Posted in Actualités

Fivorian’ny OMC.

📌Manoloana ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy dia nisy ny fivorian’ireo OMC Nasionaly tao Behara, Distrikan’Amboasary Atsimo. Fivoriana izay notarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta niarahana tamin’ ireo Ministra sy ireo tompon’andraikitra voakasika amin’izany.

➡️Nisy ny toromarika nomena sy fanapahan-kevitra noraisina nandritra izany fivoriana izany entina hamahana io olan’ny tsy fandriampahalemana any antoerana io.
Ho an’ny ratsam-pitsarana manokana kosa dia nisy ny torolanana hanamafisana ny politika fanenjehana mifandraika amin’ny tranga misy any an-toerana, sy hanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ireo « officiers de police judiciaire ».

Posted in Actualités

Fonjan’Ambovombe.

📌Sabotsy 27 aprily 2024, tamin’ny fandalovan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto amin’ny Faritra Androy teto Ambovombe dia nitsidika ny Fonja ny tenany niaraka tamin’ireo mpiara miasa aminy nijery ny zava-misy eo an-toerana.

➡️Nandritra izany no nanolorany Vary, Voamaina , Farine, Menaka, Savony, koveta, Milina fanjairana, balina lamba ary lafaoro hanampiana ireo voafonja amin’ny fianarak’asa ho fanomanana azy ireo hiverina eo anivon’ny fiaraha monina.
Teo ihany koa ny fanomezana solosaina sy imprimante ho an’ireo Mpandraharahan’ny fonja.

⭕Tao arianan’izay dia nojerena ny « jardin pénal » izay manampy amin’ny famatsiana sakafon’ny voafonja. Nojerena ihany koa ny tombim-pamokarana iray antsoina Ehavo izay miala 37km ny tanàna, mirefy 27ha. Tsikaritra tamin’izany ny olana hamokarana amin’io toerana io ka ho jerevana ny vaha olana amin’izany.

Posted in Actualités

Fidinana ifotony Ambovombe.

📌 Nigadona anio Alakamisy 25 Aprily 2024 eto amin’ny faritr’Ambovombe ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nitsidika ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sady nanao dinik’asa ho fanatsarana ny fitantanana ho tombontsoa an’ireo vahoaka.

⭕ Tao anatin’izany no nanoloran’ny Minisitra solosaina 3 miaraka amin’ny « imprimante » iray. Teo ihany koa ny nitondrana fanazavana sy fizarana ireo diary fanarahan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana.

✅ Ny fidinana ifotony toy izao dia ilaina mba hahitana ny zava-misy tokoa hitondrana fanavaozana.

Posted in Actualités

Famindram-pahefana.

📌 Anio 24 Aprily 2024, notontosaina teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, teto Faravohitra, ny fanaovan-tsonian’ny famindram-pahefana, teo amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana teo aloha, Ramatoa Harimanga Gabrielle Raby Savatsarah sy ny Talean’ny kabinetra, Andriamatoa Emile Andrianirina RARIVOJAONA.

🔖 Nanotrona sy nanome voninahitra izao famindram-pahefana izao ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

🗒️ Nandritra izany dia samy naneho fisaorana feno ny Minisitry ny Fitsarana sy ny mpiasa iray manontolo, tamin’ireo asa vita rehetra ny roa tonta.
Mitohy hatrany ny asa ary fanombohana vaovao indray izao, eo ambany fitarihana vaovao.

Posted in Actualités

Fifamindram-pahefana.

📌Notanterahina anio talata faha 23 aprily 2024 teto amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina Ambohijatovo ny fifamindram-pahefana teo amin-dRamatoa FOMENDRAZA Haingo Elisette Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina teo aloha sy Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana/Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina mpisolo toerana.

☑️Vonona hanohy ny asa ary hifanolo-tanana amin’ny mpiara-miasa rehetra ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.