Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA (tohiny)

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION DES ACTES D’ETAT CIVIL)(tohiny)

📌Ho faranana amin’ity androany ity ny mahakasika ny fanavaozana ny sora-piankohonana.

➡️ IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉Taratasy fangatahana alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
👉Taratasy fanamarinana ara-panjakana omen’ny Kaominina manamarina ny maha-rovitra na may na very ny rejisitra (certificat de recherches infructueuses),
👉Sora-piankohonana ho avaozina (izay eo am-pelatanan’ny mpangataka na dia efa lany daty aza),
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,
👉Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka (certificat de résidence).

➡️ NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA
👉Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpiraki-draharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady rehetra voalaza teo ambony ireo,
👉Ny mpangataka na izay misolo tena azy (raha toa ka tsy ampy taona izy) dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona,
👉Afaka mandray izay fepetra rehetra hitany fa ilaina amin’ny famotorana izay ataony ny fitsarana toy ny fanaovana fanadihadiana, fametrahana peta-drindrina…
👉Ny porofo rehetra tonga eo am-pelatanany no hitsaran’ny Fitsarana,
👉Izay olona rehetra manamarina ny fisian’ny tombontsoany avy amin’ilay fangatahana fanavaozana ihany koa dia afaka mangataka hitsofoka amin’ilay raharaha ary mitondra izay rehetra porofo eo am-pelatanany.

➡️ AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA
👉Entina any amin’ny Kaominina izay nitahiry ilay rejisitra ilay didim-pitsarana raikitra (grosse),
👉Soratana ao amin’ny rejisitra voatondro ny ventin’ilay didy,
👉Afaka mamoaka ilay sora-piankohonana vita fanavaozana amin’izay avy eo ilay Kaominina.

⭐ Hanomboka lohahevitra vaovao indray isika amin’ny heriny anio dia ny mikasika ny atao hoe olona tsy hita intsony eo amin’ny toeram-ponenany na «absent» sy ny olona tsy hita popoka na «porté disparu» satria dia voafaritry ny lalàna avokoa izany tranga izany.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION DES ACTES D’ETAT CIVIL).

📌 Hojerentsika indray ary ny mahakasika ny fanavaozana ny sora-piankohonana. Marihina fa tsy hoe ilay sora-piankohonana lany daty ka mila avaozina akory no resahina eto.

🔷 NY FANAVAOZANA SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION D’ACTE D’ETAT CIVIL):
➡️ NY ANTONY HANGATAHANA FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA :
Raha toa ka rovitra, simba na may na tsy hita ny rejisitra misy ny sora-piankohonan’ny olona iray na ireo izay noho ny antony tsy fantatra dia tsy hita ao amin’ny rejisitra izany sora-piankohonana izany.

🔷 MIKASIKA NY FANGATAHANA FANAVAOZANA SORA-PIANKOHONANA :
👉 Ilay olona voakasika na izay olona manao ny fangatahana amin’ny anarany (nomeny fahefana na raha tsy ampy taona izy dia ny rainy na ny reniny na izay olona manana fahefana aminy)
👉 Atao mazava ao anaty taratasy fangatahana ny mombamomba ny mpangataka sy ny anton’ilay fanavaozana sora-piankohonana (ohatra : tsy hita ny rejisitra na rovitra na may sns…).

🔷 FITSARANA MAHEFA :
✅ Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eo amin’ny toerana misy ilay Kaominina nitahiry ilay rejisitra.

🔷 SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA :
❌ Maimaimpoana fa tsy misy vola aloa ny fangatahana fanavaozana ny sora-piankohonana.
⭐ Ho faranantsika amin’ny heriny anio ny momba ny fanavaozana ny sora-piankohonana ka ho hitantsika amin’izany ny mikasika ireo paik’ady arahina eo anatrehan’ny fitsarana.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECTIFICATION DES ACTES D’ETAT CIVIL) (tohiny)

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉 Taratasy fangatahana alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
👉 Sora-piankohonana ho ahitsy (latsaky ny 3 volana),
👉 Ny dika mitovin’ny bokim-pianakaviana,
👉 Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
👉 Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,
👉 Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka (certificat de résidence),
👉 Izay rehetra taratasy manaporofo ilay fahadisoana (ohatra : raha ny anaran’ny reny no diso dia entina ny sora-pahaterahany hanamarinana izany sns…)
👉 Taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabom-panjakana manamarina ny mahalahy na mahavavy ilay voakasika raha toa izay no diso ao amin’ilay sora-piankohonana.

