Posted in Actualités

Hetsika kopia faobe tao amin’ny akany Akamasoa.

📌Natomboky ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ho an’ny ankizy teto amin’ny Akany Akamasoa Ambohimahitsy ny fankalazany ny Iray Volan’ny Ankizy 2024. Izany no natao dia mba hisitrahan’ireo ankizy izay tsy mbola manana kopia lava ny zo hanana anarana, izay zo fototra voalohany tokony ananan’ny olombelona ka ahatonga azy ho olom-pirenena vanona.
Ka ankizy miisa 700 no nisitraka izany didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana izany.

➡️Ity hetsika ity dia notarihan-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo sy ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely.

⭕Entina ho fanatanterahana ny Andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena ihany koa ity fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ity dia ny « Fanandratana ny maha olona ».

🎯 🎥 Horonan-tsary fohy:

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📌Alatsinainy 03 Mey 2024, tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an-dRamatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana teto Faravohitra i Ramatoa Sana AL-ATTAR « Expert international » izay ao anatin’ny « Comité de pilotage de l’Elaboration de la Stratégie Nationale de la Lutte Contre la Corruption (SNLCC)  » niaraka tamin’ny solon-tena avy amin’ny « Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité ».

➡️Ny tena votoatin’ny fitsidihana dia ny fandinihana ny zava-misy eto an-toerana ka hiaraha-miasa sy hifanampiana mba hametrahana paik’ady hiadiana amin’ny kolikoly.

Posted in Actualités

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.

🇲🇬 Ho fanatsarana ny fitantanana ny Ratsam-pitsarana momba ny ady ifanaovan’ny mpiasa sy ny mpampiasa eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo sy ho fanafainganana ny fitsarana ny raharaha mandeha ao dia mikasa ny hanome fanohanana ity Ratsam-pitsarana ity ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Asa na « Organisation Internationale du Travail » mba hidirana ao anatin’ny Hay tao ara-kajy mirindra.
Tao anatin’izany indrindra dia nidina ifotony teo anivon’ity Ratsam-pitsarana ity ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana miaraka amin’ny Talen’ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Asa, Andriamatoa MUIA Frédérique, nijery ny fomba fitehirizana ny antontan-taratasin’ady.

🇲🇫 Dans le cadre du projet de digitalisation du Tribunal de Travail d’Antananarivo, l’Organisation Internationale du Travail (OIT) en tant que partenaire incontournable de la juridiction sociale, envisage de lui fournir un appui aux fins de mener le projet à bonne fin. Ainsi, une visite du Tribunal de Travail a été faite par le Ministre de la Justice Madame RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, représentant le gouvernement, et le Directeur de l’OIT Monsieur MUIA Frédérique, avec son équipe, dans le but de bien concrétiser le projet et d’effectuer un état des lieux notamment de l’archivage des dossiers contentieux.

Posted in Actualités

Fifidianana Solombavam-bahoaka.

📌 Alarobia 29 Mey 2024, tonga nanatanteraka ny adidy amin’ny maha-olom-pirenena azy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto amin’ny faritra misy azy eto Ivato amin’izao fotoanan’ny fifidianana Solombavam-bahoaka izao.

Posted in Actualités

FIARAHABANA NY MINISITRY NY FITSARANA NOHO NY FETIN’NY RENY.

📌Alatsinainy 27 Mey 2024, Noho ny fankalazana ny fetin’ny reny ny alahady lasa teo dia tonga niarahaba an-dRatamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny mpiara-miasa rehetra teto amin’ny Minisitera sy ireo lehibe avy amin’ny Fitsarana isan-tsokajiny.

⭕ »Arahabaina ry ilay nahasoavina, ny Tompo hombanao » hoy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony raha nitondra ny teny fiarahabana ny tenany.
Ny Minisitra tetsy andaniny dia naneho ny fankasitrahany sy ny fifaliany tamin’izao fihetsika izao ary namerina niarahaba an’ireo RENy rehetra.