen’ ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) Antetezambaro Toamasina II.

⭕ Tanjona lehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ireo mpampiofana eo amin’ny lafiny fanomanana sy fanatanterahana fiofanana.
⭐ Lohahevitra dimy no harahina mandritra ny dimy andro:
👉ny fanofanana olon-dehibe,
👉ny fanomanana fiofanana,
👉ny fitondrana fiofanana,
👉ary ny fampivoarana ho an’ ny tsirairay (développement personnel ).

➡ Ireo mpampiofana avy ao amin’ ny « Centre Régional de l’Institut de la Formation Pédagogique » Antsirabe izay tarihin’ A/toa ANDONIRINA Miharivola Tahinasoa, Lehiben’ ny CRINFP sy ny Tale Jeneralin’ ny ENAP, IAPC RAZAFYNTSALAMA Désiré no mizara ny traik’ efa mandritra izany atrik’ asa izany.
🔹Ary araraotina ihany koa izao hanaovan’ ireo mpampiofana avy any amin’ny ENAP hanao fitsidihana ny Sekolim-pirenena ho any “Inspecteurs sy Agents de Police” eto Antsirabe .
✅ Manohana ny fanatanterahana izao atrik’ asa izao ny tetik’ asa PAJMA izay vatsian’ ny Agence Française de développement (AFD) ara- bola. Antenaina fa hampitombo ny fahaiza-manaon’ ireo mpiofana izao atrik’asa izao hanatsarana hatrany sy hahamatianina bebe kokoa ny fampiofanana ao amin’ ny ENAP.

Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Hamaranana ny lohahevitra mikasika ny FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » dia indro entina amintsika indray ny mahakasika ny paikady arahina eny amin’ny Fitsarana.

🔹 PAIKADY :
👉 Fangatahana ataon’ny fianakavian’ilay zaza eo anatrehan’ny Fitsarana mba hanendry izay ho mpiahy ilay zaza na zatovo,
👉 Fananganana ny filan-kevitry ny fianakaviana na « conseil de famille » ahitana ireo mpikambana voafidin’ny Filohan’ny Fitsarana na ny mpitsara misolo azy avy amin’ireo havana na havan’ireo ray sy renin’ny zaza na koa ireo namana, mpifanolo-bodirindrina na olona hafa izay mety liana amin’ilay zaza,
👉 Fifidianan’ny filan-kevitry ny fianakaviana na fanendreny izay ho mpiahy ilay zaza mandritra ny fotoana izay anaovana ny fiahiana.

🔹 AZO SOLOINA VE ILAY MPIAHY AMPERIN’ASA ?
👉 Eny, raha toa ka misy toe-java-misy manokana sy mafonja ilàna izany fanoloana izany na koa hita fa mifanohitra tanteraka ny tombontsoany sy ny an’ilay zaza.

🔹 RAHOVIANA NO MITSAHATRA NY FIAHIANA ? :
👉 Raha toa ka manambady ilay zaza na zatovo satria ny fanambadiany dia manome azy fizakan-jo feno sy ara-dalàna,
👉 Rehefa feno 21 taona ilay zaza na zatovo.

Posted in Autres Evenements

Fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny COPIL na « Comié de pilotage.

📷 Pejy an-tsary 30 Jona 2022.

⚖ Fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny COPIL na « Comié de pilotage » an’ny Tetikasa Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara na Projet d’Appui à la Justice Malgache (PAJMA) izay natao tato amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana ary notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.

Posted in Autres Evenements

FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA TAO AMIN’NY FARITRA ITASY.

⚖️ FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA TAO AMIN’NY FARITRA ITASY.

📌 Tontosa tao Miarinarivo ny 22 sy 23 jona 2022 sy tao Arivonimamo ny 24 jona 2022 lasa teo ny fanapariahana lalàna sy paik’ady ara-pitsarana notanterahin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives) ho fanatanterahana ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana hoe « Fitsarana manakaiky vahoaka ».
Tetik’asa izay notohanan’ny PAJMA.

🔷 Anisan’ny nisitraka izany ireo Ben’ny tanàna sy ny lefiny, ireo lehiben’ny boriborintany sy ireo mpitantsoratry ny sora-piankohonana ao amin’ireo Kaominina miisa 53 mandrafitra ireo Distrika 3 (Soavinandriana, Miarinarivo ary Arivonimamo) ao anatin’ny Faritra Itasy, fa indrindraindrindra ireo mponin’i Miarinarivo sy Arivonimamo.

➡ Ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mikasika ny fiankohonana, ny lalàna laharana vaovao laharana 2019-008 tamin’ny 16 janoary 2020 momba ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy, ny manodidina ny fandovana sy ny fananan-tany ary ny paik’ady arahina eo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana no anisan’ny lohahevitra novelabelarina tamin’izany.
Tanjona amin’izany rehetra izany moa dia ny hahalalan’ny vahoaka ireo lalàna vaovao eto amin’ny tany sy ny Firenena fa indrindra ihany koa ny hahafantaran’izy ireo ny mikasika ny paik’ady eny anivon’ny Fitsarana mba tsy hahatompotrano mihono an’ireo izay manandraharaha.

⭕ Mitohy ny ezaka izay ataon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (DERL) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ka toerana maro samihafa no mbola hisitraka izany fidinana ifotony izany amin’ity taona ity.