Posted in Autres Evenements

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

✅ FANATSARANA NY FOMBA FIASA:
📌 Tonga nampivory ireo Mpitsara sy Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy anio 29 Jolay 2022 ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Birao Fandrindrana sy Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP) izay notarihan’ny Mpandrindra R/toa RASOLONANAHARY Voloniaina.

⭕Fanatsarana ny fomba fiasa sy fihainoana ny olana sedraina sy hita eo amin’ny fanantaterahana ny asa.
Teboka maromaro no nodinihana tamin’izany:
– Fanarahamaso ny fampiharana ireo toromarika avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny fampatsiahivana ireo “Circulaires”
– Fampahatsiahivana ny tokony hanarahana ny “Standard de Service »
– dinika arak’asa hitadiavana vahaolana hampihena ny fanemorana ny raharaha ho tsaraina
– fampahafantarana ny fomba fiasan’ny Fitaleavana miadidy ny Fanarahamaso ireo Fitsarana na DIJ rehefa mandray fitarainana (doléances)
– Fitadiavana vahaolana mikasika ny tsy fahatomombanana hita mandritry ny fitsirihana natao tamin’ny volana mey 2022.

Posted in Autres Evenements

Atrik’asa fanohizana ny fanatsarana ny fampianarana.

⚖ ENMG (Sekolim-pirenena fanofanana mpianatra ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha).

🔷 Atrik’asa fanohizana ny fanatsarana ny fampianarana.

📌 Notontosaina anio 28 jolay 2022 tao amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano ny dingana fahatelo ny amin’ny hampidirana ny taranja mahakasika ny « Ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny zava-boary arovana sy ny zava-manan’aina dia » ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra ho mpitsara. Izany dia nahitana ny fandraisana anjara ny WWF, BIANCO sy ireo manam-pahaizana manokana mahakasika io lohahevitra io.

⭐ Izao ezaka fanatsarana ny fandaharam-pianarana ho an’ny mpianatra ho Mpitsara izao dia tsy tontosa raha tsy nisy ny fanohanana avy amin’ny vahoaka Amerikana (USAID).
Ity dingana manaraka tontosaina anio ity dia natao indrindra andraisana ny soson-kevitra fanatsarana izay naroson’ireo mpandray anjara maro samihafa.

⭕ Volavolam-pandaharam-pianarana mifanandrify amin’ny lohahevitra izay voalaza etsy ambony, handraisana ireo mpianatra andiany faha-2022, no vokatra azo tao aorian’ny atrik’asa.

Posted in Autres Evenements

FANATSARANA FOMBA FIASA MIARAKA AMIN’IREO HOLAFITRY NY MPISOLO VAVA.

📌 Tafiditra tanteraka anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Minisitry ny fitsarana ankehitriny ny fanamorana ny fanatonana ny fitsarana na ny « accès à la justice ». Notontosaina androany 27 jolay 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny fihaonana teo amin’ny solotenan’ny Ministeran’ny fitsarana izay notarihin’ny Tale jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana ary ny fanavaozana (DGAJER), Ramatoa RAKOTONDRAJERY R. Salohy niaraka tamin’ ireo mpiara miasa aminy andaniny sy ny Holafitry ny Mpisolo Vava, notarihan’ny Lehiben’ny Holafitry ny Mpisolo vava, Me Alain RAONDRY sy ireo mpikambana ao amin’ny Filan-kevitry ny Holafitra ankilany.

➡ Ny fifanakalozana natao no nampivoitra ny fitoviam-pijery teo amin’ny roa tonta ny tokony hahamatihanina misimisy kokoa ireo mpiasan’ny fitsarana amin’ny fanajana ny zon’ireo manandraharaha eny anivon’ny fitsarana sy ny faneken’ny holafitry ny mpisolo vava ny ho fandaminana izay ho avoaka amin’ny alàlan’ny fenitra amin’ny fanatanterahana ny asa na ny « standard de service  » izay ho apetraka hanankery eny anivon’ny fitsarana manerana ny Nosy. Izany no ho atao dia ny hisitrahana mitovy ny tolotra omen’ny sapandraharaham-pitsarana na ny « service public de la justice « .

