Posted in Autres Evenements

ENAP Antetezambaro Toamasina II.

➡ Jiro “lampadaires” mandeha amin’ ny herin’ ny masoandro miisa 15 no natolotry ny Ministeran’ ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) ho an’ ny Sekolim-pirenen’ ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP ) Antetezambaro Toamasina II.

➡ Fanolorana tranom-boky ho an’ny Fonjaben’ny Tsiafahy avy amin’ny “Association MADAGASIKARA NAMAKO” sy fitsidihana tsotra notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana Rtoa RABY Savatsarah niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja sy ireo mpiara-miasa aminy.

Posted in Autres Evenements

Porte Ouverte/Copie & CIN.

👉 Fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny Hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karampanondrom-piren­ena maimaimpoana teto amin’ny distrikan’i Toamasina I, ny 28 septembra 2022. Tonga nanokatra izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena­, R/toa Naharimamy Irmah sy ny loholon’i madagasikara Voafidy taty @ faritany Toamasina, A/toa Manasoa Donnat Tang, ny goveroran’ny faritra Atsinanana, ny préfet sy ny bén’ny tananan’i Toamasina .

👉 Notanterahina ny Alarobia 28 Septambra 2022 ny varavarana misokatra (porte ouverte) tao amin’ny tokontanin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Mananjary. Nandray anjara tamin’izany ny tompon’andraikitra rehetra ao anatin’ny tontolon’ny Fitsarana (mpitsara, mpirakidraharaha, mpisolovava, vaditany, notary, mpandraharaha ny fonja).
Fampahafantarana ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny sy fitondràna fanazavana manoloana ny fanontaniana napetrak’ireo tonga namaly ny antso no tena tanjona tamin’izany. Izany no natao dia mba ho fanantanterahina ny politikan’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

Posted in Autres Evenements

Fiarovana ny zon’ireo olona tratran’ny “Albinisme”.

📌 Tonga nanao fitsidihana teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana tao amin-dRamatoa RABY SAVATSARAH , Sekretara Jenaraly, ireo solon-tena avy amin’ny « Association Albinos Madagascar ».

➡Niompana tamin’ny fiarovana ny zon’ireo olona tratran’ny « Albinisme » manoloana ny herisetra mianjady amin’izy ireo ny resaka. Manan-jo tahaka ny olom-pirenena rehetra izy ireo ary manana zo hiaina malalaka. Nangataka moa ireo solon-tena ny tokony hijeren’ny Minisitera politika famaizana faran’izay enjana ho an’ireo manao herisetra amin’ny olona tratran’ny « Albinisme. Manantena fiaraha-miasa akaiky amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka ireo olona tratran’ny « Albinisme » ireo hoy hatrany ny « Association Albinos Madagascar ».

Posted in Autres Evenements

HETSIKA FANOMEZANA KOPIA SY KARAMPANONDRO MAIMAIM-PAONA.

📌 Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karampanondrom-piren­ena ho an’ny olom-pirenena efa feno taona (18 taona) . Nosokafana anio Alarobia 28 septambra 2022 tamin’ny fomba ofisialy ny fanaovana izany teto amin’ny faritra Menabe ka teto Morondava no nanaovana izany.

⭐ Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo olo-manakaja maro eto Morondava, notarihan’ ny Préfet sy ny Gouvernora ary ny tale avy any amin’ny Minisiteran ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana­.

✅ Hita ho mavitrika ny olona satria maro no tonga hisitraka izany.
▪️46 ireo olona efa manana sora-pahaterahana nefa tsy nanana karam-panondrom-pirenena ka avy hatrany dia nisitraka izany,
▪️133 kosa ny olona vao nanaovana « jugements supplétifs » ka raha atambatra izany dia olona 179 no nahazo karam-panondrom-pirenena ho an’ity andro ity sady avy hatrany dia voasoratra ao anaty lisi-pifidianana.

Posted in Autres Evenements

SEKOLIM-PIRENENA MPANOFANA HO MPANDRAHARAHAN’ NY FONJA (ENAP).

🔷FITSINJOVANA NY FAHASALAMANA.

📌Ny zoma 23 Septambra 2022 dia nanolo-tànana ny Sekolim-pirenena Mpanofana ho Mpandraharahan’ ny Fonja na “Ecole Nationale de l’Administration Pénitentiaire” ao Antetezambaro Toamasina II ny banky BOA Madagascar ka nanome fitaovam- pitsaboana sy fitaovam- piasana hoentina hampiodinana sy hanokafana toeram- pitsaboana vaovao.
➡ Tanjona apetraky ny ENAP ny fanatsarana hatrany ny fampiofanana. Vatana salama sy tomady anefa no afaka manaraka izany. Ka nametraka tanjona ny sekoly ny amin’ ny hanorenana toeram- pitsaboana hanarahana maso ny fahasalaman’ ny mpianatra sy ny mpampiofana raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Ny ENAP rahateo miorina 17 km miala an’ i Toamasina I.

🔴 Mitentina 15 818 354 Ariary izany fitaovana izany ary tonga nanolotra izany an’ Atoa Tale Jeneralin’ ny ENAP, IAPC RAZAFINTSALAMA Désiré sy ny mpiara-miasa aminy ireo tompon’ andraikitra avy ao amin’ny BOA Toamasina.

⭕Nisaotra azy ireo tamin’ny anaran’ ny Ministeran’ny Fitsarana ny Tale Jeneralin’ ny ENAP. Antenaina fa hanamora ny fandraisana an- tanana ny fitsaboana ny mpiofana ao amin’ny ENAP izany rehetra izany.