Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pitantan­ana.

📌 Fifamindram-pitantan­ana teo amin’ny tale misahana ny « Direction de la Promotion de la Productivité des Camps Pénaux » teo aloha, A/toa BEGARA Etienne sy ny tale vaovao, A/toa ANDRIANOELIMANANA Ny Aina Mamy.

⭕ Fitaleavana vaovao hisahana sy hiandraikitra ny famokarana sy ireo tobim-pamokarana manerana ny Nosy.

Posted in Autres Evenements

Mpandraharahan’ny fonja.

📌 Tontosa anio 23 Desambra 2022 tetsy amin’ny Fitaleavana ny Ivon’ny Mpandraharahan’ny Fahasalamana Miaramila Betongolo ny famoahana ny andian’ny Mpitsabo mpanampy 200 isa izay misalotra ny anarana « RAVO ».

⭕ Maro an’isa amin’izany ny avy ao amin’ny Fandraharahana ny fonja. Tonga nanotrona izany ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RANDRIANANDRASANA Désiré niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.

Posted in Autres Evenements

Fampahafantarana sy fanapariahana lalàna mahakasika ny ankizy manan-draharaha eny amin’ny Fitsarana Ady Heloka.

📌Notanterahana ny 13-14-15 desambra 2022 lasa teo tao Mananjary, Manakara, Vohipeno ary Ranomafana ny fampahafantarana sy fanapariahana lalàna mikasika ny zon’ny ankizy nanao heloka sy ny paikady ara-pitsarana manodidina izany.

➡️Novelabelarina mandritra izany koa ireo fepetra ivelan’ny fampidirana am-ponja atao amin'ny ankizy.

⭐ Tanjona kendrena amin’izany ny:
👉 fampahafantarana misy misy kokoa ireo lalàna manankery mahakasika ny ankizy,
👉 fanohizana ireo ezaka efa natao ho fampihenàna ny tahan’ny ankizy miditra am-poja,
👉 fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy ireo eo anivon’ny fitsarana,
👉 fanentanana momban’ireo fepetra ivelan'ny fampidirana am-ponja atao amin'ny ankizy.

⭕Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ireo manampahefana tao an-toerana, ireo tambajozatra fiarovana ny ankizy ary ny vahoaka tao an-toerana.
Izany moa dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny UNICEF Madagasikara ao anatin’ilay Tetikasa Fiarovana ny Ankizy.

Posted in Autres Evenements

Filan-kevitra Ambonin’ny Fandraharahana ny fonja (CSAP).

➡ Filan-kevitra Ambonin’ny Fandraharahana ny fonja (CSAP). Natao teto amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ary notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana,Ramatoa RABY SAVATSARAH, ny fivoriana ary nontronin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja sy ireo Mpiara-dia aminy ary ireo solotena isan-tsokajiny avy ao amin’ny Mpandraharahan’ny fonja.

Posted in Autres Evenements

Fandraisana ny fianianana.

Fandraisana ny fianianana sy fametrahana ny Lehiben’ny Mpirakidraharaha eto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

➡ Lanonam-pitsarana nandraisana ny fianihanana sy fametrahana ny Lehiben’ny Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Tampony , R/toa RAKOTONAVALONA Haingotiana sy RASENDRAHARINJATOVO Jean Jocelyn Mario, Lehiben’ny Mpirakidraha anivon’ny Fitsarana Fandravàna. Ary fandraisana an’izy ireo ho mpikambana ao amin’ny Fitsaran Avo.

🎥 Indro arahinao mivantana izany Fandraisana sy Fianianana izany: