Posted in Actualités

Fanolorana solosaina.

📌Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka fanomezana solosaina izay ataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nahazo anjara ihany koa ny teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana foibe sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

⭕Izao fanolorana izao dia entina hanampiana ny fampitaovana ireo mpiasa sy hanatsarana ny kalitaon’ny asa ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka manan-draharaha, izay tanjona tafiditra amin’ny fanamafisana ny Fanjakana tsara tantana. Izao koa no natao dia mba ho fintsinjovana ireo mpiasa.

Posted in Actualités

FAMETRAHANA IREO LEHIBEN’NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY ETO BESALAMPY.

📌Alarobia 22 mey 2024, notanterahina ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerana ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Besalampy, A/toa ANDRIANTSOA Thierry Alfred sy ny Tonia Mpampanoa eo anivon’izany Fitsarana izany A/toa Laï Tsara Fabrice Lee.

✅Vonona ny hanatanteraka ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana izy ireo izay Fitsarana manakaiky vahoaka ka hidina ifotony eny amin’ny vahoaka mba hampafantatra ny zon’izy ireo ary koa hamerina ny fahadiovan’ny fitsarana ka hiady amin’ireo mpijirika izay manimba ny hasin’ny fitsarana.

➡️Ny Filoha dia manentana ny vahoaka mba hanatona ny fitsarana rehefa manana raharaha tokony andraisan’ny fitsarana andraikitra mba ho fiarovana hatrany ny zon’izy ireo. Ary ny Tonia mpampanoa dia manentana ireo tompon’andraikitra sy vahoaka eo an-toerana mba hiara hiasa hitondra aina vaovao eo amin’ny tanànan’i Besalampy.

⭐Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary teo koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teto an-toerana.

Posted in Actualités

Fanolorana ny Fitsara Ambaratonga voalohany eto Besalampy.

📌Talata 21 Mey 2024, natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Besalampy. Notarihan’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA ny fotoana niaraka tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana.

➡️Nambaran’ny Minisitra fa ny fotodrafitrasa tahaka izao dia ao anatin’ny fanantaterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana izay fitsarana manakaiky vahoaka. Mponina maherin’ny 126.000 miparitaka amina Kaominina miisa 9 dia Besalampy, Ankasakasa Tsibiray, Ambolodia Sud, Bekodoka, Antsirasira, Mahabe, Soanenga,Marovoay Sud, Ampako no hisitraka izany ka afaka mampanaja ny zon’izy ireo, eny fa na ny fakana tatarasy fitanisan-tsazy, na fanamarinana zom-pirenena, …

⭕Tombontsoa lehibe ho an’ny vahoakan’i Besalampy noho izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa ankehitriny satria tsy voatery mandeha tongotra lavitra be, na mandray botry na sambo makany Maintirano intsony izy ireo vao afaka manatona fitsarana fa efa akaiky azy ireo ny lapan’ny Fitsarana.

Posted in Actualités

Fitsidihan’ny Ministra ny fonjan’Ampanihy.

Ny 18 Mai 2024, tonga nitsidika ny fonjan’ Ampanihy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Nandritra izany fitsidihana izany no nitondrany fampitaovana ho an’ny voafonja sy ny fonjan’ Ampanihy.
Natao moa izany dia mba tsy ho fotoana lany fotsiny ihany no hijanonan’izy ireo eny anivon’ny fonja, fa fotoana hanarenana sy hanomanana azy ireo sahady ho eny anivon’ny fiaraha-monina, ary indrindra ho fanajana ny zon’olombelona.



Posted in Actualités

Antenimierampirenena Tsimbazaza, sy Antenimierandoholona Anosy.

📌 Talata 7 May 2024, nosokafana anio tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana teo anivon’ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza sy teo anivon’ny Antenimierandoholona Anosy.
⭐ Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana sady Ministry ny Mponina sy Firaisankina mpisolo toerana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.