🔷SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA :
✅ Maimaimpoana fa tsy misy vola aloa raha toa ka mandeha fotoam-pitsarana ilay raharaha,
Fa raha toa kosa ka didin’ny Filohan’ny fitsarana (ordonnance sur requête) ihany dia mahahitsy ilay diso dia misy sarany dimy arivo ariary (5.000 Ar).

🔷 NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA
➡️ Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpiraki-draharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady rehetra voalaza teo ambony ireo,
⭐Raha toa ka fahadisoana madinika na tsotsotra :
Ohatra hoe « Bema » no anaran’ilay olona fa lasa « Rema », dia didy avoakan’ny Filoha soratana eo ambanin’ilay taratasy fangatahana ihany na « ordonnance sur requête » dia efa mahahitsy ilay diso.
⭐Raha toa kosa ka somary lehibe ilay fahadisoana :
Ohatra hoe « lehilahy » ilay olona fa voasoratra hoe « vehivavy », dia ilaina fanadihadiana misimisy kokoa. Noho izany :
👉 Ny mpangataka na izay misolo tena azy (raha toa ka tsy ampy taona izy) dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona,
👉 Afaka mandray izay fepetra rehetra hitany fa ilaina amin’ny famotorana izay ataony ny fitsarana toy ny fanaovana fanadihadiana, fametrahana peta-drindrina…
👉 Ny porofo rehetra tonga eo am-pelatanany no hitsaran’ny Fitsarana,
👉 Izay olona rehetra manamarina ny fisian’ny tombontsoany avy amin’ilay fangatahana fanitsiana ihany koa dia afaka mangataka hitsofoka amin’ilay raharaha ary mitondra izay rehetra porofo eo am-pelatanany.

🔷 AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA na NY DIDIN’NY FILOHAN’NY FITSARANA :
👉Entina any amin’ny Kaominina izay namoaka ilay sora-piankohonana diso ilay didim-pitsarana raikitra (grosse),
👉Soratana ao amin’ny rejisitra voatondro ny ventin’ilay didy miampy izay soratra an-tsisiny,
👉Voahitsy ilay sora-piankohonana amin’ny alalan’ny soratra an-tsisiny ataon’ny Kaominina.
📌 Raha izay ary ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fanitsiana ny sora-piankohonana dia ho hitantsika indray amin’ny heriny anio ny momba ny fanavaozana ny sora-piankohonana.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA (RECTIFICATION) SY NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION D’ACTE D’ETAT CIVIL)

📌 Maro tamintsika mpanaraka ny pejy no nanontany hoe ahoana no atao raha misy diso ny sora-piankohonana na koa tsy hita intsony anaty boky ilay sora-piankohonana fa rovitra na simba ilay boky. Koa amin’ity volana aprily ity dia ho entina amintsika indray ny mikasika ny fanitsiana sy ny fanavaozana ny sora-piankohonana.

➡️ Ny andininy faha 84 sy ny manaraka amin’ny lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana ihany no milaza mikasika izany fanitsiana sy fanavaozana izany.
🔷 INONA AVY ARY IREO KARAZANA SORA-PIANKOHONANA VOALAZA IREO ?
👉 Sora-pahaterahana (acte de naissance),
👉 Sora-pahafatesana (acte de décès),
👉 Sora-panjanahana (acte de reconnaissance),
👉 Sora-pananganana (acte d’adoption),
👉 Sora-panambadiana (acte de mariage),
👉 Sora-panariana (acte de rejet).

