Posted in Annonces et Informations

Pôle Anti-Corruption

APPEL A CANDIDATURES POUR LE POLE ANTI-CORRUPTION DE MAHAJANGA et de FIANARANTSOA

TELECHARGER LE FICHIER

Posted in Annonces et Informations

Fitsarana miady amin’ny VBG

ENTANINA NY VAHOAKA HITOROKA NY MPANOLANA

Roso ity ka tsa mipody koa.

Ho hitam-poko sy ho hitam-pirenena ny vokatra. Asakasak’izay mbola sahy hanana eritreri-dratsy sy fomba fanao amin’ny heloka fanolanana amin’ny endriny rehetra, na ny herisetra atao amin’ny maha-lahy na maha-vavy (Violences Basées sur le Genre) na VBG. Herinandro monja tao aorian’ny fanambarana goavana nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana (GSMJ), Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, dia efa miasa ny Fitsarana manokana momba ny VBG.

Nisy ny fivoriana androany maraina natao tao amin’ny Fitsarana an-tampony (Cour Suprême) Anosy, natrehin’ireo Mpitsara 4 mianadahy manampy ny Tonia Mpampanoa an’ny Fitsarana miady amin’ny VBG, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Polisim-pirenena sy Zandarimariam-pirenena (OPJ). Lahadinika ny fomba fiaraha-miasa.

Raha ny fanambarana nataon’i Rtoa Rakotomalala Hanitriniaina, dia nivoitra fa vonona tanteraka ny hiara-hiasa ireo avy amin’ny OPJ. Samy hiezaka izany hanatanteraka ireo baiko rehetra hampandehanana ny Fitsarana manokana momba ny VBG. Ankoatra izay, hiezaka hanafaingana ny fitsarana ny raharaha, mikasika ny herisetra atao amin’ny maha-lahy na maha-vavy sy ny fanolanana ny zaza tsy ampy taona, izay tonga aty amin’ny Fitsarana rehetra.

“Lasa manana ny lanjany ary laharam-pahamehana ny resaka herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy. Dikany, hanafaingana tanteraka ny raharaha VBG, anisany ny eto anivon’ny Fampanoavana manokana ohatra ny fisian’ny raharaham-pitsarana isan-kerinandro. Tsy miaraka intsony amin’ireo raharaham-pitsaraha hafa rehetra izay mifangaro taloha fa manana ny lanjany manokana satria ho sivanina” hoy Rtoa Andrianalivelo Prisca.

“Ny hafatra avy aminay ho an’ny olona rehetra iharan’ny VBG : sahia miteny, sahia mitoroka, sahia mijoro. Matoa izahay 4 mianadahy ireto natao ho Mpitsara manokana momba io raharaha VBG io  dia misy fiofanana manokana atrehanay, efa natrehanay ary mbola mitohy, sy hitohy. Hisy fandraisana manokana anareo mpitory eny anivon’ny OPJ, tonga aty koa dia mbola rafitra sy paikady manokana na procédure toy izay ihany koa no misy, ary hafa tanteraka ny famaizana” araka ny fanazavana nentin-dRtoa Razafy Harivony Vanessa.

Marihina fa Atoa Rajonson Andry Miary no Mpitsara faha-4 manampy ny Tonia Mpampanoa eo anivon’ity Fitsarana manokana miady amin’ny VBG ity.

Posted in Annonces et Informations

Fanatsarana ny Fandraharahana ny Fonja

HAHAVELON-TENA IREO TOMBIM-PAMOKARANA MIANKINA AMIN’NY FONJA

Vitsy mpahalala nefa maro ireo tobim-pamokarana miankina amin’ny fonja na “camps pénaux” eto Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny asam-pamokarana eny anivon’izy ireny mba tsy ho vesatra ho an’ny Ministera mpiahy sy ny Fanjakana intsony ireo voafonja fa hahavelon-tena. Hatreto dia 1.800 ariary isaky ny voafonja isan’andro tokoa mantsy no tetibola natokana ho an’ny sakafo fotsiny, ho an’ireo voafonja miisa 28.000 manerana ny Nosy. Mitentina 19 Miliara ariary isan-taona amin’ny tetibolam-panjakana izany. Maika araka izany ny hanatsarana ny asam-pamokarana mba hahazoana vokatra tsara sy haingana.

Nivoitra ireo androany tamin’ny fanokafana ny atrikasa miompana amin’ny “ Fanadihadiana sy fanatsarana ny tontolon’ny fananan-tany sy ny tombim-pamokarana eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja”, atao mandritra ny 4 andro etsy amin’ny “Le Relais de la Haute Ville” Anjohy. Mpanohana izao atrikasa izao ny tetikasa PAJMA.

Lire la Suite « Fanatsarana ny Fandraharahana ny Fonja »

Posted in Annonces et Informations

Fandraharana ny Fonja

FIOFANANA AMIN’NY FITANTANAM-BOLA

Atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola no natrehin’ireo « Inspecteur d’Administration Pénitentiaire » (IAP) miisa 21 natao teto Fianarantsoa nandritra ny 4 andro. Avy aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy avokoa ireo Talem-paritra (DRAP) sy tompon’andraikitra eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja, mpandray anjara. Tanjona ny hanamafisana ny traikefa sy fahaiza-manao amin’ny lafiny fitantanam-bola. Mitondra fanazavana Rtoa Talen’ny Fandaharanasa sy Fampitaovana ny Fandraharahana ny Fonja (DPRP) ny IAP Raheriniaina Emma, arahin-dRtoa Andriamampiandra Hasindraibe Christiane, Mpandrindra ny tetikasa PAJMA, izay manohana ny fikarakarana izao atrikasa  nifarana androany zoma 13 novambra 2020 izao.izao.

Posted in Annonces et Informations

Ady amin’ ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy

TSY HANDEFERANA IREO TRATRA MANAO HERISETRA MIFOTOTRA AMIN NY MAHALAHY NA MAHAVAVY


Tsy handeferana ireo tratra manao herisetra mifototra amin ny mahalahy na mahavavy. Tsy hisy intsony ny sazy miantona fa miditra am-ponja avy hatrany ireo manao izany ka voamarina ilay tranga. Santionany amin’ny fepetra vonjimaika noraisin’ny Ministeran’ny Fitsarana tao aorian’ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena nandritra ny Filankevitry ny Ministra natao omaly. Hihatra manerana ny Fitsarana eto Madagasikara ireo fepetra ireo.