Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pahefana.

📌 Tontosa anio ny fifamindram-pahefana­ teo amin’ny Lehiben’ny Fonjan’Antanimora teo aloha, A/toa RANDRIANANTENAINA Jean Claude sy A/toa RAJAONAH Harinirina Thierry izay vao nandray ny toerana.

⭐ Izany dia teo hanatrehan’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, RANDRIANANDRASANA Désiré sy ireo mpiara-miasa aminy.

Posted in Autres Evenements

Atrikasa fandinihana.

🇲🇬 Atrikasa fandinihana ny fahafahan’ireo Malagasy miasa sy monina any ivelan’ny Madagasikara hifidy.

📍 Notanterahina tao amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny ny alatsinainy faha-23 janoary 2023 ny atrikasa famaranana ny fandinihina ny fahafahan’ireo Malagasy miasa sy monina ivelan’ny Madagasikara hifidy, ary nandraisan’ny Ministeran’ny Fitsarana anjara mavitrika.

📍 Nanomboka ny volana aprily 2022 ny fandinihana, izay teo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Raharaham-Bahiny, ary niarahana tamin’ny International Centre for Migration Policy Development (ICMPD) sy ny Union Européenne.

📌 Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fampandraisana anjara ireo diaspora amin’ny fifidianana izao atrikasa izao.

📌 Isan’ny nandray anjara ihany koa ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Fiadidiana ny Primatiora ary ny CENI.
🔴 Taorian’ny dinika dia hisy ny tolo-kevitra homena ireo manam-pahefana isan’ambaratongany.

Posted in Autres Evenements

Fotoam-pitsarana Manetriketrika.

⚖️ Fotoam-pitsarana Manetriketrika, fanamarihana ny fanombohan’ny Taom-pitsarana 2023 (Rentrée solennelle année judiciaire 2023).
part.01

part.02

part.03

Posted in Autres Evenements

Fotoam-pitsarana manetriketrika.

⚖️Fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ireo mpianatra ho mpitsara izay hianatra asa teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony.

📌Adiany noraisana tamin’ny taona 2021 izy ireto ary miisa 80 izay mizara ho 40 ny « filière judiciaire », 20 « filière administrative » ary 20 ny « filière financière ». Hiparitaka amin’ireo Fitsarana manerana ny Nosy ireo mpianatra ho Mpitsara hianatra asa mandritra ny 12 volana.

Posted in Autres Evenements

Atrikasa fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana.

📌 Atrikasa fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana Fadravana izay haharitra roa andro ao amin’ny Hotel Carlton Anosy.

⭐ Atrikasa izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana RABY SAVATSARAH AIN’HARIMANGA nisolo Tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­ Ministry ny Fitsarana, ny Lehiben’ny Fitsarana Tampony ary ny Mpitsara rehetra eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.

⭕ Ny PNUD sy ny USAID no Mpiara-miombon’antok­a nahafahana nanatontosa izao atrikasa izao.