Posted in Autres Evenements

Famonoan’olona sy fakana an-keriny tao an-jozorobe.

Ho tohin’ny fivoriana nataon’ny OMC izay notarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta momba ny fandriam-pahalemana dia nanatanteraka fidinana sy fanadihadiana ifotony tany Anjozorobe ny Tonia Mpampanoa Lalàna, ny Solon’ny Tonia, ny Zokiolon’ny Mpitsara Mpanao Famotorana ary ireo Mpitsara mpanao famotorana avy ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo.

Nisy noho izany ny angom-baovao azo taorian’izany, ka nahafahana nisambotra jiolahy sy tompon’ andraikitra ary olona maromaro: toy ny Ben’ny tanàna maromaro sy lefitry ny sefo fokontany iray izay voasaringotra nohon’ny fampiantranoana, fanomezana sakafo sy vaovao ireo dahalo. Tao ihany koa ny polisy sy zandary am-perin’asa sy misotro ronono ary miaramila. Izy ireo indray dia voarohirohy ho namatsy basy sy fitaovam-piadiana ho an’ireo jiolahy.

️ Niakatra fampanoavana androany ireto farany ary notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy.

Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fidinana ifotony satria maro ireo mpanao ratsy mbola karohina.

Posted in Autres Evenements

Camp Pénal Mahandraza Antsirabe.

📌 Ny 15- 16 Mai 2024, nanatanteraka fiotazam- bokatra ny Fitaleavam-paritry ny fandraharahana ny fonjan’ny Vakinankaratra (DRAP).

🚜 Tamin’ny velaran-tany sivy (09) hektara dia ny valo (08) tamin’ireo no voavoly, ary azo lazaina fa tsara ny vokatra raha ity taona 2024 ity no ho resahina.

📊 Velaran-tany 8ha
Vary: _________________4ha
Katsaka: ______________3ha
Hazo fihinamboa: ______1ha

📊 Vokatra niakatra:
Vary akotry : _______6T 200 kg
Katsaka: ____________3T 400 kg

🎯 Ny vokatra dia hatao sakafon’ny voafonja sy masomboly ho amin’ny taom-pambolena manaraka.

⚙️ Satria ho volena avokoa ny velaran-tany rehetra ao Mahandraza Antsirabe ny vanim-potoam-pambolena lehibe 2024-2025 ka hanitatra any amin’ny « camp pénal » hafa any Mandoto ny DRAP Vakinankaratra.

🔖 Mahakasika ny fambolen-kazo tamin’ny volana martsa 2024 farany teo iny dia nisy ny toromarika nomen’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny hanaovana fanaraha-maso sy fikarakarana akaiky ireo zanakazo novolena.

🌱 Hazo natsatoka : 300 fototra (paiso, paoma, poara, kaki, avocat)
🌿 Hazo naniry : 300 fototra

Posted in Autres Evenements

Fampiofanana ny Mpitsara teto Antananarivo.

📌 Alarobia 15 hatramin’ny Zoma 17 mey 2024, teto Antananarivo, no notontosaina ny fampiofanana ny Mpitsara mikasika ny lohahevitra «Ady amin’ny kolikoly sy amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny biby sy ny zavamaniry-dia» (Lutte contre la corruption et contre le trafic des espèces sauvages).

📚 Fiofanana izay nokarakarain’ny Sekolim-Pirenena Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG).
Ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo, ao Toamasina ary ao Mahajanga ; ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Iadiana amin’ny kolikoly eto Antananarivo sy ao Mahajanga ; ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana manokana mikasika ny fanondranana ny bois de rose sy bois d’ébène ; ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, ao Toamasina, ao Mahajanga, ao Maroantsetra no mpandray anjara nandritra ny fiofanana.

🎯 Ny tanjon’ny fampiofanana ny ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitsara mikasika ny fanenjehana, ny famotorana ary ny fitsarana ny raharaha mikasika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny biby sy zava-maniry-dia. Natao ihany koa ny fampiofanana mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asam-pitsarana.

⏳ Andiany voalohany ity notontosaina ity fa mbola hisy fiofanana mikasika io lohahevitra io ihany amin’ny faritra hafa izay atao tsy ho ela.

🐼 Tontosa izao nohon’ny fanohanana ara-bola sy ara-teknikan’ny World Wildlife Fund (WWF) sy USAID.

Posted in Autres Evenements

Appel à Candidatures, Pôle Anti-Corruption d’Antananarivo et Mahajanga.

AC

Posted in Autres Evenements

Fananganan-tsaina.

📌Alatsinainy 06 May 2024, ho fanomezam-boninahitra ny firenena dia nanatanteraka fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, ny mpiara-miasa rehetra. Nitarika ny fotoana, nisolo tena ny Minisitry ny Fitsarana, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana RARIVOJAONA Émile Andrianirina.

⭕Tao anatin’izany no nitondrany ny fialan-tsinin-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, nohon’ny andraikitra hafa sahaniny, amin’ny maha Minisitry ny Mponina mpisolo toerana azy.

➡️Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa, nahazo fiofanana sy fanampian’ny Ministeran’ny Fitsarana, amin’ny resaka « logistique » ny PSRMV.

➡️Mahakasika ireo « Task force 50 000 jugements correctionnels » dia nanao fanentanana, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana Mpisolo toerana, ny tsy hiandrasana baiko, fa mba samy handray ny andraikitra mifanandrify ny asany ny tsirairay.

➡️Nasiany resaka ny mahakasika ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana (sécurité) eny anivon’ny fonja. Tsy adinony ihany koa ny nampatsiahy ny fampiasana sy ny fanantanterahana ireo drafitr’asa (…, carnet de suivi) napetraky ny Ministera.