Posted in Annonces et Informations

Avis de Concours et Appel à Candidature 2022

👉Appel à candidature « APPEL A CANDIDATURES Pôles anti-corruption 2022 ».👈

👉Cliquer ici pour accéder à la page « avis de concours 2022 ».👈

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Rehefa hitantsika tamin’ny heriny ny mikasika ny fanendrena ny mpiahy na « tuteur » sy ny andraikitra miandry azy mikasika ny lohahevitra : FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » dia indro entina amintsika indray ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fampidiran-draharaha eny amin’ny Fitsarana.

🔷 INONA AVY IREO TARATASY ILAINA ?
👉 Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana misy ny fonenan’ ny zaza ary misy ny adiresy mazavan‘ny mpangataka
👉 Ny sora-pahaterahan’ilay zaza,
👉 Ny sora-pahafatesan’ny rainy sy ny reniny,
👉 Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
👉 Ny sora-panambadian’ny mpangataka (raha efa manambady),
👉 Ny taratasy fanamarinana fihazonana sy fikarakarana ilay zaza omen’ny fokontany (certificat de garde et de charge).

🔷 AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny lehiben’ny mpirakidraharam-pitsarana
🔷 SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA :
Dimy arivo Ariary (5.000 Ar) izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharam-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Ho tohin’ny fifampizarana mikasika ny lohahevitra : FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » dia indro entina amintsika indray ny mahakasika ny fanendrena ny mpiahy na « tuteur » sy ny andraikitra miandry azy.

🔷 AHOANA NY FANENDRENA NY MPIAHY na TUTEUR ?
👉 Amin’ny alalan’ny didim-pananana (testament) na fanambarana natao teo anatrehan’ny notera izay nataon’izay maty farany tamin’ny ray na ny reny na ihany koa ny reny ho an’ny fianakaviana tsy misy ray,
👉 Amin’ny alalan’ny filan-kevitry ny fianakaviana izay fidian’ny Fitsarana (paikady ara-pitsarana)
Azon’ny olon-drehetra atao ny mampilaza amin’ny Filohan’ny Fitsarana ny amin’ny ilàna fanendrena mpiahy.

🔷 FITSARANA MAHEFA :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny toeram-ponenan’ny zaza.

🔷ANDRAIKITRY NY MPIAHY :
👉 Miandraikitra ny tenan’ilay zaza,
👉 Misolotena azy ara-panjakana,
👉 Mitantana ny fananany toy ny raim-pianakaviana mendrika ary tomponandraikitra amin’izany fitantanana izany,
👉 Tsy mahazo mandefa maimaimpoana ny fananana manokan’ilay zaza na milatsaka ho mpividy ny fananany,
👉 Tsy mahazo mivarotra ny fanana-mitoetran’ilay zaza na « biens immobiliers » raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
👉 Maimaimpoana ny fiahiana ary voatokana ho an’izay voatendry ihany fa tsy azony afindra amin’ny vadiny na ny mpandova azy.

Ny Sampandraharahan’ny Fanapariahana Lalàna eo anivon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy Fanavaozana Lalàna.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :
📌 Lohahevitra vaovao indray no entina ampahafantarina antsika mpanaraka ny pejy amin’ity volana jona ity. Satria moa ity volana ity dia natokana hankalazana ny volan’ny ankizy dia andeha ny mahakasika ny FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » no ampahafantarina antsika bebe kokoa.
Ny lalàna laharana faha 2007-023 tamin’ny 20 aogositra 2007 mikasika ny zo sy ny fiarovana ny zaza no mifehy ny fiahiana ny zaza na « tutelle » eto Madagasikara.
🔷 RAHOVIANA ARY NO MISOKATRA NY FIAHIANA NY ZAZA na TUTELLE ?
👉 Rehefa maty avokoa ny ray sy ny renin’ilay zaza na zatovo (marihina fa latsaky ny 21 taona ilay zaza na zatovo resahina eto),
👉 Rehefa very tanteraka na vonjimaika ihany na koa noesorina tamin’ny ray sy ny reny ny fanatanterahany ny fahefan’ny ray aman-dreny na « autorité parentale »,
👉 Ho an’ireo zaza tsy misy mpiahy izay tsy manana na ray na reny nanangana an-tsitrapo na koa tsy manana mpiahy voamarina tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana navoakan’ny Mpitsara ny ankizy na « Juge des enfants ».
🔷 INONA NO TANJON’NY FIAHIANA ?
Hiarovana ny zaza sy ho fitantanana ny fananany mandrapahafeno taona azy.
🔷 IZA AVY NO AZO ATAO MPIAHY na « TUTEUR » ?
Ny fianakaviana nipoiran’ilay zaza araka ny laharana akaiky azy indrindra.
🔷FA TSY AZO ATAO MPIAHY KOSA :
👉 Ny ankizy,
👉 Ny olona manana fahasembanana ara-tsaina,
👉 Ny olona voaheloka tamin’ny sazy mihatra amin’ny vatana sy mahafa-baraka na
👉 Ireo olona fanta-bahoaka noho ny faharatsiam-pitondrantenany.
Ny Sampandraharahan’ny Fanapariahana Lalàna eo anivon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy Fanavaozana Lalàna.
Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY « ABSENCE ET DISPARITION » NA NY OLONA TSY HITA EO AMIN’NY TOERAM-PONENANY INTSONY NO SADY TSY ANDRENESAM-BAOVAO SY NY OLONA TSY HITA POPOKA.

⚖️ Taorian’ny fampahafantarana ireo tsara ho fantatra mikasika ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 Febroary 2019, mifehy ny fiankohonana iny dia ho entina amintsika indray mandritry ny herinandro maromaro ny mikasika ny atao hoe « Absence et Disparition » na ny olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao sy ny olona tsy hita popoka.

Seho mateti-pitranga eto amintsika izy ity kanefa dia mbola vitsy amintsika ny mahalala izay fepetra tokony ho raisina rehefa tojo azy. Izay no antony ampahafantarana antsika ny mikasika ity tranga ity.

✅ Ny lalàna mifehy izany dia ny andininy 14 ka hatramin’ny 41 ao amin’ny didy hitsivolana ny laharana faha 62-003 tamin’ny 24 jolay 1962 momba ny anarana, ny toeram-ponenana sy ny tsy fahitana olona eo amin’ny toeram-ponenany no sady tsy andrenesam-baovao. Ny tanjon’ny lalàna dia ny fiarovana ny fananan’ireo sokajin’olona voalaza teo ireo.

⭐ Samihafa ny atao hoe olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao na « absent » sy ny hoe olona tsy hita popoka na « porté disparu ». Ka hojerentsika ny mikasika ireo.

Lire la Suite « FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY « ABSENCE ET DISPARITION » NA NY OLONA TSY HITA EO AMIN’NY TOERAM-PONENANY INTSONY NO SADY TSY ANDRENESAM-BAOVAO SY NY OLONA TSY HITA POPOKA. »