Posted in Autres Evenements

CAMP PENAL : Amoron’i Mania.

⚖️AMORON’I MANIA: NAHAZO MASOMBOLY SY TRACTEUR NY TOBY FAMOKARAN’NY VOAFONJA (CAMP PENAL), NANDRAY IZANY NY TALEM-PARITRY NY FANDRAHARAHANA NY FONJA.

📌Alarobia faha-6 Desambra 2023, Nahazo masomboly sy fitaovana ny Toby famokaran’ny VOAFONJA ( Camp Pénal) ao Ihadilanana Ambositra.
Izany dia fanatanterahana ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

⭐Nitarika ny lanonam-panolorana izany ny Goverinoran’ny Faritra Amoron’i Mania, notronon’ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana, nandray kosa ny Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja, ny Inspecteur d’Administration Pénitentiaire Razafimahafaly Angelot.

➡️Natolotra nandritra izany ny Tracteur avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, masomboly milanja 2,765 t ahitana vary antanety, katsaka, Tsaramaso, voanjo, soja, taho-mangahazo, zezika biolojika 07, 900 t.

⭕Marihina fa ao anatin’ny Politikam-pitantanana vaovao napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny famerenana ny fampiroboroboana ny famokarana eny anivon’ny « Camp Pénal » mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny Voafonja, mba ho fanenana ny vola mivoaka amin’ny Fanjakana mikasika izany.

Posted in Autres Evenements

FITALEAVAM-PARITRY NY FANDRAHARAHANA NY FONJA ANALAMANGA.

FITALEAVAM-PARITRY NY FANDRAHARAHANA NY FONJA ANALAMANGA: NAHAZO FITAOVANA SAMIHAFA HO FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA.

📌 Alarobia 29 novambra 2023, nandritra ny fanolorana ireo fitaovana avy tamin’ny Fandaharan’asa Fanarenana, amin’ny alalan’ny Tetik’asa Mikolo Aina, ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Analamanga, dia nihaiky ny Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja eto Analamanga Andriamatoa Berthin RAKOTOMAMONJY fa mamaly tsara ny filan’ny Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Analamanga izao ary indrindra tena hampandroso ny asan’ireo Mpandraharahan’ny fonja.

🎥 Manasa antsika hanaraka ny fanadihadiana manontolo.

Posted in Autres Evenements

FITAZONANA AM-PONJA IREO MANAMBONINAHITRA ROA EO ANIVON’NY TAFIKA.

FITAZONANA AM-PONJA IREO MANAMBONINAHITRA ROA EO ANIVON’NY TAFIKA: MITONDRA FANAZAVANA NY TONIA MPAMPANOA LALANA AO AMIN’NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY ANTANANARIVO.

📌 Talata 28 novambra 2023, nitondra fanazavana, araka ny lalàna, ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Ramatoa NARINDRA RAKOTONIAINA, mahakasika indrindra ny fitazonana am-ponja ireo manamboninahitra roa (02) tao amin’ny tafika.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka izany.

Posted in Autres Evenements

RAHARAHA NINIE DONIA.

⚖️ Nanadihady ny zava-nitranga ny ministeran’ny Fitsarana, ary mitondra ny fanazavana amin’ny alalan’ny tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja.

📌 Anio faha 20 novambra 2023, nitondra fanazavana mahakasika izany, ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RALISAONA Arsène.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany.

Posted in Autres Evenements

FONJABEN’ANTANIMORA.

FONJABEN’ANTANIMORA, NOTOLORANA OMBY NY FONJA MISAHANA NY FAMOKARANA.

📌 Ny 17 Novambra 2023 lasa teo dia nanolotra omby 02 ho an’ny Fonja misahana ny famokarana eny Anosiala Anjanamasina ny avy ao amin’ny Fonjaben’Antanimora niaraka tamin’ny mpiara-mombon’antoka iray.
Izany dia teo anatrehan’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RALISAONA Arsène sy ireo mpiara miasa akaiky aminy.

➡ Izao no natao mba hanampiana ny asa famokarana.