Posted in Autres Evenements

COMITE DE PILOTAGE DU PROGRAMME FANARENANA.

📌 Fivoriana faha-telo an’ireo mpikambana ao amin’ny “COMITE DE PILOTAGE DU PROGRAMME FANARENANA”
Notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga ny fivoriana .

➡️ Fijerevana ny tomban’ezaka sy ny fivoaran’ny asa eny anivon’ireo toerana hiasan’ny tetikasa FANARENANA no nisongadina nandritra ny fivoriana.

⭕ Ny tetikasa FANARENANA moa dia miompana ny amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja.
Tohanan’ny AFD na “Agence Française de Développement » amin’ny alalan’ny PAJMA ny tetikasa FANARENANA.

Posted in Autres Evenements

TATITRA AMPAHIBEMASO FITSARANA MOMBA NY KAONTY, FITSARANA TAMPONY.

📌 Manana zo ahafantatra sy ahalala ny fomba nandaniana
ny volam-panjakana ny vahoaka Malagasy.

➡️ Io no teny nentin’Andriamatoa RAKOTONDRAMIHAMINA Jean de Dieu, Filohan’ny Fitsarana Momba ny KAONTY raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy.
Fanadihadiana tamin’ny sehatra maro ary nangonina tao anaty tatitra no natao androany.

🎥 Arahinao ny laha-teny tamin’ny tafa sy dinika niarahana taminy.

PEJY AN-TSARY:

Posted in Autres Evenements

Fitsarana ady madio amin’ny alalan’ny Haitao ara-kajy Mirindra.

⭕ Miezaka hatrany ny Ministeran’ny Fitsarana manatsara ny fomba fiasa, ka miroso tsikelikely amin’ny fanavaozana ny fitantanana sy ny fikirakirana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy Mirindra. Voakasik’izao atrikasa izao manokana ny raharaha ady madio mba ho fanafainganana ny raharaham-pitsarana ary indrindra hiadiana amin’ny kolikoly. Ho voarakitra sy ho voahara-maso avokoa ny fikirakirana rehetra izay atao.
Vatsian’ny USAID sy PNUD vola amin’ny alalan’ny tetikasa « RINDRA ». Raha ny tetiandro dia afaka enim-bolana no afaka hampiasaina eny anivon’ny Fitsarana ny « LOGICIVIL » .

🎥🎤 Mitondra fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

📌 Fanafainganana ny raharaham-pitsarana ary ihany koa hiadiana amin’ny kolikoly no tanjona napetraka.

Posted in Autres Evenements

World Forum Convention Center

⭕ Tanterahina ao amin’ny World Forum Convention Center ao La Haye, renivohitr’i Pays-Bas nanomboka ny 5 hatramin’ny 10 desambra 2022 ny Fivoriambe iraisan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisam-pirenena (Assemblée des Etats Parties au Statut de Rome de la Cour Pénale Internationale).
📍 Nisolo tena ny Firenena Malagasy Atoa Omer BERIZIKY, Lehiben’ny Masoivohon’i Madagasikara ao Bruxelles sy ny mpiara-miasa aminy, Atoa RAKOTONAVALONA Ranary Robertson, Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony sy BELALAHY Hanitriniaina, Tale miandraikitra ny zon’olombelona sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.
📍 Araka ny tatitra nataon’ny Filoha sy ny Mpampanoa lalàna ao amin’ny CPI dia niakatra ambony dia ambony ny isan’ny raharaha sahanin’ny CPI ary nanaovana famotorana tamin’ity taona 2022 ity. Noentanina ny firenena mpikambana mba hifanampy amin’izy ireo ary hamita ny adidy ara-bola tokony aloany avy.
📌 Ny 6 desambra no nandray fitenenana ny solon-tena Malagasy. Nisongadina tao anatin’ny lahateniny ny fankasitrahana ireo mpitarika nandritra izay 20 taona nisian’ny CPI izay. Nohamafisina fa Madagasikara dia mametraka ho lohalaharana ny fandriam-pahalemana sy ny fahamarinana ary ny fanajana ny lalàna anisan’izany ny lalàna iraisam-pirenena. Vonona hatrany hiara-miasa amin’ny CPI sy ireo firenena mpikambana i Madagasikara mikasika ny fanajana sy ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fanajana ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly sy ny endrika fanavakavahana isan-karazany.
📌Anisan’ireo firenena tsy ampy solon-tena na tsy manana solon-tena ao amin’ny CPI isika malagasy ka amporisihana ny tera-tany Malagasy handray anjara amin’ny tolotr’asa amin’io sehatra io.

Posted in Autres Evenements

Fametrahana ny vato fototry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Befandriana.

📌 Nitohy tao Befandriana ny Alatsinainy 21 novambra 2022 ny lanonana tsotra nametrahana ny vato fototry ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany tao Befandriana izay veliranon’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ny vahoakan’ny Befandriana.

📍 Nisolo tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana tety an-toerana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga Ramatoa RABE Herline.
Nanotrona ny lanonana ny Filoha sy Mpampanoa lalànan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohan’ny Mandritsara sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Fitsarana ; ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola avy any Mahajanga ; ary ireo tompon’andraikim-
panjakana mahefa isa-tsokajiny teny an-toerana.

📍 Tonga nanome voninahitra manokana ny lanonana ny Governoran’ny faritra Sofia ny Jeneraly Lylison René de Roland.