➡️ Andeha ary ho entina amintsika voalohany ny mikasika ny fanitsiana sora-piankohonana.
🔷 NY FANITSIANA SORA-PIANKOHONANA (RECTIFICATION D’ACTE D’ETAT CIVIL):
⭐Ety am-piandohana dia entanina isika tsirairay avy mba hamaky tsara ilay kopia voalohany avoakan’ny Kaominina iny alohan’ny anaovan’ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny soniany satria amin’iny raha misy diso ny soratra ao anatiny dia mbola afaka ahitsin’izy ireo eo noho eo alohan’ny anomezany ilay kopia voalohany. Fa raha sanatria ka tsy hitanao tamin’iny fotoana iny lay diso ao anatiny dia tsy maintsy eo anatrehan’ny Fitsarana no hitondrana ny fangatahana fanitsiana fa tsy afaka manao na inona na inona ny Kaominina.
🔷 NY ANTONY HANGATAHANA FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA :
👉 Raha toa ka ahitana soratra diso (Oh : « Lehilahy » ilay olona fa voasoratra hoe « vehivavy », na koa hoe « Rasoa » no anaran’ny reny fa voasoratra hoe « Raso » …)
👉 Na nisy soratra latsaka nefa tokony ho hita ao amin’ilay sora-piankohonana (Oh : tsy tafiditra tao anatin’ny sora-piankohonana ny daty nahaterahana sns…)
🔷 MOMBAMOMBA NY FANGATAHANA FANITSIANA SORA-PIANKOHONANA :
👉 Ilay olona voakasika na izay olona manao ny fangatahana amin’ny anarany (nomeny fahefana na raha tsy ampy taona izy dia ny rainy na ny reniny na izay olona manana fahefana aminy) na izay solontenan’ireo mpandova raha toa ka sora-pahafatesana no ahitsy no manao ny fangatahana.
👉 Atao mazava ao anaty taratasy fangatahana ny mombamomba ny mpangataka sy ilay fanitsiana tiana ho atao (azavaina ilay soratra diso na latsaka dia apetraka izay marina)
🔷 FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eo amin’ny toerana misy ilay Kaominina namoaka ilay sora-piankohonana

🔺 Ho hitantsika amin’ny herin’ny anio indray ny mikasika ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany fanitsiana sora-piankohonana izany sy ny mombamomba ny paik’ady arahina.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIKADY ARA-PITSARANA

📌 Hamaranantsika ny mikasika ireo trangam-piankohonana voalazan’ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny fiankohonana ny mikasika ny fanariana anaka (rejet) sy ny fanjanahana (reconnaissance)

🔷 NY FANARIANA (REJET):
👉 Ny fanariana dia sazy ampiharina amin’ny zaza iray efa ampy taona, izay ataon’ny rainy, na ny reniny, na ny raiamandrenibe nipoirany na koa ny mpanangana azy ka mitarika ny faharavan’ny rohim-pianahana nampifandray ny mpanary sy ny nariana.
👉 Foana toy ny tsy nisy ny maha ray na reny na raiamandrenibe nipoirana eo amin’ny zanaka nateraka/taranaka ary ny maha zanaka/taranaka amin’ny ray na reny niteraka na raiamandrenibe nipoirana.
👉 Tsy mandova an’ireo izay nanary azy intsony noho izany ny zaza nariana.
👉 Didy avoakan’ny fitsarana ihany no manonona ny fanariana.

➡️ Porofon’ny fanarian’anaka : sora-panariana (acte de rejet) ataon’ny mpiandraikitra sora-piankohonana amin’ny alalan’io didim-pitsarana raikitra io.

🔷 NY FANJANAHANA (RECONNAISSANCE):
👉 Ny zanaka teraka tsy tao anatin’ny fanambadiana no anaovana fanjanahana.
👉 Ny fanjanahana dia ny fiaikena araka ny lalàna, an-tsitrapo ny maha ray niteraka ny zaza iray teraka talohan’ny fanambadiana na ivelan’ny fanambadiana. Afaka atao eo am-pahaterahan’ilay zaza izany na koa aty aoriana.
👉 Miteraka fianahana eo amin’ilay ray sy ilay zanany ny fanjanahana nataony.

⭐ Fomba fanaovana ny fanambarana :
Ambaran’izay ray te-hanjanaka ilay zaza:
👉 manoloana ny Mpiraki-tenim-panjakana (officier public) amin’ny alalan’ny sora-to na sora-toavina,
👉 manoloana ny Mpiandraikitra ny sora-piankohonana,
👉 amin’ny alalan’ny didy miafina (testament).
Porofon’ny fanjanahana : sora-panjanahana (acte de reconnaissance) ataon’ny Mpiraki-tenim-panjakana na ataon’ny Mpiandraikitra ny sora-piankohonana na didy miafina nataon’ilay ray niteraka.

🔷 TSARA HO FANTATRA :
👉 Manomboka amin’ity lalàna vaovao ity dia ho atao fitanana ara-haikajy mirindra (digitalisation) avokoa ny sora-piankohonana eto Madagasikara.
👉 Ity lalàna vaovao ity ihany koa dia nametraka ny fanomezana laharam-pamantarana manokana (identifiant unique) ho an’ny olona tsirairay avy.
➡️ Marihina moa fa mandeha tsikelikely sy an-tanan-tohatra avokoa ny fanatanterahana izany rehetra izany.