Posted in Autres Evenements

Fanolanana zaza tsy ampy taona: Ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny famaizana sy fanasaziana.

🎥 Fanazavana nentin-dRamatoa RANDRIANARISOA Salohy Norotiana, Tale Jeneraly misahana ny Raharaham-pitsarana, ny Fandinihana sy ny Fanavaozana eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

Manasa anao ary hanaraka izany

Posted in Autres Evenements

FANOLANANA ZAZA TSY AMPY TAONA : LEHILAHY ROA NO NAMPIDIRINA AM-PONJA ENY TSIAFAHY.

📌 Noho ny tranga fanolanana tena nirongatra tatoato dia nitondra fanazavana ihany koa ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona.

🎥 Manasa anao ary hanaraka izany.

Posted in Autres Evenements

ENAP, Fanehoana ambany faneva an’ireo mpianatra.

📌Ny Alarobia 27 desambra 2023, no notontosaina tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) tao Antetezambaro ny lanonana ara-miaramila natokana ho fankasitrahana sy ho fanehoana ambany faneva ireo mpianatra miisa 250 tafita tamin’ny taranja samihafa rehefa niatrika ireo sedra maro nandritra ny 45 andro ary ny fiofanana fototra mikasika ny maha-miaramila sy ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja amin’ny ankapobeny.

➡ Misalotra ny anarana MIARO ( Maturité, Intégrité, Authenticité, Responsabilité, Obéissance) ireto andiany ireto ka ny Inspecteur en chef d’Administration Pénitentiaire BEGARA Étienne, Directeur de l’ Inspection Pénitentiaire no Ray mpiahy azy ireo, izay nitsodrano ny andiany hahavita soa aman-tsara ny fiofanana mbola ho ataon’izy ireo.

⭕ Ny lanonana dia teo ambany fitarihan’ny Inspecteur en chef d’ Administration Pénitentiaire RAZAFINTSALAMA Désiré, Tale Jeneralin’ny ENAP.

⭕Ity hetsika ity dia tsy vitan’ny hoe nanome voninahitra ny zava-bitan’ny mpianatra tsirairay, fa nanasongadina ihany koa ny maha zava-dehibe stratejika ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny ho avy amin’ny fahombiazana sy ny fahamarinan’ny rafitry ny fonja.

⭐Tompon’ andrakim-pajankana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana.

Posted in Autres Evenements

RAFANOHARANA PAUL MAILLOT: MBOLA MAMITA SAZY AO AMIN’NY FONJAN’I TSIAFAHY.

📌Ny Alatsinainy faha 04 Desambra 2023, dia tsy maintsy nentina nanao fizaham-pahasalamana teo anivon’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie Andriamatoa RAFANOHARANA Paul Maillot. Teo anelanelan’ny tamin’ny 8 Ora sy sasany maraina, hatramin’ny 3 Ora sy sasany hariva no nanaovany ny « scanner cérébral, ECG, TDM, ORL, Bilan sanguin ». Izany dia vokatry ny fahitan’ny Mpitsabo eo anivon’ny Fonjan’i Tsiafahy, fa marary io Voafonja io ary nanana olana ara-pahasalamana, nanomboka tamin’ny faha-19 Novambra 2023.

➡️Raha ny lalàna tokoa mantsy dia manome zo ny Voafonja tsirairay ho tsaboina rehefa mandalo tsy fahasalamana. Izany rahateo dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona. Ny andron’io nanaovana ny fitsirihana io ihany dia naverina mamita sazy ao amin’ny Fonjan’i Tsiafahy i RAFANOHARANA Paul Maillot, ka ny Mpitsabo ao no manohy ny fitsaboana azy.

 

Posted in Autres Evenements

FAMPIOFANANA NOKARAKARAIN’NY ENMG.

FAMPIOFANANA NOKARAKARAIN’NY SEKOLIM-PIRENENA MAMPIOFANA NY MPITSARA SY NY MPIRAKI-DRAHARAHA (ENMG) HO AN’NY MPIASAN’NY SAMPAN-DRAHARAHA MISAHANA NY FANARAHA-MASO NY FIAROVANA NY SAKAFO SY NY KALITAONY AO AMIN’NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA, MIKASIKA NY LOHAHEVITRA HOE “NY INSPEKTERAN’NY FITSIRIHANA ARA-TSAKAFO AMIN’NY MAHA-MPIKAROKA FANDIKAN-DALANA AZY IREO”.