⭕ Marihana moa fa anisan’ny teboka nodinihana nandritra ny « Symposium des Magistrats » rahateo ny tsy fahatomombanana eny anivon’ny seha-pitsarana izay misy andraikitry ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny Fitsarana na io Mpitsara, na Mpiraki-draharaha, na Mpisolo vava, na Vadintany, na Mpahay, na Mpikaroka ny fandikan-dalana na ny manan-draharaha eny @ Fitsarana…

✅Teboka maro no nifanakalozana ka anisan’ny tapaka tamin’izany ny tokony ametrahana Komity hanaramaso ny fanajana sy fanatanterahana ireo vahaolana miankina amin’ny roa-tonta. Izany Komity izany moa dia tsy hoe rafitra hiteraka fandaniana akory fa lamina avy @ finiavan’ny roa-tonta ho fampandehana antsakany sy andavany ny asam-pitsarana. Hifanome tanana misimisy kokoa manomboka eto ny Holafitry ny Mpisolo vava sy ny Ministeran’ny Fitsarana mba hanatanterahana ireo fanatsarana ezahana apetraka.

Posted in Autres Evenements

ENMG (Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha).

📌 ATRIK’ASA FANATSARANA Ny FAMPIANARANA:

➡Ho fanohizana ny lahadinika hampidirana ny taranja mahakasika ny “ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny zava-boahary arovana sy ny zava-manan’aina dia” ao anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ireo mpianatra ho Mpitsara dia notontosaina anio 21 jolay 2022 tao amin’ny hotely Ibis ny fakan-kevitra ireo solotenan’ny mpitsara eto an-Antananarivo.
⭐ Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Sekoly fanofanana mpianatra ho mpitsara sy mpiraki-draharaha, ny WWF sy ny BIANCO ary mifandray indrindra amin’ny vinan’ny Sekoly hanavao sy hanatsara ny fandaharam-pianarana ho an’ny mpianatra ho mpitsara izao atrik’asa notanterahana anio izao.
Raha tsiahivina dia efa nisy ny dingana voalohany tamin’ny 6 jolay 2022, izay nahitana ny fandraisan’anjara ny mpiara-miasa rehetra tao amin’ny Departemant misahana ny fanofanana ny mpianatra ho mpitsara (DFIM).

✅ Ity dingana manaraka tontosaina anio ity dia miompana indrindra amin’ny fanangonana ny soson-kevitra fanatsarana izay naroson’ireo mpandray anjara misehatra mivantana sy miaina ny zava misy marina eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana.
Volavolam-pandaharam-pampianarana sy famaritana ny dingana manaraka hanatrarana izany tanjona izany no vokatra azo tao aorian’ny atrik’asa.

Posted in Autres Evenements

Atrikasa Fikaonan-doha.

⚖ Atrikasa Fikaonan-doha.

📌Nosokafana anio Alakamisy 07 Jolay 2022 teto amin’ny Hotel Splendide Toamasina ny “Atrikasa fikaonan-doha ho fampitoviana ny fanasaziana ny halatra lavanio”.

➡ Misy fihatraikany mivantana amin’ny toe-karena ny famokarana sy fanondranana lavanio, ary anisan’ny voalohan’ny loharanom-bola vahiny ho any fanjakana Foibe. Misy Koa ny fandikan-dalàna ka izay indrindra no hifantohan’ny laha-dinika mandritra ny roa andro, izay hiarahan’ny solontenan’ireo Minisitera voakasik’izany ( Fitsarana, Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, Filaminam-bahoaka, Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, fambolena sy fiompiana ary Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena).

⭕Haharitra roa andro ny atrikasa ary hifarana rahampitso 08 Jolay 2022.

✅ Ny PNUD no angady nanana sy vy nahitana nahataterahana izao atrikasa izao.
🎥🎤Atolotra anao ny fanazavana nentin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah sy ny Goverinoran’ny Faritra Atsinana,A/toa RAFIDISON Richard tamin’ny mpanao gazety.