Posted in Actualités

RAHARAHA VARY SIMBA TANY MAHAJANGA.

TSY MANDEFITRA NY FANJAKANA ARY MANAO FANAMBARANA NY MINISITRY NY FITSARANA, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Raharaha vary simba.

NODORANA IREO VARY SIMBA TAO MAHAJANGA, NANATRI-MASO NY MPITAHIRY NY FITOMBOKASEM-PANJAKANA MINISITRY NY FITSARANA, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Fivoriana mivantana sy nampitain-davitra (visioconférence) notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana.

Fivoriana mivantana sy nampitain-davitra (visioconférence) notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahan’ny Fonja, Andriamatoa RALISAONA Arsène sy ireo tompon’andraikitry ny Fandraharahana ny Fonja.

📌 Namory ireo Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja sy ireo Lehiben’ny Fonja rehetra manerana ny Nosy ny Ministry ny Fitsarana mba hitazomana ny filaminana anatin’ny fonja sy ho fitsinjovana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny.

📍Hentitra ny tenin’ny Ministry ny Fitsarana fa tsy ekena ny goragora sy ny tandrevaka eny anivon’ny Fonja. Araka izany dia :
– nisy fanapahan-kevitra manokana noraisina, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona izao ;
– nampahatsiahivina ny fanajana ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fonja sy fitsipim-pitondrantena ary ny etika ;
– namafisina ny tokony hidinan’ireo Talem-paritra rehetra eny amin’ny fonja eo ambany fiadidiany mba hanarahany maso ny asan’ny Lehiben’ny Fonja.

📍Namafisin’ny Ministry ny Fitsarana ihany koa ny tokony hanatsarana ny fiaraha-miasan’ny Fitsarana sy ny Fonja ao anatin’ny fanajana ny lalàna hatrany.

🔴 Notsindriany fa hisy ny fepetra ho raisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka ny lalàna sy ny toromarika napetraka. Naneho fahavonona ny tompon’andraikitra rehetra hanatanteraka ny toromarika.

⭐ Mirary fety Sambatra ho an’ny rehetra ao anatin’ny filaminana ny Ministeran’ny Fitsarana.

Posted in Actualités

FIANIHANAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA.

NAMETRAKA NY TOMBOKASEM-PANJAKANA NY MPITAHIRY NY FITOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌 Sabotsy faha – 16 Desambra 2023, teto Mahamasina. Natao ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny Fianihanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay voafidy tamin’ny latsabato natao ny 16 Novambra 2023.Voapetraka tamin’ny fintanana an-tsoratra, mirakitra izany ny Tombokasem-panjakana. Ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana no nametraka izany, araka ny voarakitry ny Lalam-panorenana.

Posted in Actualités

Antanimieram-pirenena.

ANTENIMIERAM-PIRENENA : LANY TSY NISY NITSIPAKA NY VOLAVOLAN-DALANA LAHARANA 022/2023, MIKASIKA NY FAMOTSIAM-BOLA SY FAMATSIAM-BOLA NY ASA FAMPIHOROHOROANA. NISAOTRA NY SOLOMBAVAMBAHOAKA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alarobia faha – 13 Desambra 2023, teto amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eto Tsimbazaza. Niatrika ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, nitondra ny fanazavana ara-politika, ara-tekinika ary ara-tsosialy ny antony nitondrana fanovana sy famenoana ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna laharana 2018-043 tamin’ny 13 Febroary 2019, mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Izany dia nialohavan’ny tatitra nataon’ny Mpampakan-teny eo anivon’ny Vaomieran’ny lalàna eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, narahin’ny fanazavana ny fomba fiasa tamin’ny fandinihana ny fanitsiana sy ny fanovana, izay nataon’ny Filohan’ny Vaomieran’ny lalàna.

📎 Taorian’ny tsangan-tanana amin’ny isan’andininy sy ny fandaniana amin’ny ankapobeny dia lany tsy nisy nitsipaka ny Volavolan-dalana laharana 022/2023 tamin’ny 04 Oktobra 2023 mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna teo aloha mikasika izany.
Misy andininy 22 ity lalàna vaovao ity ary 3 ny andininy vaovao nampidirana ao anatiny.
Taorian’izay dia nisaotra ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nohon’ny fahatsapan’izy ireo ny maha-zavadehibe ny sokajin-dalana toy ity vao nolaniana ity.