Posted in Annonces et Informations

Fanambarana

Posted in Annonces et Informations

FAMPITAM-BAOVAO

Ilazana isika rehetra mpiadina handray anjara amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpandraharaha ny Fonja taona 2018, fa  ny  fifaninanana tokony hatao ny 17-18-19 Aogositra dia hahemotra amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra. Ny daty hanantanterahana ny fanemorana izany fifaninana izany dia hampitaina miandalana araka ny fandaminana.

Koa manentana hatrany ireo voakasik’izany mba hijery ny peta-drindrina amin’ireo toerana voatokana amin’izany (Minisiteran’ny Fitsarana, Directions Régionales de l’Administration Pénitentiaire, Ecole Nationale de l’Administration Pénitentiaire,Fonja manerana ny nosy…) sy ny tranokalan’ ny Minisiteran’ny Fitsarana ; ary hanaraka ny fampitam-baovao amin’ny haino aman-jerim-pirenena.

Ialana tsiny ny mety ho fikorotanana aterak’izany amin’ny fandaharam-potoanan’ny mpiadina ; fa natao indrindra izao fandaminana izao, mba ahazoana antoka ny fahatomombanan’ny fizotry ny fifaninana ho mpandraharaha  ny  Fonja eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.