Posted in Actualités

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pitsarana 2024.

📌Alatsinainy faha 05 Febroary 2024. Teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, Nakatona ny taom-pitsarana 2023 ary nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pitsarana 2024.

⭕Lanonam-pitsarana manetriketrika notarihan’ny Filoha Voalohany sy ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Tampony. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita ka tsikaritra tao anatin’izany fa tratra ny tanjona nokendrena tamin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, vokatry ny fampiharana ny paikady fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-pitsarana. Nahavita ezaka goavana ny Fitsarana satria didim-pitsarana miisa 226666 no tafavoaka tamin’ny taom-pitsarana 2023, raha Mpitsara miisa 685 no nisahana izany.

⭕Amin’ity taom-piasana 2024 ity dia hitombo ny ezaka, raha ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary efa misy ny asa zato andro nofaritana ho an’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

⭐Nanotrona ny fanokafana ny taom-pitsarana 2024, ireo lehiben’ ny Andrimpanjakana isan-tokony sy ny Mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta. Nisolotena ny Filoham-pirenena izay Filohan’ny CSM kosa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian.

📌NANDRITRA NY FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PIASANA 2024, DIA NITAFA TAMIN’NY MPANAO GAZETY NY MPITAHIRY NY FITOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

🎥 NITONDRANY FANAZAVANA NY FAMPIHARANA NY POLITIKAM-PANJAKANA MIKASIKA NY FANAFAINGANANA NY RAHARAHAM-PITSARANA SY NY LALANA VAOVAO MIKASIKA NY FANOLANANA.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajàna.

📌 Ny alatsinainy faha 05 Febroary 2024, teto amin’ny Foiben’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra. Nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny Tale solotenan’ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), ho an’i Madagasikara, Maorisy, Seychelles, Kaomoro, Andriamatoa Frederick MUIA.

🖇️ Fitsidihana ara-pomba fanajàna, niarahabany ny Ministra nohon’ny fanendrena azy hitantana ny Ministeran’ny Fitsarana indray. Nandritra izany ihany koa no niresahana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny OIT.

Posted in Actualités

Lalàna laharana 002/2024/PL.

📌Zoma faha 02 Febroary 2024, teto amin’ny Antenimierampirenena eto Tsimbazaza. Nitondra fanazavana mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL, tamin’ny 24 janoary 2024 ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Io volavolan-dalana io dia mameno sy manova ny andininy sasantsasany ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana Malagasy.

➡️ Ny sazy ho an’ny olona manao fanolanana no tena nifotorana.
Isan’ny fanovana nentina tamin’izany ny fampidirana ny « castration », ho isan’ny sazy ho an’ireo izay manolana Zaza tsy ampy taona.
Misy karazany 2 ny « castration » dia ny « castration chimique » sy ny  » castration chirurgicale » ka miankina amin’ny vesatry ny heloka vitan’ny voapanga ny saziny.

⭕Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena io volavolan-dalana io.

📌Mitondra fanazavana nandritra ny fiaonana tamin’ireo mpanao gazety ny Mpitahiry Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa. RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

VOLAVOLAN-DALANA MIKASIKA NY FANOLANANA.

📌Alatsinainy faha 29 Janoary 2024, misokatra ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Antenimiram-pirenena sy ny Antenimiera-doholona. 12 andro no faharetany araka ny voafaritry ny Lalam-panorenana ary efa voafaritra ny lahadinika ka isan’ny handalo fandinihana sy fandaniana mandritra izany ny volavolan-dalana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ ny fehezan-dalana famaizana mikasika ny olona manao fanolanana.

⭐Nanotrona ny lanonam-panokafana ny fivoriana, niaraka tamin’ny Mpikambana eo anivon’ny Governemanta notarihan’ny Praiminisitra NTSAY Christian hatrany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2024.

📌Zoma faha 26 Janoary 2024, teto Imerintsiatosika, toerana hananganana ny Tanàna vaovao, nandray anjara tamin’ny fanokafana ny fambolen-kazo taona 2024 ny Fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fitsarana, notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

▶️ Lohahevitra nampombana ity taom-pambolena hazo 2024 ity ny hoe : Fambolen-kazo, manarina ny tontolo iainana, mamelon’aina.