📌 Ny alatsinainy 11 desambra ka hatramin’ny zoma 15 desambra 2023, dia nisy fiofanana natao teto Antananarivo ho tombontsoan’ny mpiasan’ny Sampandraharaha misahana ny Fanaraha-maso ny Fiarovana ny sakafo sy ny Kalitaony. Ny Sekolim-pirenena Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) eto Tsaralalàna no nikarakara izany fampiofanana izany, izay nitondra ny lohahevitra hoe : « Ny Inspekteran’ny fitsirihana ara-tsakafo amin’ny maha-mpikaroka fandikan-dalàna azy ireo. »

➡ Ity fampiofanana ity dia niarahan’ny ENMG niasa tamin’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka ary nahatratra an-jatony ny mpandray anjara tamin’izany. Nanamarika ny lanonana fanokafana sy famaranana, ny fandraisan’anjaran’ireo manam-pahefana maromaro.
Tamin’ny lanonana fanokafana, i Ramatoa RAKOTONDRAJERY R. Salohy, Tale Jeneraly misahana ny Raharaham-pitsarana, ny Fandinihana sy ny Fanavaozana (DGAJER), izay nisolo tena an’i Ramatoa Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ary i Ramatoa Lethicia Lydia YASMINE, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia samy nandray anjara fitenenana tamin’ny fanaovana lahateny. Ary nanome voninahitra ny lanonana famaranana kosa ny fanatrehan’Andriamatoa RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert, Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR) izay nisolo tena an’i Ramatoa Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.
Nampisy lanja ity fampiofanana ity tokoa ny fahatongavan’ireto olona ambony manankaja ireto.

⭕Ny tanjon’ity fampiofanana ity dia ny nanomezana ny fahalalana izay ilain’ireto mpiasan’ny Sampandraharaha misahana ny Fanaraha-maso ny Fiarovana ny sakafo sy ny Kalitaony ireto, izay mikasika manokana ny maha-mpikaroka fandikan-dalàna an’ireo Inspekteran’ny fitsirihana ara-tsakafo. Novelabelarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny paik’ady heloka, ny fandrafetana sy ny fitahirizana ny tatitra, ny fanaovana fanadihadiana eny ifotony, ny fifandraisan’ny Mpikaroka fandikan-dalàna amin’ny mpiasan’ny Fitsarana.

➡Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-208 tamin’ny 26 febroary 2020, mandrindra ny fandaminana eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG), ity farany dia afaka manome fiofanana ho an’ireo fikambanana na fanjakana na tsy miankina, raha mangataka izany izy ireo.

————————————————-

⚖FORMATION ORGANISEE PAR L’ECOLE NATIONALE DE LA MAGISTRATURE ET DES GREFFES (ENMG) DE MADAGASCAR A L’ENDROIT DES AGENTS DE L’AGENCE DE CONTROLE DE LA SECURITE ET DE LA QUALITE DES DENREES ALIMENTAIRES DU MINISTERE DE LA SANTE, PORTANT SUR LA THEMATIQUE « LES INSPECTEURS DES DENREES ALIMENTAIRES EN LEUR QUALITE D’OFFICIER DE LA POLICE JUDICIAIRE ».

📌 Du lundi 11 décembre au vendredi 15 décembre 2023, à Antananarivo, s’est tenue une session de formation au profit des agents de l’Agence de Contrôle de la Sécurité et de la Qualité des Denrées Alimentaires. Organisée par l’Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes (ENMG), ladite formation avait pour thème : « Les inspecteurs des denrées alimentaires en leur qualité d’Officier de la Police Judiciaire ».

➡En collaboration avec le Ministère de la Santé, la formation qui s’est tenue dans l’enceinte même de l’ENMG, a accueilli une centaine de participants. Les cérémonies d’ouverture et de clôture ont été marquées par la participation de plusieurs autorités distinguées. A la cérémonie d’ouverture, Madame RAKOTONDRAJERY R. Salohy, Directeur Général des Affaires Judiciaires, des Etudes et des Réformes (DGAJER) représentant Madame le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice ainsi que Madame Lethicia Lydia YASMINE, Secrétaire Général du Ministère de la Santé Publique, ont prononcé chacune leur discours. Et, la cérémonie de clôture a été honorée par la présence de Monsieur RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, Ministre de la Santé Publique ainsi que celle de Monsieur RAVELOSON Aimé Gilbert, Directeur Général de la Programmation et des Ressources (DGPR) qui a représenté Madame le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice.
La venue de ces hautes personnalités a grandement enrichi l’évènement.

⭕L’objectif principal de cette formation a été de doter les futurs inspecteurs des denrées alimentaires de toutes les connaissances juridiques et techniques relatives à la fonction d’officier de la police judiciaire. Ont été notamment abordés : l’initiation au droit et à la procédure pénale, l’établissement et la tenue des procès-verbaux, la pratique d’enquête sur terrain, la relation des officiers de la police judiciaire avec le personnel de la justice.

➡En vertu du décret n°2020-208 du 26 février 2020 portant réorganisation de l’Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes (ENMG), cette dernière est habilitée à dispenser des formations sur demande de tout organisme, qu’il soit public ou privé.